Global Voices Podcast: Zavatra Maro Avy Amin'ny #GV2012

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes
Miarahaba an'izao tontolo izao,

Tongasoa eto amin'ny Podcast-n'ny Global Voices. Anatin'ity andiany ity ianao dia haheno zavatra maro avy amin'ny Fivoriamben'ny Global Voices izay notanterahina tany Nairobi, Kenya, tamin'ny Jolay.

Fihaonan-kevitra, namana, mpifankahafantatra vaovao sy fandraisan'ny vahoaka anjara ny Fivoriambe. Maro amin'ireo mpanoratray, ireo tonian-dahatsoratra sy ireo mpanangon-kevitra no tonga hifaznatrika indray mandeha isaky ny roa taona, rehefa misy ny Fivoriambe. Afaka mahita zavatra maro momba ny Fivoriambe ianao amin'ny alalan'ny fitsidihana ny tenifototra Twitter #GV2012 sy fitopiana maso an'ireo pejy natokana ho an'ny Fivoriambe.

Ankoatra ny maha-famoriam-bahoaka azy, mihaona sy miady hevitra momba ny heviny avy ireo mpanoratra sy tonian-dahatsoratra ao amin'ny Global Voices sy ny rehetra, ireo akademisiana voafantina eran-tany ihany koa dia nasaina hizara ny fahalalany sy hanovo fahalalana avy amin'ilay fianakaviambe.

Ivan SigalIvan Sigal no tale mpanatanteraky ny Global Voices ary mamaritra ny antony mahatonga ho manan-danja ny fandraisan'ny vondrona akademika anjara ao anatin'io hetsika io .

Nisy fizaram-potoana maro hiadin-kevitra mikasika ireo dingana sy fomba fanasongadinana ireo feo vitsy mpihaino ary ny fanamboarana ny ankabeazan'ireo fitaovan'ny mediam-bahoaka izay fomban'ny fianakaviamben'ny Global Voices amin'ny andavanandro. Nanontany ireo akademisiaa voafantina ihany koa izahay momba ny heviny sy ny traikefa azony nandritra ny Fivoriambe mba hahitàna ny zavatra nianarany sy ny fahalalana mety ho azony ampiharina amin'ny asany.

Loharano Nipoirana Sy Hoavy

Mazava ho azy fa nipoitra avy amin'ny akademia ny Global Voices ary tany an-toerana nanatrika ny Fivoriambe ihany koa i Rebecca MacKinnon, ilay mpiara-namorona ny fikambanana, izay sady mpanoratra no mpiara-miasa tranainy ao amin'ny New America Foundation think tank izay hiasany mikasika ireo olana amin'ny politikan'ny Aterineto. Nanatratra azy izahay mba hiresaka momba ny hoavin'ny Aterineto sy ny dikan'izany eo amin'ny fahalalahana mifandray.

Tsinontsinona ny Global Voices raha tsy eo ireo mpandray anjara ao aminy. Araka izany ho fanakatonanay ny fandrakofanay ny Fivoriambe ho an'ny podcast, ankafizo ireo eritreritra lalina sy ireo traikefa avy amin'ireo mpanoratra, mpandika teny sy tonian-dahatsoratra izay namorona ity loharanom-baovao sy fahalalana mahataklnjona ity.

The Global Voices 2012 Summit location.

Ny toerana nanatanterahana ny Fivoriamben'ny Global Voices 2012.

Misaotra an'ireo mpandray anjara amin'ny podcast rehetra, ireo nikarakara ny Fivoriambe sy ianao nihaino.

Podcast-n'ny Global Voices. Miteny izao tontolo izao. Antenaiko fa nihaino ianao.

Fisaorana amin'ny feon-kira

Anatin'ny podcast ianao dia afaka maheno feon-kira mahate-ho tia Creative Commons maro. Isaorana i Mark Cotton tamin'ireo sangan'asany mahagaga ary isaorana ihany koa ireo feo mahatalanjona rehetra tao anatin'ireo fiakarana an-tsehatra sy rakitsary izay nanampy nanatanterahana ity podcast ity.
Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.