Iran, Israely: ‘Tsy Vonona Ny Ho Faty Amin'izay Adinareo’

Avy amin'ny lohateny lehiben'ireo fampahalalam-baovao mahazatra dia tahaka ny eo an-tokonan'ny ady i Iran sy Israely. Mitohy mandrahona hanafika ireo foto-drafitrasa nokleary iraniana ireo mpanao politika Israeliana, ary ireo manampahefana Iraniana kosa mitanisa ireo teny fanentanany hatrizay milaza ny “hanjavonan'i Israely eo amin'ny sarintany”

Nefa arakaraky ny fitomboan'ireo sahoan-dresaka hisian'ny ady eo amin'ny roa tonta, no itomboan'ny hafanam-po mikatsaka fandriam-pahalemana ihany koa.

Tsy ela akory izay, nanao fihetsiketsehana ho an'ny fandriam-pahalemana tao amin'ny tanànan'i Tel Aviv renivohitr'izy ireo ny Isreliana ary nampiasa ny Aterineto mba handefasana hafatra iray hoe “lavina ny ady”

"So once again, load and clear, we are saying NO to this war." From the Israeli-Loves-Iran Facebook campaign.

“Indray mandeha indray araka izany, mafy sy mazava, averinay lazaina ny TSIA ho an'io ady io.” Avy amin'ny fanentanana Israeli-Loves-Iran ao amin'ny Facebook.

Ireo mpankamamy fandriampahalemana ihany koa dia mitohy manatevina laharana ny pejy Facebook iray izay natombok'ilay Israeliana  Pushpin Mehina (fantatra ihany koa amin'ny hoe Ronny) tamin'ny 19 Martsa 2012 miteny amin'ireo Iraniana fa, ‘Tia anareo ny Israeliana ary tsy handaroka baomba ny firenenareo.‘ Amin'izao fotoana ilay pejy dia manana mpankafy maherin'ny 70.000. Ny androtr'io ihany, nametraka ny pejy Facebook ‘Avy amin'i Iran ho an'ny Fandriampahalemana sy ny Demaokrasia‘, izay tsy ela dia nanomboka fanentanana iray hilazàna amin'ireo Israeliana hoe  “Namanareo izahay.”

Nivondrona indray ireo fanentanana roa ireo rehefa namerina namoaka ity hafatra manaraka avy amin'ny pejy Facebook Israeliana  ity ny pejy Iraniana:

Vahoaka an-tapitrisa isika no hovoadona. ho voaporiporitra, tsy maintsy hiady, hamoy aina, havan-tiana. Izahay, ray aman-dreny avy ao TelAviv sy Tehran tsy maintsy hihazakazaka miaraka amin'ny zanaky mba hitady fialofana sy hivavaka mba tsy hahavoa anay ny bala afomanga. Fa mba ho any ananona any ireny no hianjera, amin'olon-kafa. Nihamafy ny sahoan-dresaka hisian'ny ady tato anatin'ny andro vitsy.Indray mandeha indray araka izany, mafy sy mazava, averinay lazaina ny TSIA ho an'io ady io.. Lazainay amin'ireo vahoaka ao Iran : Tianay ianareo

Ny Alarobia 16 Aogositra, olona maherin'ny 400, nahitàna mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo sy mpiaro ny zon'olombelona, no nanao sonia ny fanangonan-tsonia iray tety anaty aterineto nangatahana an'ireo mpanamory Israeliana handà ny handaroka baomba an'i Iran, raha toa ry zareo omena baiko hanao izany.

Ilay fanangonan-tsonia tety anaty aterineto dia mivaky hoe :

ry mpanamory, ny fanapahan-kevitra handaroka baomba an'i Iran dia raisinay ho lalao faran'izay diso be mihitsy, izay hitondra loza mitatao mahatsiravina ho an'ny Fanjakan'i Israely ary tsy hamaha ny tena olana fototra. Araka ny efa nomarihana, na dia ny tsara indrindra tamin'izay fahombiazana ara-tafika aza tsy hampitsahatra velively ny fandaharan'asa nokleary Iraniana, fa hampihemotra azy fotsiny – ary amin'io fihemorana vonjimaika io dia mety hanonitra lafo dia lafo isika rehetra, mety ho ny zava-doza iray goavana indrindra. Ianareo, mpanamorin'ny tafika an'habakabaka – mihoatra noho ny hafa rehetra – dia manana ny fahefana eo am-pelatananareo hisorohana io zava-doza io.

1 hevitra

  • davida

    inona no resaka hatao? israely sy ny tandrefana mitetika hifehy irery izao tontolo izao
    ,ny arabo sy ny iraniana koa tsy hoatran’ny afrika mainty ka hanaiky ho tsindriana fotsiny eo ,fa ireo anie ka efa nanana ny sivilizasionany talohan’ny eropeanina e;iretsy firenena kristianina ,ka anisan’ny nampiasain’Andriamanitra hanaparitaka ny vaovao mahafaly, mahatonga famonjena ny olo-maro,ireroa firenena silamo ,tsy miady @finoako dia ahoana???

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.