Syria: #InMySyria Ho Feno Fahalalahana Ny Arabe

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana Syria 2011.

Nanonofy maraina vao ho an'ny fireneny ireo  Siriana mpikirakira aterineto, izay hifohan'ny vahoaka ny rivo-pahalalahana, hiaina anaty fitoviana ary ho nofiratsin'ny lasa sisa ny fisamantsamahana. Fantaro ny fomba fijerin'izy ireo ny ho avy amin'ny fampiasàna ny tenifototra #InMySyria ao amin'ny Twitter

Dana Barakat miandrandra fatratra ho avy misy fahalalahana :

@dandoon167: #InMySyria ho feno fahalalahana ny arabe, fa tsy rà latsaka

Rafif Jouejati manonofy fandraisana andraikitra kokoa :

@RafifJ: #InMySyria tompon'andraikitra manoloana ny vahoaka ny mpitondra, fa tsy ny mifanohitra amin'izay.

Hadi Madwar manampy hoe :

@hadimadwar: #InMySyria, miditra amin'ny sekoly fianarana ho mpitsabo ianao satria mpianatra mifofotra sy miezaka mafy, fa tsy hoe satria manana harena ny ray sy reninao.

Ary i Nora Basha mijery ny hoavy ahitàna ireo manam-pahaizana ho andry iankinan'ny firenena :

@Nora0315: #InMySyria tsy ho voafonja any am-ponjan'i Assad ny manampahaizana ary hampijaliana mandritra ny taona maro, ho ety ivelany hanangana hoavy tsara kokoa ho an'i Syria.

Raha ny Damascus Tribune kosa manantena fa tsy hatahotra ny hilaza ny heviny ny vahoaka :

@SamascusTribune: #InMySyria ireo mpandefa bitsika & mafàna fo dia hampiasa ny tena anarany & tsy hatahotra fisamborana #Syria

Jasmine Roman maminavina hoavy iray tsy misy fisamantsamahana. Mibitsika izy :

@JasmineRoman01: #InMySyria Kristiana-Alaoita-Durz-Sonita-Ismaelita-Yezedi-Shiita-Arabo-Asiriana, Kiorda-Armeniana-Syriac-Circassian-Kaldeana-Tiorka.. IRAY daholo.

Mouhannad Abdulhamid manohy hoe :

@MohanadSYR: #InMySyria … Mitovy daholo ny olona rehetra eo anatrehan'ny lalàna.

Ary Adam Akkad mitady fiombonambe Arabo tsy misy sisintany. Mibitsika izy :

@Abou_Charlie: #InMySyria Amman, Beirut, Damaskaosy ary Jersalema dia ho anaty firenena iray daholo

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana Syria 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.