Arabia Saodita : Miaro Ny Haja Amam-Boninahitry Ny Vehivavy Siriana?

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny  fandrakofanay manokana ny  Hetsi-panoherana Syria  2011/12.

Niteraka onjan-katezerana tety anaty aterineto ny bitsika iray manentana ireo lehilahy Saodiana haka ho vady ireo vady na zanakavavy nilaozan'ireo maritiora Siriana 300. Ny 11 Aogositra 2012, tovolahy Saodiana tanora iray, Bader Al Domiyat, no nibitsika ity hafatra manaraka ity [ar] :

Ilay bitsika niteraka ny hatezerana

Midika toy izao izy io :

Findain'ny Sheikh (mpitory fivavahana) iray ao Al Jawf ity, izay miahy masera siriana 375 avy any Syria. Zanakavavy sy vady navelan'ireo maritiora. Na iza na iza maniry hanome haja amam-boninahitra sy fialofana ho azy ireo, iangaviana mba hiantso …..Tompo ô, arovy amin'ny ozon'ny vehivavy aho ka alefaso any amin'i Bashar izy ireo.

Fotoana fohy taorian'izay, nihemotra i Bader ary avy eo namafa ilay bitsika avy aminy, niala tsiny tamin'ny hadisoany. Tamin'y fotoana nanaoratana ity lahatsoratra ity, efa tsy niasa intsony ny kaontiny tao amin'ny Twitter

Minitra vitsy taorian'ny nandefasako azy dia nofafako ilay bitsika satria hitan'ilay nandefa  ilay vaovao taty amiko fa lainga ilay izy. Andriamanitra anie hamindra fo an'izay nanao dika mitovin'ny fàfana momba iny sy nanapariaka azy. Mandefa ny fiarahabako sy  ny fankatoavako ireo vehivavy ‘afaka’ any Syria aho.

Kanefa, efa niparitaka be ilay hafatra, narahan'ny kiana avy amin'ireo mpamaky, izay tsy vitan'ny hoe nanome tsiny an'i Al Domiyat ihany fa koa nipoa-tsatroka ny fahasahian'ireo vehivavy Siriana, niantso azy ireny ho mahery fo, teo ambany tenifototra #عفاف بنات سوريا na ny haja ama-boninahitry ny Zazavavin'i Syria sy  #بدر_التمياط_لا_يمثلنا‏ na tsy mahasolo tena anay i Bader Al Domyat

Sarah al Mutazz [ar] dia tezitra mafy :

ياويلك من الله بهالايام المباركه ! تسببت في فتنة وجرحت مشاعر الآلاف من السوريين مااشوف بهالهشتاق الا السورريين يدعون عليك

Matahora an'i Allah amin'ireo androm-pahasoavany. Niteraka fisavoritahana sy ratram-po tamin'ireo Siriana an'arivony ianao. Ny hany hitako dia ireo Siriana manozona anao amin'ny alalan'ireo tenifototra ireo.

Ahmed Al Hussayen [ar] mampitandrina an'i Al Domiyat :

تغريدتك كانت ضرباً من الاستعجال وعدم التوفيق،وإن كنت حذفتها فتصرف سليم،لكن لابد لك أن تتحمل ردة الفعل،لتعلم أن النار ليست للعب!!
Zavatra tsy voahevitra sy mampalahelo  ny bitsika nalefanao. Tsara ny namafànao azy saingy ankehitriny mizaka ny vokany ianao mba hianaranao ny tsy hilalao afo amin'ny sisa.

Majeed [ar] dia manipika ny filazana hoe ny fanehoan-kevitr'i Al Domiyat dia azy irery ihany :

لا_تعمم خطأ #بدر_التمياط على السعوديين، فهناك سعوديين شرفاء .. #عفاف_بنات_سوريا
Aza atao anaty kitapo iray ny hadalàn'i Bader Al Domiat sy ny Saodiana rehetra. Misy ireo lehilahy Saodiana mendri-pideràna

Mayamy [ar] mibitsika hoe :

#بدر_التمياط_لا_يمثلنا عزيزي بدر الفتيات السوريات اشرف من ان ينظرن الى وجهك =_= فشلتنا يالمريض
Ry Bader, mbola manam-pahamendrehana lavitra noho izay hijery ny tavanao fotsiny ireo vehivavy Syiriana. Mahatonga anay ho menatra noho ny aminao ianao. Lehilahy marary saina ianao

Othman Khaleed [ar] koa mba sahiran-tsaina :

عفاف_بنات_سورية وصلنا لمرحلة من الخذلان ان نقول لهم موتوا لا تخافوا زوجاتكم و بناتكم حنا بنتزوجهم 🙁
Tonga aminà teboka iray  eo amin'ny henatra isika, izay ilazantsika amin'izy ireo hoe matesa ary aza matahotra. Alainay ho vady ny mananontena sy ny zanakavavinareo.

Fa ho an'i Emad [ar], dia hoy izy :

يعني الي فقدت زوجها الحر البطل الشهم راح ترضى فيكم يا اشباه الرجال؟ #عفاف_بنات_سورية
Dia hanaiky anao ve ny iray izay namoy ny vady mahery fony, ry tapak'olona ?

Ary i Mohamed Abu Saud [ar] manome vahaolana hafa :

#عفاف_بنات_سورية من اراد مساعدة أخواتنا فليوفر لهن وظيفة يتسترون منها ويقتاتون على راتبها
Na iza na iza te-hanampy ny anabavintsika, aoka izy hanome azy ireny asa iray hahafahany mivelona avy amin'ny karama raisiny

Skon [ar] manana fomba fijery tsy dia mifanalavitra amin'izay :

#عفاف_بنات_سوريا سوريا مو ناقصه رجاال وبناتهم مو ناقصين زواج يقدرون يتزوجون من رجاجيلهم بس ناقصهم دعم واسلحه ودعاء اذا تبون ارسلوا لهم
Tsy lany lehilahy akory i Syria ary tsy mahantra tokantrano ny vehivavy ao aminy satria afaka manambady ireo lehilahy mpiray tanindrazana aminy ry zareo. Mila tohana ry zareo, fitaovam-piadiana sy vavaka. Raha sitrakao, zavatra toy izany alefa ho azy ireo.

Ny sasany mitondra fanamarihana somary mandranitra ihany, toa an'i Rio [ar] :

#عفاف_بنات_سورية اللي يبي الخير لاخواته المسلمات يروح يتزوج من الصومال نفس الشي مجاعات وفيه ارامل كثير ، لو كنتم تبون الخير كما تدعون 🙂
Ny olona maniry ny tsara ho an'ny anabaviny Silamo dia tokony handeha sy haka vady any Somalia, any izay misy kere sy mananontena marobe, izany no izy raha tena milaza ho antra marina araka izay ambaranao ianao.

Roshka [ar] avy any Emira Arabo Mitambatra dia tsy mitsitsy ny fanakianany :

هنالك أزواج شهيدات سوريات أيضا ، لتبدأ تزويجهم باختك و ابنة خالك و عمك ، يا صاحب الرجوله و الفحوله أترضاها لأهلك؟ #عفاف_بنات_سوريا
Ireo vehivavy Siriana maritiora koa mba namela ny vadiny ho irery. Avelao ry zareo mba haka vady ny anabavinareo na ny ‘cousin-areo’ ry ilay veta lahy ireto … ekenareo ve izany hatao amin'ny havanareo?

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny  fandrakofanay manokana ny  Hetsi-panoherana Syria  2011/12.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.