Maoritania: Maneso Ny Filoha Amin'ny Fampiasana Twitter

Ny 6 Aogositra teo, niseho tamin'ny fahitalavi-panjakana ny Filoha Maoritaniana, ny Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz. Nandritra io fisehoana tamin'ny fahitalavitra io, nidaroka mpanao gazety iray  ny mpitandro ny filaminana raha teo am-pandrakofana ny fisamborana ary fampijaliana natao taminà vahiny iray nasaina izy, vahiny izay niangavy ny Jeneraly mba hiala. Ireo Maoritaniana mpampiasa Twitter dia nanaraka io trangan-javatra io ara-potoana, ary naneho hevitra avy amin'ny tenifototra  #مسرحية _الجنرال [ar] (The General's Play na Ny Lalaon'ny Jeneraly).

Niseho izany rehetra izany nandritra ny fampitàna mivantana sy fandaharana lava tamin'ny Fahitalavitra  nomena ny lohateny ” Ny fihaonana amin'ny Vahoaka.” Ilay fisehoana tamin'ny fahitalavitra [ny Filoha] dia nifanitsaka tamin'ny tsingerin-taonan'ny fanonganam-panjakana 2008 , izay nampiongana an'i Sidi Ould Cheikh Abdallahi Filoha Maoritaniana sivily voalohany sady voafidy.

Niteny ratsy ny mpanohitra ny Filoha, ary niampanga azy ireo ho miaro ny tombontsoan'ny antoko vahiny. Nesoiny ihany koa ny fangatahan'ny mpanohitra izay mangataka ny hialàn'ny fitondrana. Nikarakara fihetsehana maro manohitra ny fisehoan'ny Jeneraly tamin'ny fahitalavitra ny Movement of Mauritanian Youth na hetsiky ny tanora Maoritaniana[ar], ary miantso ny fianjeran'ny fitondrany. Mafana fo am-polony avy amin'ny I.R.A. [Hetsika manohitra ny fanandevozana ao Maoritania]  no nanao fihetsiketsehana nanoloana ny Ministeran'ny Fitsarana, sy ny foiben'ny Radio Maoritaniana ho fanoherana ny fanambaràna  fanandevozana nataon'ny Filoha nandritra ilay fisehoana tamin'ny Fahitalavitra. Noheverin'ireo ho fitsipahana imasom-bahoaka ny fanandevozana ilay fanambaràny, tamin'ny fijoroana teo akaikin'ireo olon-tsotra tompon'andevo.

Mauritanian President, photo published by alkachiv blog

Ny Filoha Maoritaniana, sary naparitaky ny bilaogy alkachiv

Noesoin'ilay mafàna fo, Abdel Fetah Habib,  ny fahambanian'ny fari-pahaizan'ny filoha :

@afetah لم يتكلم عن إنشاء جامعات عليمة بل يفهم فقط في التكوين المهني. هذا مستواه #مسرحية _الجنرال

@afetah Tsy nasiany resaka ny fanarenana ny Oniversite, fa ny fiofanana arak'asa ihany no fantany. Izay no fari-pahalalàny. #مسرحية _الجنرال

Nampita fihetseham-po mitovitovy amin'izany ilay mafàna fo, Baba Ould Deye . Nobitsihiny ny tsy fahaizan'ny Jeneraly mandray na dia ny fari-pahaizana farany ambany indrindra aza :

@babadeye العالم الليلة يتابع حدث نزول مسبار كيوريوسيتي علي #المريخ،ونحن نتابع #مسرحية _الجنرال الذي لا cيمتلك شهادة ثانوية #Curiositylands #موريتانيا

@babadeye:Izao alina izao, eo am-panarahana ny fipetrahan'i Curiosity eny amin'ny Mars izao tontolo izao, fa isika kosa mijery ny Lalaon'ny Jeneraly izay tsy nandia fianarana ambony.

Ny mpanoratra sady bilaogera, Abu Abbass Braham, dia nanamarika ny tantaran'ny Jeneraly :

@abbassbraham مازال الذكي يتهم المعارضة بالانتماء للنظام السابق، رغم أنه كان حارسه مدة عشرين عاما.

@abbassbraham Miampanga ny mpanohitra ho mpisolelaka amin'ny fitondrana teo aloha ilay olo-manan-kaja, na dia niaro an'io nandritra ny 20 taona aza izy.

Sidi Ettaieb Ould Mojteba dia nitondra fanamarihana tamin'ny laingan'ny Filoha :

@mojteba الجنرال يتحدى كل من يقول أن في موريتانيا يوجد بها قمع، ويبدو أنه نسي قضية المشظوفي الذي قتل بدم بارد

@mojteba: Mihantsy izay olona miteny fa misy famoretana ao Maoritania ny Jeneraly. Toa adinony ny zava-niseho tamin'ny namonoana an-kitsirano an'i Machdhoufi.

Khalil Ould Jdoud, iraky ny Al-Arabiya, nitondra fanamarihana tamin'io zavatra iray io ihany:

@KHjdoud مسكين مسيلمة وجدنا من يزايد عليه في الكذب، يستحق العريف دخول الموسوعة العالمية وأن تضرب به العرب المثل

@KHjdoud : Musaylimah  mahantra [fantatra amin'ny hoe : “ilay mpandainga”, nilaza tena ho mpaminany izy ], ankehitriny manana olona mpandainga kokoa noho izy isika. Ilay mahara-baovao tsara ka mendrika hatao ao anaty encyclopdie iraisam-pirenena, ary heverina ho olona filamatra ho an'ny Arabo.

Ahmed Ould Ennahoui dia nitanisa mpiantso amin'ny finday iray izay niampanga ny Jeneraly ho nandainga :

@nahmedou متصل رائع كذب الجنرال #مسرحية _الجنرال #موريتانيا

@nahmedou Mpiantso mahafinaritra, nampangainy ho nandainga ny jeneraly

Mejdi Ahmad dia naneho ny tsy firaharahiany ny fisehoan'ny Jeneraly tamin'ny fahitalavitra :

@mejdmr علي العموم أنا لم اتابع #مسرحية_الجنرال ولا أبحث عن إعادتها إطلاقا !!

@mejdmr: Tsy nijery ny lalaon'ny Jeneraly aho, ary tsy hijery ny famerenana azy

Nitady vaovao momba izay niafaran'ilay tovolahy voasambotra tao amin'ny tranon'ny fahitalavitra i Mohammed Abdou :

@medabdou شباب هل لديكم خبر حول المعتقلين في #مسرحية_الجنرال البارحة ؟ ماهي أخبارهم هل أطلق سراحهم؟ #موريتانيا

@medabdou Arakareo ve ny momba ireo voasambotra nandritra ny  Lalaon'ny Jeneraly? Navotsotra ve ry zareo?

Ny mafana fo Bab Ould Hourma dia nandona kely ilay mpanentana  ao amin'ny Fahitalavitra :

@bHourma اللحظة التاريخية يا منت اليلي لم تحن بعد.. يوم تحين تلك اللحظة ستهربين كما فعلت هالة المصراتي!!

@bHourma Oh Ment Elli (mpanentana amin'ny  fahitalavitra), tsy mbola fotoanan'ny tantara izao… rehefa tonga izay fotoana izay, dia handositra tahaka an'i Hala Misrati ianao.

Notsikerain'i Yacoub Ould Mohamed Salem mpanao gazety ihany koa ny laingan'ilay mpanentan'ny fahitalavitra :

@YacoubBHD أحدهم اتصل عبر الهاتف.. بدأ ينتقد انقطع الاتصال فاعتذر المقدم لأن المتدخل اختار قطع الاتصال بنفسه #مسرحية_الجنرال #موريتانيا

@YacoubBHD Nisy niantso tamin'ny finday… Nanomboka nitsikera izy, ary dia tapaka ny fifandraisana. Niala tsiny ilay mpanentan'ny fahitalavitra ary niteny fa sitrapon'ilay mpiantso ny nanapaka ny antsony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.