Espaina : Sintonin-dry Zareo Ny Sakafo Mba Homena Ireo Sahirana

Juan Manuel Sánchez Gordillo, solombavambahoaka ao Andalozia, mpikambana ao amin’ny Antoko Ankavia Miray (IULV-CA), solontena nasionalin’ny antoko mpiaro ny mpiasa (CUT-BAI) sy ben’ny tanàna andalò ao Marinaleda , ary mpikambana an-jatony avy ao amin'ny sendikà tafaray no niditra tranombarotra lehibe maromaro mba  hanatontosa ny hetsika faritan-dry zareo ho « fisintonana ny sakafo hiala amin’ny tranombarotra lehibe ».

Natokana ho any amin'ny fitehirizan-tsakafo, tantanin’ny fikambanana tsy miankina (ONG) ireo sakafo nosintonina ireo mba hanampiana ireo olona tena sahirana tanteraka izay nitombo isa aok'izany, noho ny fitsitsiam-bola napetraky ny governemanta vaovao.

@SanchezGordillo :Tsy maintsy alaina ihany koa ny fananan'ireo naka fananan'olona an-tapitrasany an-jato taona rendrika tanteraka anaty fahantrana sy hanoanana.

@SanchezGordillo:Mandrovi-tsihy am-pihatsarambelatsihy amin'ny fakana zavatra kely ataon'ny SAT amin'ny tranombarotra lehibe ry Fariseo lehibe, tsy mahalala menatra!

http://www.youtube.com/watch?v=vUjuJB3q18s

 Nanome baiko ny hisamborana ireo mpikarakara ny hetsika, mikasa hizara sakafo amin’ny olona sahirana ny minisitry ny Atitany, Jorge Fernández Díaz. Tsy niandry ela ny fanehoan-kevitra tao amin’ny tambajotran-tserasera :

 

@democraciareal: Fisamborana an’i Sánchez Gordillo noho ny hetsika karakarainy miaraka amin’ny SAT, etsy andaniny, mbola mirehareha any i Rato sy ny mpiara miasa aminy mpisoloky http://bit.ly/QKJphH #JusticiaSelectiva

@chikosdelmaiz : Aza matahotra ny zava-misy (krizy) : marobe ireo tranobe babangoana ary marobe ny tranom-barotra lehibe feno entana. Sánchez Gordillo, Filoha ! #expropiación

@pedroaleman_ser : Sokajian’ny #PSOE ho « zava-doza » ny hetsika tarihan’i Sánchez Gordillo eny amin’ny toeram-pivarotana lehibe http://ow.ly/cPIGX

Nandefa fanambarana ny ONG Banco de Alimentos mikasika ny fahitany ny toe-draharaha :

Amin'ny maha-tompon'andraikitra iray aminà fikambanana matotra, ary matotra ihany koa ny Bankin-tsakafo, tsy ekenay izao fomba fanao izao. Marina fa misy ny sakafo ary betsaka ny ambin-tsakafo, saingy tokony omena ireo olona sahirana mafy amin'ny fomba mendrika sy ara-dalàna izany. Raha tsy izany, mety ho samy manao izay ataony ny olona tahaka izay efa niseho tany amin'ny firenen-kafa, ary mety ho zava-doza izany.

Miha-mitombo ny toe-javatra tahaka izao ao Espaina. Andro vitsy lasa izay, nisy ny vaovao nivoaka fa nitarika fandaharan'asa fitaratra ny ben'ny tanànan'i catalane ao Girone, hidina gadenà ireo kaonteneran'ny tranombarotra lehibe mba hisorohana ireo olona mitady sakafo mety hanokatra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.