Etazonia: Fahitalavitra MundoFox, Fanampin'ny Mitovy Aminy ?

Ny 13 Aogostra 2012, nandeha tamin'ny fomba ôfisialy ny Fahitalavitra vaovao MundoFox [es] , fahitalavitra faha dimy amin'ny fiteny Espaniola any Etazonia manatvin-daharana ny hafa toy ny  Univisión, Telemundo, Telefutura ary ny Azteca América. Vokatry ny fiaraha-miasan'ny Fox International sy ny  Fahitalavitra Kolombiana RCN ny MundoFox. Nolazaina mialoha tamin'ny 23 Janoary ny fisian'io fahitalavitra io ary ny 70%-n'ny tokantrano espaniola any Etazonia no hahazo azy.

Tamin'ny alàlan'ny famitàna ny fifamatoran’ io fahitalavitra vaovao io sy ireo efa misy ao an-toerana, hiditra eo amin'ny tsena Espaniola be mpitsiriritra indrindra any Etazonia ny MundoFox, misy olona 50 tapitrisa ary sandaina ho 3.6 lavitrisa dolara.  Nefa mialoha ny nandefasana io fahitalavitra vaovao io, dia nisy fanontaniana mipetraka mikasika ny ilàna fahitalavitra hafa miteny espaniola.  Ny fanontaniana fototra dia ny hoe : raha manatsara ny kalitaon'ny fandaharan'ny Fahitalaviatra miteny Espaniola na làlana natao fotsiny hanadiovana ny endriky ny mpamorona ny New Corporation na Fikambanana Vaovao sy ny Fox Interntional, Rupert Murdoch, taorian'ny fahafaham-baraka nisy tamin'ny fihainoana ireo antso an-tariby tany Grande Bretagne io fantsom-pahitalavitra io.

Na dia itokisan'ny manam-pahaizana ara-barotra ho safidy iray amin'ny Fahitalavitra  miteny Latina aza ny MundoFox, ny hafa kosa dia tsy resy lahatra tamin'izany- tahaka ny asehon'ity lahatsoratra nivoaka tao amin'ny bilaogy Juan of Words  ity:

Tsy maintsy lazaiko, rehefa namaky ny fandaharana “vaovao” hatolotry ny MundoFox, amin'ny volana ambony aho, dia tsy liana loatra …. Farany, niteny ireo mpiandraikitra ilay tabajotra, fa ny fandaharan'asa dia ny hamokatra manontolo sy mivantana ny fandaharana avy ao Kolombia, amin'ny fampiasana ny tranom-pamokarana sy ny loharanom-pamokarana ananan'ny RCN. Izay no ahitanay ny fisian'ny fifaninanana marina avy amin'ny MundoFox.

Ny mpampiasa Twitter sasany dia sahy nieritreritra fihokoana amin'ny Espaniola, toa an'i Jerry Brant (@MeetJerryBrant) :

@MeetJerryBrant: nivoaka avy any niaraka tamin'ny Fahitalavitra Miteny Espaniola, Mundo Fox, ny Fox. Heveriko fa vela-pandrika ataon'ny Fox mba hifanoheran'ireo mpifindra monina samy izy ireo ihany io.

Jenny Andrea (@JenAnAguirre) dia nanakiana ny RCN sy ny fiaraha-miasany amin'ny Fox amin'ny fandroahana mpanao gazety :

@JenAnAguirre: Midehaka ny RCN tamin'ny fiaraha-miasa  izay niteraka ny MundoFox, izay ny tsy fantatry ny sasany dia ny vokany nahatonga mpanao gazety maro avy amin'ny NTN24 (Nuestra Telenoticias )  [es] no very asa.

Mandritra izany, ny mpampiasa Twitter sasany dia faly mahita fandaharana vaovao amin'ny fiteny Espaniola, tahaka an'i Verónica Pérez (@Veronikpm)

@VeronikpmFox sy RCN Televisión nandefa ny Mundo Fox, fahitalavitra izay mikendry ny vondrom-piaraha-monina Espaniola aty Etazonia. Eny, mamokatra kalitao tsara ny RCN.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.