Tsy Maintsy ‘Nanafatra’ Mpilalao Ve Singapore Mba Hahazo Medaly Olaimpka ?

Ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Lalao Olaimpika 2012 any Londona  ity.

Taorian'ny 52 taona “nijaliana” (araka  ny tatitr'i Terence Voon ao amin'ny  Straits Times ), nahazo medaly Olaimpika iray hafa tamin'ny lalaon'olon-tokana ihany Singapore ny farany. Nahazo medaly alimo tany amin'ny lalao Olaimpika 2012 atao any Londona ny mpilalao tennis ambony latabatra Feng Tianwei ny herinandro lasa teo, ary natsangana teny amin'ny sehatra ny sainam-pirenena Singapore sy nanakoako nanerana ny kianja ny hiram-pirenena ny farany.

Fa ny any Singapore, tsy nisy nankalaza izany. Nohamafisina fa tsy teratany Singaporeana Feng Tianwei  fa  atleta teratany Shinoa nentina ho any Singapore noho ny Foreign Sports Talent Scheme na tetik'asa fitadiavana mpanantalenta  vahiny izay hijerena ny mpilalao manan-talenta ary hanomezana azy ny zom-pirenena mba hahafahany misolo tena an'i Singapore  amin'ny lalao ara-panatanjahan-tena iraisam-pirenena.

Ny fitrandrahana ny hevitry ny olona nataon'ny Yahoo! SG tety anaty aterineto dia nahatsapa fa manodidina ny 8 amin'ny 10 tamin'ny olona nanontaniana no tsy mahatsiaro faly tamin'ilay medaly azon'ny mpanan-talenta vahiny. Maro no mahita fa ny  Foreign Sports Talent Scheme dia ezaka natao “hividianana” medaly fotsiny, raha tokony ho fandresena vokatry ny ezaky ny mpilalao avy ao Singapore madiodio no  izy.

@rlychill: Ah feng tian wei……. Nanao ahoana isika raha tsy nisy vahiny nafarana

@3mozslayer: Ny fotoana saro-pady rehefa mandeha ny hiram-pirenena Shinoa dia tsy fantatr'i feng tian wei na dia  ny hihira azy aza.

Feng Tianwei nahazo ny medaly alimo tamin'ny lalao Olaimpika 2012 tany Londona. Sary avy amin'ny Wikimedia

Nitsikera  ny politikan'ny governemanta i Lucky Tan, niteny fa taratry ny tsy fananana finoana amin'ny talenta eto an-toerana io :

Raha ny handresena fotsiny ihany no hanafaranareo mpanao fanatanjahan-tena manan-talenta, dia manao tsinontsinona ny vahoakanareo ianareo sady maneho ny fisainana ” tsy mahavita” io…  fanamafisana iray fa tsy mino ny vahoakanareo sy ny talentany ianareo. Tsy mahagaga amiko raha ny fikambanana ara-panatanjahan-tena izay mavitrika kokoa amin'ny fanafarana mpanao fanatanjahan-tena  manan-talenta mba handresy dia tantanan'ny PAP [antoko mitondra] MP…. taratry ny finoana sy ny fahatokiana izay ananany amin'ny vahoakantsika io.

Ny sasany tsy mankasitraka ny Singapore's Multi-Million Dollar Awards Program na fandaharan'asa loka dolara an-tapitrisa maro nataon'i Singapore, izay midika fa handray 250.000 dolara Aingaporeana i Feng Tianwei  tamin'ny nahazoany medaly alimo.

@ButterJingers: Azonareo sary an-tsaina ve ? handray 250k avy amin'ny firenena  sy medaly ihany koa i Feng Tian Wei.

LIFT dia mihevitra fa tsy tokony hanakiana an'i Feng Tianwei tamin'ny nahatongavany any Singapore ny olona :

Tsy mpiasan'ny Banky i Feng , mpilalao tenisy ambony latabatra izy. Tsy misy olona betsaka afaka hampiasa azy-  ny mpampiasa azy dia ireo firenena soloiny tena, hifaninanany sy hakàny medaly. Na dia tsy isalasalana aza fa manam-pahaizana sy kinga amin'io sehatra io izy, dia tena voafetra ny fahafahany miasa raha ampitahaina amin'ny hoe mpiasan'ny banky, injeniera na mpampianatra. Raha io aza no rasina, tsy maintsy nijery  ireo safidy vitsivitsy nisokatra taminy i Feng ary nandray ny safidy tsara izy : Singapore.

Ny Lycan Times dia milaza fa na dia mahavariana aza ny zava-bitan'i Feng Tianwei, sarotra ny hahatsapa rehareha noho ny fihetseham-po tsy ao :

Ankoatry ny politika, dia fahombiazany manokana io – asa iray izay nahitàn'ny asa mafy nataony vokatra. Tsy laviko fa ho nirehareha kokoa aho raha teratany Singaporeana no nandresy. Izaho sy namana fahiny tamin'ny kilasy ambaratonga voalohany iray no niady hevitra ny amin'io resaka io, ary ny zavatra iray nivoitra nandritra  io resaka io dia maro ny Singaporeana no tsy nahita antony tokony hahatsapàna reharehana tamin'io fandreseny io ( Feng) satria tsapan'izy ireo fa tsy misolo tena azy ireo i Feng. Manana ny lafitsarany izy, ary miombon-kevitra aminy aho amin'ny lafiny sasany satria tsapako koa fa Feng dia tsy misolo tena ny Singapore izay nahabe ahy – i.e. i Singapore izay iraiketan'ny fitiavanay noho izy toerana nahaterahanay. Ambonin'izany, io ilay Singapore izay hitomboanay ary ilay hany tsapanay fa niaraka lehibe taminay. Raha mahatsapa fireharehana amin'ny olona izay nobeazinay tao izahay, dia mahatsapa fireharehana ho an'i Singapore ihany koa. Mampalahelo, fa Feng Tianwei dia tsy afaka ary tsy hisolo tena  an'izay Singapore mampihetsi-po izay mihitsy- tena samihafa amin'ilay ao am-ponay ilau iray onenanay. Nisolo tena Singapore iray izay tsy nanananay firaiketam-po intsony izy.

Andrew Loh dia miangavy ny vahoaka mba hisaina ny amin'izay tena maha-Singaporeana “marina” :

Mihanaka haingana ny fanakianana sy ny hatezarana, ary mamerimberina ad nauseum izy ireny isaky ny misy olona izay raisina ho  “tsy tena Singaporeana ” mahazo fihina fisaorana. Raha azo saintsainina ireo fihetseham-po ireo noho ny politikantsika momba ny fifindra-monina, ary ny sasany toy ny tetikasa fikarohana mpanan-talenta vahiny ( izay, indrisy, mahatafiditra an'i Feng ), angamba tsaratsara kokoa raha mandeha lavidavitra kokoa noho ny fanaovana kiana mahery vaika an'i Feng sy ny namany isika, ary manontany tena lalina, fanontaniana manan-danja kokoa : inona, marina , no tena maha-Singaporeana ?

Ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Lalao Olaimpika 2012 any Londona  ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.