Bolivia: Lahatsary Vaovao Fanentanana Hikendrena Ny Hanampiana Tosika Ny Fizahantany

Ny ‘Bolivia Awaits You‘ (Miandry Anao i Bolivia) dia anarana fanentanana fampahafantarana iray natomboky ny governemantan'i Bolivia tsy ela akory izay.

Ilay fanentanana dia mikendry ny hanosika ny fizahantany ary mifantoka aminà lahatsary fohy ho alefa amin'ireo tambajotranà fahitalavitra [es] any amin'ireo ao Amerika sy Eoropa. Ilay fanentanana koa dia mikendry ny hampiroborobo ny fizahantany ao anatiny amin'ny alàlan'ny fandaharanasa Atambatry ny Fizahantany [es].

Nanambara ny governemanta ao Bolivia fa hampiasa vola 20 tapitrisa dolara Amerikana ato anatin'ny dimy taona ho avy mba hanomezana hery sy hampiroboroboana ny fizahantany miainga amin'ny vondrom-piarahamonina [es] izay voalohany indrindra hanome tombony ireo vondrom-piarahamonina teratany.

Ny tranonkala www.bolivia.travel dia ampahany ao anatin'ilay fanentanana. Io dia manangona vaovao hatramin'ny fifandrohizan'ny ara-pizahantany amin'ny tombontsoa.

Avy hatrany dia naneho hevitra momba ilay fanentanana ireo mpikirakira aterineto tany anaty sehatry ny media sosialy tany.

Juan Pablo Apaza nitondra fanamarihana [es] ao amin'ny pejy Facebook an'ny Minisitra lefitra misahana ny Fizahantany [es] :

excelente, me dieron ganas de viajar!!

tsara loatra, mamelom-paniriana lalina ato amiko handeha hitety!!

Ary koa, hx939, mpampiasa YouTube dia nitondra fanamarihana tao amin'ny fantsona Youtube ofisialin'ilay fanentanana :

Realmente nuestro país es hermoso muchas felicidades por el esfuerzo para promosionarlo y mostrar nuestros bellos paisajes y cultura. Dejemos de ver lo negativo en nuestras producciones y apoyemos el esfuerzo que hacen los demás en representación de todos los bolivianos.

Tena kanto ny firenentsika, fankasitrahana ho an'ny ezaka fampiroboroboana sy fampisehoana ny tontolo mahafinaritra aty amintsika ary ny kolontsainy. Ndeha hatsahatra ny fanasongadinana ny teboka ratsy any anatin'ny asa famokarantsika any fa andao hanohana ny ezak'ireo hafa misolo tena ny Boliviana rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.