Naharitra dimy volana hatramin'izao ilay hetsi-panoherana ny fampakàrana ny haban-dalana amin'ny lalambe espaniola ary tonga hatramin'ny fifandonana teo amin'ny mpamily fiarakodia sy mpitantan-draharaha tsy miankina tao akaikin'ny Mollet del Vallès [fr]tamin'ny Nampikatsoana ny Lalambe C-33 tamin'ny alalan'ny sakana nataon'nyAbertis, vondron'orinasa misahana ny lalambe mihoatra ny 6 713 km ao Eoropa.
Nanomboka ny 29 martsa 2012 teo ity hetsika malaza ity, rehefa nandrakitra an-dahatsary ny tenany i Josep Casadellà i Turon nandà tsy handoa haban-dalana teo amin'ny lalambe AP-7 izy. Nakariny tao amin'ny kaontiny YouTube izany. Nihoatra ny in-200 000 ny isan'ny nijery io horonan-tsary io. Tsy ampy iray volana nanara-dia ity hetsika ity ireo mpamily fiarakodia ao Catalogne, any Valence ary nisy nanaraka koa avy tao amin'ny vondro-nosy Baléares.
Nazoto nampiasa ny Twitter sy Instagram avokoa ireo mpandray anjara mba hanaovana firaisan-kina manodidina ilay hevitra sy ny tenifototra vetivety dia nisongadina hoe #novullpagar (tsy handoa vola aho). Taoriana kelin'izay, nanangana tranonkala novullpagar.cat ilay mpisera Katalana Jordi Torres Bonet mba hampijoro amin'ny fomba ofisialy ny hetsika. Maro koa ireo tranonkala mpanohana ny hetsika voaforona, toy ireto izay hita kokoa, novullpagar.com, sy proupeatges.cat, ity farany izay nomena anarana araka ilay tenifototra nahatonga ny anarany izay midika hoe #Tsymilahaban-dalanaintsony amin'ny fiteny Katalana.
Niteraka adihevitra mamaivay tao amin'ny politika espaniola momba ny elanelana misy eo amin'ny faritra samihafa momba ny fakan-ketra ny fanentanana #Noullpagar. Toa nomena ho an'olon-tsotra hatrany ny lalambe eo amin'ny zaratany katalana, mampiseho ny fifanolanana eo amin'ny sampan-draharaham-panjakana sy an'olon-tsotra mbamin'ny fifandraisana eo amin'ny orinasa lehibe misahana ny lalana sy fanjakana izao toe-javatra izao.
Nahazo ny fanohanana tsy nisy nitsipaka avy amin'ny antoko politika mpitaky ny fahaleovantena Katalàna moa ity hetsika ity, ka anatin'izany ny ERC, CUP, RCat ary ny SI, ity farany moa izay namolavola lalàna vao haingana mba handaminana ny sandan'ny ny haban-dalana arakaraka ny famoaham-bola natao tamin'ny lalambe. Ivelan'ny tontolo politika, naka toerana tao anatin'ny serasera ny adihevitra izay nandefasana ny #novullpagar, izay nanaitra ireo famoaham-baovao be mpanaraka :
@ElHuffPost [espagnol] : Contra la subida de precios de los peajes, insumisión http://www.huffingtonpost.es/2012/07/29/conductores-insumisos-cor_n_1716090.html … Eso han hecho muchos conductores bajo el lema #novullpagar
Manoratra ao amin'ny bilaoginy Vilaweb i Joan Garces hoe:
Mire de fer un viatge; si m'en vaig cap a Espanya, a Madrit, sols hauré de pagar el gasoil (uns 30 euros aprox) pel contrari si m'en vaig a Barcelona hauré de pagar el gasoil (més o menys el mateix) però a més, he de pagar 36 euros de peatge, eixe és el robatori encobert i legal que patim els valencians i catalans des de fa anys i anys, que consisteix en pagar, pagar i després tornar a pagar, a Madrit, a l'Espanya que ens maltracta i ens ofega.
Niavaka tokoa ny fampiasana ireo media sosialy tahaka ny Youtube, Instagram ary Twitter nataon'ny mpikarakara ny #Novullpagar, miampy ireo mpandray anjara sy mpikambana ao aminy, mba hanamafisana orina ny firaisan-kina sy hifanentanana amin'ny hetsika ; nanambara mivantana ny fandraisan'anjarany ao ry zareo, izay vahavahàna toy izao “Fer un #novullpagar” midika amin'ny fiteny katalàna hoe “Manatontosa ny #tsy handoavolaaho”:
@Piulador_CATALA [ca]: #BonDia, sabíeu que cada català paga de mitjana a l'any 95€ en peatges, mentre que a la resta de l'Estat la mitjana és de 30€. #novullpagar
@proupeatges [ca]: Peatge de Mollet col.lapsat i barreres aixecades. La victòria és nostra!
@francescribera [ca]: Fent un #Novullpagar a Girona-Sud
@miquelsi [ca]: Per fi he pogut fer un #novullpagar!
@CristinaDomenec [ca]: Estic fent #novullpagar…
@jordiborras [ca]: A Sicília tenen «La cosa nostra» i aquí tenim Espanya i Abertis, que actuen igual #30minuts #novullpagar
Manome soso-kevitra araka ny lalàna amin'ireo mpandray anjara teo amin'ny alalan'ny tambazotra sosialy ihany koa ireo mpikarakara:
@ArseneLupin25 [ca]: #novullpagar ens han arribat moltes multes per no identificar-nos, de requeriments que ni tan sols ens han arribat, ajuda siusplau!
@jcasadella57 [ca]: . @ArseneLupin25 multes de #novullpagar sense identificacio? Envia-ho a juridica@cayalunyadiuprou.cat
@jcasadella57: . @ArseneLupin25 lamandy noho ny #tsyhandoavolaaho sy tsy fanomezana taratasy fanamarinana ve? Alefaso any amin'ny juridica@cayalynyadiuprou.cat ireny.
Raha miditra amin'ny telovolana fahatelo amin'ny toe-karena mitontsorika i Espaina ary eo am-piraharahana amin'i Madrid amin'ny fahaleovantenany ara-toe-karena ny governemanta katalana, sarotra kosa ny hihenàn'ny fifandroritana noho ny elanelana eo amin'ny faritra sy ny fiantraikan'ny fanomezana ny fitantanana ho an'olon-tsotra. Azo inoana fa farafaharatsiny hitohy hahazo vahana hatrany ny fanoherana sy ny hetsika tsy fankatoavan'ny daholobe amin'ny lalamben'i Catalogne sy Valence.
Ny porofo mampivandravandra ny fiitatry ny #novullpager dia tsy voafetran'ny faritra katalana ihany ity fanentanana ity. Ny herinandro lasa teo, teo amin'ny fakana haban-dalana eo amin'ny lalambe A9 avaratr'i Portugal, tsy nanaiky nandoa vola ilay mpamily ary nisioka izany tsy hetsika fankatoavana izany niaraka tamin'ny tenifototra vaovao amin'ny fiteny Galisiana [fr] : #nonvoupagar.