Syria: Fitsabahana Ara-tafika Sa Ady An-trano?

Taorian'ny fanambaran'ny Kaomity Iraisampirenen'ny Vokovoko Mena (ICRC) tamin'ny 15 Jolay 2012, fa raisiny ho toy ny ady an-trano goavambe ny fifandirana misy ao Syria, ireo tranonkalam-baovao Tandrefana sy ireo bilaogera kosa nanainga adihevitra iray mampiseho masoandro ireo zava-miafin'ny politika sy ny tombontsoa avy amin'ny ady ho an'ireo hery lehibe eran-tany izay mikatsaka ny hanana vahoho any amin'ny faritra.

Tany am-piandohana ny ICRC dia nanasokajy ny herisetra ao Syria ho toy ny ady an-trano voafaritra aminà toerana iray ifanaovan'ny tafiky ny governemanta sy ny mpanohitra mitam-piadiana tao Homs, Hama ary Idlib. Ankoatra izay, ny Filohan'ny ICRC Jakob Kellenberger dia niteny, tsy ela akory izay, fa ilay fikambanana iraisam-pirenena no hany tokana afaka miasa eny an-kianja ao Syria. Amin'ny teny hafa, ny ICRC dia mampihatra ny lalanan'ny ady (nifanarahana tany Geneve)

Ny bilaogy Military In the Middle East, na Tafika Any Afovoany Atsinanana, izay nanokan-tena amin'ny fitaovam-piadiana any amin'ny faritra, dia nampakatra lahatsoratra dimy mikasika ny lohahevitra “Ady An-trano Ao Syria,” manoritsoritra ny hetsika ara-tafika any amin'ireo tanan-dehibe Siriana toa an'i  Aleppo sy Damaskaosy, ankoatra ny hafa.

Ao amin'ny bilaoginy cetri, Alain Gresh dia nanoratra lahatsoratra iray nomeny lohateny hoe “Ady an-trano sa fitsabahan'ny vahiny? Tampina ny daomy ao Syria”. Ao anatin'izany izy no milaza hoe  :

Misy fivakisana ao anivon'ny SNC [Syria National Council, Filan-kevi-pirenena Siriana], tarihin'olona toa an-dry Haytham al-Maleh sy Kamal al-Labwani, gadra politika tany aloha izay tsy mankasitraka ny fiarahan'ny SNC amin'ny vahiny. Ammar Qurabi, mpitarika fahiny ny Fikambanam-Pirenena Miaro Ny Zon'Olombelona ao Syria sady mpitarika ny Fireham-Pirenena ho amin'ny Fiovàna, dia niampanga ny SNC ho manilikilika ny Alawite sy ireo mafàna fo Turkmen. Ireo Syriana Kristiana, izay nahita Kristiana marobe nandositra an'i Irak, dia manahy amin'ny fiakaran'ny jihadista sy teny fanentanana manenjika Kristiana sy Alawite kiahan'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Ny hafa, toa an'i Stephen Lendman, dia tsy mankasitraka ny hevitra fisian'ny ady an-trano ao Syria. Nanoratra izy ao amin'ny bilaoginy :

Ny fahafahana amin'ny endriny Amerikana dia fanandevozana. Tsy manazava izany ny resabe mahazatra. Mamerimberina nandritra ny fotoana ela ireo foto-kevitra mikasika ny fitsabahana noho ny maha-olona sy ny andraikitra hiaro na “responsibility to protect (R2P)”. Tsy ampy hanazavana azy mihitsy raha ny herisetra mitarazoka  sy ny rà mandriaka.
Ny herisetra nataon'ny Tandrefana teo ambany fitarihan'i Washington no nandravarava an'i Syria. Tamin'ny Alahady, ny  Kaomity Iraisampirenen'ny Vokovoko Mena (ICRC) dia nanambara fa ady an-trano ny fifandonana misy amin'izao fotoana.

Milaza izy fa tsy adin'ny Siriana azy manokana io, fa adin'ny hafa atao eo amin'ny tanin-dry zareo :

Tsy ady an-trano mihitsy io rehefa nafarana avy any an-kafa no betsaka ampiasaina ao. Ny ankamaroan'ny Siriana no tohina amin'ireo herisetra ary manohitra ireo vondrona avy ao anatiny na ivelany manatanteraka azy io.

Amin'ny lafiny iray, ny bilaogera hafa dia nanoratra mikasika ny mpifanolo-bodirindrina amin'i Syria, i Tiorkia, izay nanana fifamatorana mafy tamin'ny fitondràna Siriana ary nanova ny fomba fijeriny sy ny toerana noraisiny nanoloana ny filoha Siriana Bashar Al Assad nandritra ireo volana voalohany nitrangan'ny fitroarana tao Syria. Ny 30 Jolay, ny bilaogy – A Pseudo-Ottoman Blog: Occasional Musings –  nanoratra hoe :

Tiorkia dia ao anatiny ary ampahany amin'ireo mpiara-dia Tandrefana amin'ny maha-mpikambana azy ao amin'ny OTAN sady namana akaikin'i Etazonia. Sa tsy misy afa-tsy Israely ve, ho toy ny firenena nafàrana aty Afovoany Atsinanana, no afaka tondroina imasom-bahoaka ho mpikambana ao anatin'ny hery Tandrefana??? Na ahoana na ahoana, ireo loharanon'i Doherty sy Bakr [iraky ny Reuters] dia maneho mazava tsara fa miroso miala sarona i Tiorkia izao ary mampiseho ho hitam-bahoaka ny anjara toerany amin'ny  maha-mpitarika ny iraka fandrodanana  ny fitondràn'ny Baath Siriana azy.

Michael Blackburnsr dia manohana ny hevitra  hoe ady fahefana ny fifandirana misy ao Syria. Nanoratra izy hoe :

Singa telo lehibe no mahatonga ny fandresen”ny mpihoko ho toa mora.
Voalohany, Arabia Saodita sy Qatar, miaraka amin'ny fanamorana omen'i Tiorkia sy ny fandrindran'i Etazonia, dia mandefa fitaovam-piadiana ho an'ireo mpanohitra.
Faharoa, mandefa haingana ireo andiany mahatoky hanerana ny firenena mba hamotika ireo fihokoana ny fitondràna. Taorian'ny volana maro nitolomana, reraka ihany ireny tafika ireny ary zara raha afa-mihetsika…..
Fahatelo, tena tsy manana azo atolotra ny mpanohitra ny Filoha Bashar al-Assad. Tsy hiala izy no sady tsy ho afaka hizara fahefana. Tsy hampilefitra ny mpanohitra na hanafoana azy ny tetikadiny amin'ny famoretana an-kerisetra sy famonoana olona marobe. Na dia hamono olon-tsotra sy mpanao fihetsiketsehana aza izy, ny miaramila ao amin'ny tafika mpihoko dia afaka misintaka kely mba hahafahany manafika amin'ny andro hafa.

Na anaty ady an-trano ny Siriana, na fitsabahan'ny vahiny, mikororosy isan'andro ry zareo ary maherin'ny 20.000 ny aina efa nafoy hatreto. Izany no nahatonga ny bilaogyPOUMISTA hanontany hoe “Ny fifandonana ao Syria ve no ady an-trano Espaniola vaovao?

[..] Barry Rubin no mpanadihady farany nihevitra an'i Syria ho ny ady an-trano Espaniola amin'izao vanim-potoanantsika izao, filazana izay toherin'i Daniel Larison avy amin'ny elatra havanana. Efa tany amin'ny Martsa ilay zokiolona mpanao gazety, Arnaud de Borchgrave, no naneho fomba fijery toy izany: I Syria 2011 ve mitovy amin'i Espaina 1936

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.