Alzeria: Makhloufi Mandrombaka Ny Volamena Olaimpika Voalohany Ho An'ny Arabo

Ny medaly volamena azon'i  Taoufik Makhloufi ho an'i Alzeria tamin'ny hazakazaka 1500 m lehilahy natao halina no mitondra ny medaly volamena voalohany ho an'ny tontolo Arabo ao amin'ny Lalao Olaimpika Londona 2012.

Ilay Alzeriana Imad, mipetraka ao Londona, mihoraka hoe :

@Imadou: Ny hakanton'ny Lalao Olaimpika : ankizy mahantra iray avy any Souk Ahras no nahavita izany tao Londona ary nahazo ny Volamena. #Makhloufi #Algeria

Bayan manampy hoe :

@ThatAlgerian: Tena mirehareha amin'ny fireneko tamin'ny nahazoana ny volamena voalohany ho an'ny tontolo Arabo tamin'ity taona ity

Ary manazava i Mourad Yahiaoui :

@mourad_ty: Firenena manontolo misy mponina 36 tapitrisa mihoraka noho ny medaly volamena iray azo izahay haha saingy izay no maha-Alzeriana anay #Makhloufi #OlympicChampion (TompondakaOlaimpika)

Ilay fandresena koa no medaly volamena voalohany ho an'ny tontolo Arabo amin'ireo Lalao Olaimpika. Mampahatsiahy antsika i Zaid Souqi :

@ZaidSouqi: Medaly #Gold (volamena) #Arab voalohany azon'i  Taoufik Makhloufi avy any #Algeria tamin'ny 1500m #Olympics

Ilay Frantsay mpanao gazety, Nabila Ramdani, izay manam-piaviana Alzeriana, dia gaga sy nihanahana tamin'ny tatitra hafahafa tsy mankaiza azon'i Makhloufi. Hoy izy :

@NabilaRamdani: Tatitra malazolazo nataon'ny  @BBC momba ny hazakazaka tsy nampino vitan'i #Makhloufi. Be loatra ny teny hoe ‘azo iadian-kevitra’ & ‘Ahoana no nahavitany an'izao?’ #NastyInnuendos

Miaiky ilay mpanao gazetin'ny Daily Express, Mark Reynolds. Mibitsika izy :


@MarkReynolds007
: Satria tsy nahitana taratra fanafody mihitsy i #Makhloufi nandritra ny fitiliana, midika zavatra milay izany ho an'ny fanambaràna feno hevitra ambadiky ny  BBC momba iny hazakazaka tsy nampino iny. #1500

Ary Imad miteny amintsika ny anton'ny nahatonga ny tatitra toy izany handoto ilay fandresena. Manoratra izy:

@Imadou: Tena nanilba azy iny ho antsika ireo mpitantara tamin'ny  TV Frantsay sy Anglisy manao sarin-teny momba ny resaka fanafody mampatanjaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.