Jordania: “Rehefa Nitsiky i Monaliza ” Dingana Iray Mankamin'ny Sarimihetsika Erantany

Vao haingana ireo mpamokatra ny sarimihetsika “Rehefa Nitsiky i Monaliza” dia nizara ho an'ny daholobe ny traikefan-dry zareo tao anaty fijerena sarimihetsika iray manokana tany Amman, renivohitra Jordaniana. Ilay sarimihetsika mahatsikaiky dia mitantara ny tantaram-pitiavana nisy teo amin'i Monaliza, tovovavy tanora Jordaniana, sy Hamdi, Ejiptiana miasa ho fanirakiraka. Izy io dia nalefa nifanindran-dàlana amin'ireo tantara hafa ahitàna ny sokajim-piarahamonina maro karazana ao Amman izay tsy mbola naseho mihitsy tanàty sarimihetsika Jordaniana.

Ao amin'ny tranonkala 7iber, ilay Jordaniana bilaogera, Nasseem Tarawnah, dia maneho ny fandalàny an'ilay sarimihetsika:

Tsy hoe nandeha lavitra loatra, ilay sarimihetsika dia milaza ny tantaran'ny tovovavy Jordaniana iray antsoina hoe Monaliza izay latsa-pitiavana taminà Ejiptiana iray mpiasa birao, Hamdi. Saingy mety ho hadisoana ny handefa azy io ho toy ny tantaram-pitiavana iray ihany anatin'ny maro, satria ao ambadik'ireo sokajy ireo dia vehivavy iray miady ho afaka amin'ny tsindrim-piarahamonina, hahazo fizakantena, hiala amin'ny fahantrana tsy miroso tsy mihemotra, ary hahita ny karazam-pahasambarana izay any am-parany hitondra tsiky ho an'ny endriny efa zatra ny natoky.

لما ضحكت الموناليزا

Rehefa Mitsiky i Monaliza – dika avy amin'ilay sarimihetsika

Fadi Zaghmout koa dia naneho hevitra momba ilay sarimihetsika ao amin'ny bilaoginy ” The Arab Observer”:

Ilay sarimehetsika izay natao handonana ireo trano fandefasana any an-toerana dia dingana iray hafa manasongadina ny fifohazan'ny nofinofy iray hamorona indostrian'ny sarimihetsika ao Jordania. Ny indostrian'ny sarimihetsika izay mbola ao anatin'ny fahazazany dia tsy manana raikipohy efa nipetraka mialoha, na vina, na tantaram-pahombiazana tany aloha mba ho fakàn-tàhaka. Ny hany ananany dia Jordaniana tanora vitsivitsy tsara ofana sy manana talenta izay manana ny fahasahiana ilaina hanatanterahana ny fanamby ho enti-manao ny àndrany manokana sy manoratra ny anarany amin'ny vato ho an'ireo taranaka mandimby ho avy.

Etsy ankilany, i Naser dia miatrika ny sarimihetsika aminà zoro hafa.  “Rehefa Nitsiky i Monaliza Ary Nikiaka i Nayfe” no anarana nomeny ny bilaoginy. Manoratra izy:

سمحوا لي أن أأجل الحديث عن موناليزا وضحكتها قليلاً وأبدأ بنايفة. نايفة، هي الشخصية المزعجة، الدفشة، اللئيمة، الجبارة في فيلم “لمّا ضحكت موناليزا” […] أشكر صانعي الفيلم، وتحديداً فادي، لكتابة أدوار صادقة، وبالأخص، لإعطاء ممثلتين كبيرتين مثل نادرة عمران وهيفاء الآغا أدواراً معقدة يستطعن من خلالها إظهار معدنهنّ المبدع، بعيداً عن ما تعوّدنا أن نراه من إنتاجنا الأردني. بالنسبة لي، ما أظهرتاه على الشاشة هو تكريم لموهبتيهما، تفوق بكثير التكريمات الرسمية الشكلية.
Mamelà ahy hanemotra kely ny fifanakalozan-dresaka momba an'i Monaliza sy ny tsikiny ka hanomboka iray iarahana amin'i Nayfe. Ilay mpilalao manirikiry, ilay mahery setra, masiaka, be dehaka ao anatin'ilay sarimihetsika “Rahefa Nitsiky i Monaliza” […] Nisaorako ireo mpamokatra ilay sarimihetsika, indrindra fa i Fady tamin'ny nanoratany toetranà mpilalao mendrika, indrindra fa ny nanomezany mpisehatra roa goavana toa an'i Nadra Omran sy Hayda el Agha ny andraikitra hilalao sarotra izay hahafahan-dry zareo mampiseho amin'ny alàlan'ny tenany ny toetra mahay mamorona ao anatiny izay samihafa amin'ny efa mahazatra antsika fahita amin'ny asa famokarana Jordaniana. Ho ahy, izay nasehon-dry zareo teny amin'ny fàfana dia fanomezam-boninahitra ny taletany izay làlana manana ny lanjany betsaka noho izay voninahitra ofisialy efa fahita.

Ao amin'ny Twitter, Nadia Eleiwat, ilay mpamokatra izay namokatra ny sarimihetsika tamin'izay teo am-pela-tànany, dia niteny hoe :

@‬NadiaEliewat:عندما ابتسم الحب بوجه موناليزا ضحكت موناليزا. هل ستقوم بمشاهدته؟#JO.
Rehefa nitsiky tamin'i Monaliza ny fitiavana, nitsiky i Monaliza, hijery izany ve ianao?

Mankasitraka ny mozika lafiky ny sarimihetsika i Ola Eliwat :

@ola_eliwat: Ary izany eo ihany, tsy mampino ny mozika!

Feno fankasitrahana ihany koa i Hazem Zuraikat :

@hazem: فيلم “لمّا ضحكت موناليزا” جهد عظيم وإنجاز أردني يستحق كل الدعم. تحية لفريق العمل وكل من ساهم في إنجاحه.
“Rehefa Nitsiky i Monaliza” dia ezaka goavana sy fahantanterahana vitan'ny Jordaniana izay mendrika ny fanohanana rehetra. Mipoa-tsatroka ny asan-tarika sy ny tsirairay nandray anjara tamin'izy io aho.

Reem al Masri koa mizara ity fomba fijery ity :

‪@‬reemalmasri: Teeeeeena MIREHAHREHA manana ny “Rehefa Nitsiky i Monaliza”  hitondràna ny famokarana sarimihetsika ho amin'ny #JO amin'ny dingana hafa. Tsy andry ny hahita azy io any amin'ny efitrano fandefasana sarimihetsika.

Mba hahalalanao misimisy kokoa momba ilay sarimihetsika dia azonao atao ny manaraka ny vaovao mikasika azy ao amin'ny Facebook na Twitter ary eto ny fampilendalendana mba ho andran-tsira amin'izay azon'ilay sarimihetsika atolotra :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.