“Aza Matahotra Ny Aterineto”: Sary Iray NataoTamin'ny Solosaina

Fanamarihana: ny lahatsoratra [es] tena izy dia navoakan'ny Derechos Digitales amin'ny teny Espaniola, ary nadikan'i Silvia Viñas.

Efa nasehonay anao ny nahaverezan'ny Aterineto ny lanjany rehefa tsy misy fahalalahana miteny; sy ny fitakian'io zo io zavatra tsotra tahaka ny fisafidianana anaran-tsehatra.

Eny tokoa, indrindray isika dia tsy tonga saina amin'ny fahalalahana miteny ao anaty Aterineto, raisintsika ho zavatra efa azo ho azy izany. Na izany aza anefa, maro amin'ireo zavatra fanaontsika ao anaty aterineto amin'ny andavanandro no miankina amin'io zo io, ary raha tsy misy ny fahalalahana miteny, mety ho voasakantsakana noho ny antony maro ireo fampiharana ireo: manomboka amin'ny fanivanan'ny mpitandro filaminana sy ny fandrahonana any amin'ny firenena sasany; ka hatramin'ny fihoaram-pefy amin'ny fanenjehana fanamelohana sy noho ny zon'ny mpamorona any Shily.

Izao dia atolotray ny sary iray vaovao vita tamin'ny solosaina avy ao amin'ny fanentananay #NoTemasaInternet [es] (Aza Matahotra Ny Aterineto) izay tianay hanehoana, amin'ny fomba tsotra sy manabe, ireo zavatra vitsivitsy azonao atao ao anaty Aterineto noho ny zonao amin'ny fahalalahana miteny.

Tsidiho ny Tumblr-anay [es] ary jereo amin'ny antsipirihany kokoa ity sary natao tamin'ny solosaina ity. Jereo eto ambany ny  dikanteny amin'ny teny Anglisy:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.