Bangladesh, Etazonia : Hazakazaka Am-bisikileta 5000 Kilometatra Ho Fanairana Amin'ny Fiovaovan'ny Toetrandro

Ho an'ny olona maro, ny  resaka fiovaovan'ny toetr'andro dia fiahiahiana mihamitombo satria izy ireo dia tsy voakasika mivantana amin'izany.  Na dia izany aza miha matahotra ny mponina ao  Bangladesh nohon'ny vokatra ratsy ateraky ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina sy ny fiovaovan'ny toetrandro. Etazonia no mpanjifa betsaka indrindra ny zavatra vita amin'ny plastika ary isan'ny mpividy rano anaty tavoahangy betsaka indrindra. Isan-taona, ny Amerikana dia manary tavoahangy plastika  28 tapitrisa eo ho eo.

Muntasir Mamun sy Mohammad Ashrafuzzaman Ujjal, mafàna fo roa avy ao Bangladesh dia mitaingina bisikileta izay voizin'olon-droa amin'ity lohataona ity mba hanangona sy handrefy ny habetsaky ny plastika  sy ny fako hafa ho hitan'izy ireo mandritra ilay dia lavitr'ezaka 5000 kilaometatra ataon'izy ireo miainga ao Seattle mankany  New York.

Ashrafuzzaman Ujjal sy Muntasir Mamun miaraka amin'ny bisikileta voizin'olondroa an'izy ireo tao Etazonia. Sary courtesy Trashmaniac.com

Rayhan Rashid manolotra azy ireo [bn] sy ny ezaka ataon'izy ireo tao amin'ny bilaogy Nirmaan :

জলবায়ুর পরিবর্তনজনিত সংকটের দেশ বাংলাদেশের দুই তরুণ মুনতাসির মামুন এবং আশরাফুজ্জামান উজ্জ্বল। ওরা সুদূর আমেরিকার এ প্রান্ত থেকে ও প্রান্ত পর্যন্ত সাইকেলে ছুটে চলেছে। পথের মধ্যে যেখানেই পাচ্ছে ওরা খুঁজে নিচ্ছে এবং মোবাইল ফোনে রেকর্ডভুক্ত করছে ফেলে দেয়া বোতল থেকে শুরু করে পানীয়ের ছুঁড়ে দেয়া ক্যান আর এ জাতীয় যাবতীয় আবর্জনা। প্রখর রোদে মরুভূমির বুক চিরে পথ অতিক্রমণের কষ্ট, যাত্রাপথের অর্থকষ্ট, আহারের কষ্ট, পানীয়ের কষ্ট, আশ্রয়ের কষ্ট – এই সব কিছুকে বৃদ্ধাঙ্গুলী দেখিয়ে ওদের এই পথ চলার উদ্দেশ্য হল বঙ্গোপসাগরের তীরবর্তী এককালের এক সবুজ ব-দ্বীপের মানুষদের পক্ষ থেকে সহজ কিন্তু দৃঢ় একটি বার্তা বয়ে নিয়ে যাওয়া।

Bangladesh dia firenena voakasika be amin'ny loza ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro. Tanora roalahy avy amin'io faritra Aziatika io no mitaingina bisikileta voizin'olon-droa avy any amin'ny tendro iray ao Etazonia mankany amin'ny ilany. Manangona fako toy ny tavoahangy sy kapoaka avy nampiasaina eny amin'ny lalany eny izy ireo ary manangona izany anaty findainy. Miaritra ny fijaliana amin'ny fitondrana bisikileta mamakivaky tany hay izy ireo, ny tsy fahampiam-bola, mitaintaina hatrany ny amin'ny ahitàna sakafo sy trano hialofana . Manao izay hiatrehana izany sakana rehetra  izany mba hitondrana hafatra tsotra nefa mafonja eo amin'ny toeran'ireo mponina avy amin'ny vinanihefaka maitso iray any akaikin'ny  lakandranon'i Bengal.

http://www.trashmaniac.com/

জলবায়ু অবনতির জন্য উন্নত বিশ্বের যে দেশগুলোর কনজিউমারিজম এবং অপচয় দায়ী তার মধ্যে মার্কিন যুক্তরাষ্ট্র অন্যতম, তাই সেই দেশের সাধারণ মানুষদেরই ওরা বেছে নিয়েছে এই গুরুত্বপূর্ণ বার্তাটির প্রাপক হিসেবে। যাতে তারা আরও সচেতন হতে পারেন নিজেদের জীবনযাপনে অপচয়গুলোর ব্যাপারে, এবং সেইসাথে অনুধাবন করতে পারেন পৃথিবীর এক প্রান্তের মানুষের চিন্তাহীন অপচয়ী জীবনধারার মূল্য পৃথিবীর অন্য প্রান্তের মানুষদেরও কখনো কখনো দিতে হয় জলবায়ুর অমোঘ এবং অন্ধ বিচারে। অথচ পৃথিবীটা ছিল আমাদের সবারই, এর ওপর অধিকার কারো থেকে কারও কম ছিল না কোনো অংশে!

Ny fanjifàna sy ny fako ataon'ireo firenena mandroso ireo no isan'ny antony mahatonga ny fiovaovan'ny toetrandro  ary i Etazonia dia iray amin'ireo firenena tompon'andraikitra amin'izany. Nosafidian'izy ireo ny mponina ao Etazonia mba hiantefan'ny hafatr'izy ireo mba ho tonga saina ireo mponina ireo ny amin'ny fomba fiainan-dry zareo miteraka loto. Ary koa ny hahatongavan'ireo mponina saina hoe mety hitarika loza ho an'ny mponina any amin'ny firenena hafa anie ny fomba fiaina feno fakon'izy ireo satria mizaka ny fiovaovan'ny toetr'andro izy ireny. Antsika rehetra ity planeta ity, manana zo mitovy ny olon-drehetra eto, izay no toa adinontsika.

Muntasir dia namorona “Application Android”  iray manisa ny plastika izay hitan'ny maso. Ny rakitra rehetra dia akarina tsy miato ho ao amin'ilay  vohikala antsoina hoe www.trashmaniac.com izay azon'ny olona ijerena ny fandrosoan'izy ireo.

Ashrafuzzaman Uzzal. Eo ambony bisikileta. Sary nampindramin'ny Trashmaniac.com

Muntasir & Ujjal koa dia mampakatra fanavaozam-baovao ao amin'ny bilaogy misy ny Diany (amin'ny fiteny Bengali). Indreto misy teny vitsy avy ao amin'ny bilaogin'i Muntasir Mamun :

ট্র্যাশম্যানিয়াক রাইড চলছে ভালোই, দ্রুততম ৮৭ মাইল ছিলো এটা এবং দুপুর ১২.০০ টার পর বেশ গরম পরেছিলো। কিছুক্ষন অপেক্ষা করে আবারো এগিয়ে চলেছি যদিও আরো অনেকটা পথ পাড়ি দিতে হবে। ইন্ডিয়ানা আমার কলেজের ফাদার পিক্সিটো এর কথা মনে করিয়ে দিচ্ছে, তিনি এখানকারই ছিলেন। রাস্তা বেশ সমতল, অপেক্ষায় আছি গরম কমার, যেনো একদিনে আরো বেশী পথ পাড়ি দিতে পারি ——- ক্রফোর্ডসভ্যালি, ইন্ডিয়ানা। (৬ই আগষ্ট, ২০১২)

Mandeha tsara ilay Dia “Trashmaniac”. Io no 87 kilometatra haingam-pandeha indrindra ary taorian'ny 12:00 antoandro dia somary nafanafana ihany. Naka aina kely izahay nefa tsy maintsy nandroso ihany avy eo satria mbola lavitra ny làlana haleha. Mampahatsiahy ahy an'i Pixito i Indiana, rain'ilay kolejiko, avy eto no fiaviany. Mahitsy be ny lalana, eo ampiandrasana ny maripàna hilatsaka mba ahafahanay manohy andro iray hafa indray …. Crawfords Valley, Indiana. (6 Aogositra, 2012)

ইলিনইস এর রাস্তাগুলো আমাকে প্রতিনিয়ত বাংলাদেশের কথা মনে করিয়ে দিচ্ছে, রাস্তার ধারে দাড়িয়ে থাকা গরুগুলো, গাছের ছায়া এবং মানুষের বন্ধুত্বপূর্ণ আচরন সবই দেশকে মনে করানোর প্রচেষ্টায় রত। যত তাড়াতাড়ি সম্ভব দেশে যেতে চাই।—– নর্মাল, ইলিনইস (১লা আগষ্ট, ২০১২)

Mampahatsiahy ahy an'i  Bangladesh foana ilay lalam-be ao Illinois. Ireo omby eny amin'ny sisin-dalana, ireo alok'ireo ala sy ny mponina sariaka, izany rehetra izany mampahatsiahy ahy ny any an-tanàna. Te hody faran'izay haingana indrindra azo atao aho. …. Normal, Illinois. (1 Aogositra, 2012)

Mpikarakara vahiny avy any ivelany . Sary nampindramin'i Muntasir Mamun

 

যখন একজন গোড়া খ্রিষ্টান মহিলা মাতৃসম স্নেহে আপনার নিরাপত্তার জন্য ইশ্বরের কাছে প্রার্থনা করেন তখন আমি আসলে জানিনা ইশ্বর আর কি চাইতে পারেন আমাদের যাত্রা শুভ করার জন্য। এছাড়াও আমাদের জন্য তিনি স্যান্ডউইচ এবং বড় প্যানকেক দিয়ে করা ব্রেকফাস্ট মনে থাকবে অনেকদিন। .. ক্লিনটন ইলিনইস (২৯ জুলাই, ২০১২)

Rehefa nivavaka tamin'Andriamanitra ho anay miaraka amin'ny fitiavan-dreny ilay  vehivavy lehibe iray kristiana , dia tsy haiko hoe inona ankoatra izany  intsony no ilain'Andriamanitra mba hiarovana ny dianay . Fanampin'izany, tsy ho hadinonay mihitsy ny sandwiches sy ny  pancakes isa-maraina. … Clinton, Illinois (29 Jolay, 2012)

Nampakatra sary ihany koa izy tao amin'ny bilaoginy, Facebook sy tao amin'ny Flickr.

Patrick Runkel tao amin'ny bilaogy Minitab dia niainga avy tamin'izay nataon'ny  ekipa Trashmaniac . Miaiky izy fa ny zavatra tsotra toy ny fisorohana ny fampiasana harona plastika sy ny fisafidianana vokatra tsy ilàna afa-tsy famonosana kely dia afaka mitondra fahasamihafana betsaka tokoa. Patrick dia manoratra hoe :

Mila miaraka mitaingina bisikileta isika rehetra— iray namboarina ho anà mponina 9 miliara.

Araho ny ekipa Trashmaniac ao amin'ny  Facebook, YouTube ary Twitter.

Fampindràmana sary:   Muntasir Mamun sy Trashmaniac.com

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.