Tetikasa “Namana ao Januária” ao Brezila : Fanadihadiana Momba ny Fahasalamam-bahoaka Sy Ny Fiarovana

Manohy ny asany amin’ny fanaraha-maso ireo ekipa monisipaly ao amin’ny tanànan’i Januària, ao amin’ny faritra Minas Grais ao Brezily ireo mpandray anjara amin’ny tetikasa fanaovan-gazety  an’olo-tsotra Amigos de Januária. Ity tetikasa izay  tohanan’ny Rising Voices  ity dia manome fiofanana ho an’ireo tanora, fiofanana maharitra fito herinandro izay mikasika ny asa fanaovan-gazety sy ny fampiasana ireo tahiry mikasika ny asan’ny governemanta ; ny tanjona amin’izany dia ny  hanatsarana ny fitantanana ny tanàna.

Noho ireo kolikoly manafintohina tato ho ato, nanomboka nanara-maso akaiky ny asa ataon’ireo ekipa monisipaly ireo tanora mpandray  anjara mba hanatsarana ny fahatsiarovan-tena sy  hanentanana ireo manampahefana mba handray andraikitra [Manampahefana: Voafidy]. Mitantara mikasika ny olana momba fahasalamam-bahoaka sy ny fandriampahalemana ao Januaria ny lahatsoratra vao haingana nalefa tao amin’ny bilaogin’ny tetikasa. Tamin’ny  18 jiona, Loreci Farias,  mpampiofana ohatra nilaza momba ny toerana fakàna hevitra vonjimaika mampitaraina  ireo marary, ao amin’ny distrikan’i Joaquim. Hoy izy nanoratra :

Você já se consultou em uma cela de presídio? É isso mesmo, em São Joaquim os pacientes estão sendo atendidos em uma cela do prédio construído para sediar o Posto Policial do Distrito supracitado. Como o prédio da Unidade Básica de Saúde está caindo aos pedaços e para prevenir possíveis acidentes, o médico optou por mudar o atendimento para o prédio do Posto Policial.

Efa naka hevitra tao anatin’ny efitry ny fonja ve ianao ? Toy izany mihitsy ny ao São Joaquim, ao anaty efitranokely no raisina ireo marary  izay efitra tokony iasan’ny polisin’ny distrika. Satria efa rava ny tranobe fandraisana marary, ka mba hisorohana ny loza ho avy, dia nifindra tao amin’ny tranokely biraon’ny polisy ny dokotera ary ao izy no mandray olona.

Sarin'ilay toeram-pitsaboana vonjimaika, tao amin'ny bilaogin'ny Amigos de Januária, Creative Commons.

Nafindra tamin’izany biraon’ny polisy somary lavidavitra izany ny trano fandraisana marary, telo taona lasa izay, ary hatramin’izao, tsy mbola nandray fanapaha-kevitra mihitsy ny kaominina hamahàna ny olana. Fanampin’izany,  nisy ny olana tamin’ny famindrana ny toeram-pitsaboana: tsy ampy intsony ny polisy tokony hiasa sy hanokatra birao iasàna. Nilaza ihany koa izy fa “nanjary ratsy dia ratsy ny fandriampahalemana ao an-toerana, ary  mihamitombo ny jiolahim-boto  sy ny fidorohana zava-mahadomelina.”

Tamin’ny  27  jiona, kaonty tsy fantatra anarana Mídia Cidadã [Fampahalalam-baovao an’olo-tsotra] nanoratra  lahatsoratra momba ny fanavaozana ilay toeram-piasana  Farmácia Popular (fivarotam-panafody malaza) ao an-tanàna, izay vatsian’ny fandaharan’asa federaly vola 66 000 réais (eo amin’ny 26 000 Euros eo). Nalainy sary 60 andro mialoha ny  namoahana azy tao amin’ny bilaoginy  ilay toeram-piasana, tsy misy fandrosoany mihitsy anefa ny asa fanavaozana hatramin’izao :

Por que as obras não estão em andamento? E se a reforma já foi concluída, por que o prédio não está sendo utilizado?
[…]
A expansão do Programa visa oferecer alternativas de acesso à assistência farmacêutica, com vistas à promoção da integralidade do atendimento à saúde.

Nahoana no tsy mandroso ny asa fanavaozana ilay toeram-piasana? Ary raha ohatra ka efa vita ny asa, nahoana no mbola tsy ampiasaina foana ny trano ?
[…]
Mikendry ny hanome vahaolana hafa amin’ny fanampiana ara-panafody ny fampandrosoana ny fandaharan’asa, mba hiantohana ny fahafahana mahazo fitsaboana araka izay ilaina.

Sarin'ilay fivarotam-panafody Farmácia Popular, tao amin'ny bilaogin'ny Amigos de Januária, Creative Commons.

 

Sombina arabe ao amin'ny lalam-pirenena BR 479, mankany Serra das Araras,  1 km miala eo amin'ny distrikan'i São Joaquim. Sary nivoaka tao amin'ny bilaogin'ny Amigos de Januária, Creative Commons.

Eo anoloan’ny tranobe, misy afisy ahitana soratra momba ny tompon’andraikitra misahana ny asa fanaovazana, ny vidiny sy ny faharetany 120 andro, saingy tsy hita amin’ilay afisy kosa ny daty izay tsy maintsy tokony napetraka tamin’ny fiandohan’ny asa.

Sahirana ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Amigos de Januária amin’ny fomba fitantanan’ny mponina ny fakony sy ny aretina mety aterak’izany. Nilaza i Farias fa fanariam-pako kely feno be  eo akaiky ny  tanàna kely no ampiasaina, akaikin’ny lalampirenena. Niresaka tamin’ny mponina iray ao an-toerana izy izay nilaza hoe:

É muito comum a gente matar cobras e ratos aqui por causa desse lixo ai, junta ratos dai vem as cobras por causa dos ratos.

Efa mahazatra ny mamono bibilava sy voalavo eto amin’ny tanàna, noho ity fanariam-pako ity, tamàna ny voalavo eto dia tonga ho azy ny bibilava avy eo noho ny fisian’ireo voalavo ireo.

Mivelona amin'ireto fako ireto ny biby fiompy. Sary nivoaka tao amin'ny bilaogin'ny Amigos de Januária, Creative Commons.

Nanamarika ihany koa i Farias fa sady « toeram-piantsenana » eo amin’ilay fanariam-pako, ary ahitana karazam-biby. Hoy izy naneho hevitra:

[…] quem garante que estes bovinos não estão contaminados por alguma doença e ainda se você mesmo não já comeu carne de bovinos dos quais se alimentam daquele lixo.
[…]
Vamos ver quais providências serão tomadas pela adimistração municipal sobre determinado assunto ja que estamos em ano político [em referência às eleições municipais de outubro].

[…] iza no manome antoka antsika fa tsy misy aretina ireo omby amidy ao an-tsena ireo, na dia efa nihinana izany omby mivelona amin’io fanariam-pako io aza ianao ?
[…]
Ho hitantsika eo ny vahaolana horaisin’ny tompon’andraikitry ny kaominina manoloana izao olana izao indrindra amin’izao fahatongavan’ny fotoam-pifidianana izao [amin’ny volana oktobra hoavy izao no hotontosaina ny fifidianana  monisipaly].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.