Oganda : Fandravàna Ny Fahazarana Mangina Manoloana Ny Zo Ara-pahasalamana?

Tokony ho maimai-poana ny fitsaboana ao Ogandà. Kanefa tratran'ny krizim-panafody goavana sy tsy fahampian'ny mpitsabo ny toeram-pitsaboana an'ny fanjakana.

Navoaka taminà tranonkala ny lahatsary iray novokarin'ny fikambanana iraisam-pirenena mpanao asa soa, Results for Development (Vokatra ho an'ny fampandrosoana) mba hanentanana ireo Ogandey handrava ny lalàn'ny fahanginana sy hitaky ny zony ara-pahasalamana, marihina fa  ny famahana ny olana goavana mifandraika amin'ny fampandrosoana no tanjon'ny fikambanana.

Oscar Abello nampahafantatra ilay horonantsary :

Nisy ny ezaka lehibe vitan'i Ogandà tamin'ny fanamafisana ny rafi-panjakana momba ny fizarana fanafody  tao anatin'izay taona vitsy lasa izay  – nisy ny tahirim-panafody ary ampy ny mpiasa teny amin'ny toera-pitsinjarana -saingy tsy naharaka ny fandrosoana kosa ny teo amin'ny sehatry ny fampitaovana. Marobe ireo toera-pitsaboana tsy ahitana fanafody intsony telo volana aorian'ny famatsiana, kanefa mbola feno fanafody marobe ny foiben'ny trano fitehirizana.

Tsy zava-baovao ho an'ireo mponina mahantra ao Ogandà ny olana momba ny famatsiana fanafody, maro amin'ireo mponina ireo no mitoka-monina any ambanivohitra lavitra. Na dia izany aza, ampandrenisana amin'ny alalan'ny fitaova-pandrenesam-baovao samihafa ireo mpiasa-panjakana afaka mamaha izany olana izany.

Amin'io lahatsary io, Dennis Kibira, mpanorohevitra momba ny fanafody ao amin'ny HEPS Uganda, fikambanana mpanjifa eo amin'ny tontolon'ny fahasalamana izay mikendry ny hampiroborobo ny fahazoana fanafody eny ifotony ao Ogandà, nilaza fa :

Te hahita firenena tsy  hanjakan'ny fahafatesan'ny mponina noho ny tsy fahazoana fitsaboana araka izay tadiaviny aho.

Des patients sur le sol de l’hôpital Mulago, l’hôpital central national. Photo : avec la permission de  williamkituuka.blogspot.com

Marary ao amin'ny gorodon'ny hopitaly Mulago, hopitalim-panjakana lehibe. Nahazoan-dalana ny famoahana ny sarin'ny  williamkituuka.blogspot.com

Rosette Mutambi, mpamorona sy mpitantana ny fikambanana HEPS Ogandà nilaza tao amin'ny lahatsary fa tokony ho maimai-poana ny fitsaboana ao Ogandà, saingy tsy izany intsony no zava-misy ankehitriny. Nanambara ihany koa izy fa tsy araka ny tokony ho izy intsony ny fampandehanana ny toera-pitsaboana satria be loatra ny mpiasa.

Mijaly noho ny fahatapahan-jiro ihany koa i Ogandà izay misy fiantraikany ratsy ao amin'ireo toeram-pitsaboana tsy manana fitaovana fiarovana toy ny fitaovana fampagantsiahana satria maro amin'ireo fanafody no mila fampangatsiahana.

Araka ny  nambaran'i Moses Kamabare, talè jeneralin'ny National Medical Stores (Toeram-pivarotam-Panafody Nasionaly), fikambanana  miandraikitra ny fitehirizana sy famatsiana fanafody eny amin'ireo toeram-pitsaboana, isaky ny roa volana no misy ny famatsiana manerana ny distrika. Saingy nilaza kosa ny mpiasa iray aminà toeram-pitsaboana fa indray mandeha isaky ny telo volana ihany no mahazo fanafody izy ireo.

Feno fanafody foana ny toeram-pivarotana fanafody ogandey, kanefa tsy ampy fanafody ny eny amin'ny toeram-pitsaboana. Voatery mandeha tongotra maherin'ny 10 kimetatra ny olona sasany mba hitady fanafody fotsiny, rehefa tonga ao amin'ilay fivarotam-panafody anefa izy ireo dia lazaina fa lany ny fanafody. Mampamoy fo ireo mponina marobe ny  toe-javatra tahaka izany ka mahatonga azy ireo tsy hitsabo tena intsony eny amin'ny  toeram-pitsaboana.

Maro ny ezaka sy fanatsarana tokony atao eo amin'ny sehatry ny fahasalamana ao Ogandà: toy ny famatsiana fanafody haingana sy matetika, fampitomboana ny famatsiam-bola, fanamboarana toeram-pitsaboana, karama mahafa-po ho an'ny mpitsabo, ary famatsiana fitaovana ho an'ny toeram-pitsaboana.

Fanamby hatrehina ihany koa ny olana amin'ny tsy fahampian'ny mpitsabo. Maro amin'ireo mpitsabo no mangalatra fanafody mba ampiasainy amin'ny toeram-pitsaboana manokana.

Ny tena fanontaniana lehibe mipetraka ankehitriny dia hoe: handresy lahatra ireo Ogandey hiala amin'ny fahanginany ve ity lahatsary ity?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.