Okraina, Rosia: Resabe Momba Ny Toerana Nahaterahan'Ireo Mpifaninana Amin'ny Lalao Olaimpika

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Lalao Olaimpika 2012 ao Londona ity lahatsoratra ity.

FARITR'I LVOV(RUS), FARITR'I ZHITOMIR (RUS), FARITR'I UKRAINE (UKR), FARITR'I UKRAINA (RUS): nampiasaina tao anatin'ny vohikala ofisialin'ny Lalao Olaimpika 2012 ireo anaran-toerana hafahafa ireo ny herinandro lasa teo, hamaritana ny toerana nahaterahan'ireo mpifaninana am-polony fara-fahakeliny  teraka tao Okraina ary misolo tena ny Federation Rosiana (oh., mpilalao volleyball Taras Khtey, mpanao judo Vera Moskalyuk, mpanao gymnastique rythmique Karolina Sevastyanova, mpivohy lakana Alexey Korovashkov).

Nisy ireo olana ireo noho ny baranahiny nataon'ireo manampahefana mpitantana ny Kaomitin'ny Lalao Olaimpika Rosiana nameno ny taratasy firaketana ny mombamomba ireo mpifaninana sy nanome ireo famantarana ireo ho an'ireo mpikarakara ny hetsika. Mpikambana maro anaty ekipa Rosiana, teraka tany Kôkazy sy Azia Afovoany no nifangoaro ihany koa ny toerana nahaterahany.

Maro ny mpampiasa aterineto any Okraina no nahta ireo tsy fahatomombonana ireo ho nanafintohina sy efa mahazatra, na izany aza – karazana fisolifatra “Freudienne” taorian'ny vanim-potoan'ny amperora, fitaratr'izay  heverina ho fihetsika manjakazaka  asehon'i Rosia manoloana ireo mpifanolo-bodirindrina aminy.

Nisy fanoherana iray natomboka [uk, en] tao anaty aterineto ho setrin'izay:

Tao anatin'ny vohikala ofisialin'ny Lalao Olaimpika 2012, lasa ampahany iray amin'i Rosia i Okraina […]

Manolotra hevitra aho ny hanoratana taratasy maneho hatezerana ho an'ny Kaomitin'ny Lalao Olaimpika Rosiana (pr@olympic.ru) sy ireo mpikarakara ny Lalao Olaimpika any Londona (complaints@enquiries.london2012.com). Misy karazana taratasy [amin'ny teny Anglisy] eto ambany.

[…]

Ry Kaomity (Londona2012/Olaimpika),

Manoratra ity taratasy ity aho hanehoako ny faharikorikoako tanteraka manoloana ny hadisoanareo momba ny toerana nahaterahan'ireo mpifaninana rosiana. Ity, ohatra, araka ny voasoratra ao amin'ny vohikala London 2012, teraka tany amin'ny faritr'i Okraina (RUS) i Korovashov http://www.london2012.com/athlete/korovashkov-alexey-1010562/ ary i Khtey kosa teraka tany amin'ny faritr'i Lvov (rus) http://www.london2012.com/athlete/khtey-taras-1013482/

Fantatra tsara fa firenena iray mahaleontena i Okraina fa tsy ampahany amin'ny federasiona rosiana, ary i Lvov (Lviv no tena marina) dia toerana any Okraina (ary iray amin'ireo tanàna efatra nanatanterahana ny Euro 2012)!

Tena diso fanantenana tanteraka aho noho ireo ‘hadisoana’ ireo ary mangataka ny fanitsiana azy ireo izao dieny izao!

Kostyantyn Hryshchenko, Minisitry ny Raharahaham-bahiny ao Okraina, dia nadra an-tànana izany, mitatitra ireo dingana nataon'ny biraony avy amin'ny alalan'ny Twitter. Eto ambany ireo resaka [uk] nifanakalozan'i Hryshchenko sy ny gazety tao anaty aterineto Ukrainska Pravda.

@ukrpravda_news:

@Gryshchenko Kostyantyn, afaka mitondra fanehoan-kevitra amin'io ve ianao? Inona no dikan'ny “faritr'i Okraina”? Hisy ve hetsika avy amin'ny [Minisiteran'ny ny Raharaham-bahiny] ? pic.twitter.com/fZsa13P7

Sarin'ny bitsik'i Ukrainska Pravda navantana tamin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ao Okraina, manasongadina sarin'ny pejy mikasika ny mombamomban'ilay gymnaste Rosiana teraka tao Okraina ao amin'ny vohikala London 2012.

@Gryshchenko:

@ukrpravda_news tsy tokony ho eo mihitsy ny teny hoe “faritra”. Fahadisoana adaladala na dia avy amin'ny fijery ny voambolana Anglisy aza. Hijery ny nanao ireo hadisoana ireo izahay ary hilaza azy ireo hanitsy izany.

@ukrpravda_news:

@Gryshchenko Ampahafantaro ny fandehany izahay!

@Gryshchenko:

@ukrpravda_news Vao avy nangataka ny Masoivohontsika any Grande Bretagne aho hiresaka amin'ny kaomity mpikarakara ny Lalao Olaimpika, mba hanitsian'izy ireo io hadisoana io.

Amin'ny farany, voahitsy ireo hadisoana sasany (na dia somary tsy mitombona aza) – raha mbola tavela kosa ireo hafa. Ireo izay voasoratra hoe “FARITR'I LVOV (RUS)” tao amin'ny pejin'i Taras Khtey dia nivadika ho “FARITR'I LVOV ()”, ny “FARITR'I ZHITOMIR (RUS)” aan'i Vera Moskalyuk kosa ia lasa “FARITR'I ZHITOMIR ()” amin'izao fotoana izao, ary ny toerana nahaterahan'i Karolina Sevastyanova tamin'ny voalohany, “FARITR'I OKRAINA (UKR)” dia lasa “OKRAINA (UKR)”. Mbola “FARITR'I OKRAINA (RUS)” kosa ny an'i Alexey Korovashkov ao amin'ny pejy mikasika ny mombamomba azy:

Sarin'ny pejy mikasika ny mombamomba an'i Alexey Korovashkov ao amin'ny vohikala 2012.

Tsy nandalo fotsiny ilay hadisoana ary tsy azo nodian-tsy hita ny fihetseham-pon'ireo Okrainiana tao amin'ny Twitter naterany.

Nanonona an'i Sol Campbell, mpilalao baolina kitra Anglisy nisotro ronono ilay mpampiasa Twitter, @MeybeGiuliia izay, tamin'ny volana Mey, tsy nihevitra fa tsy hampidi-doza an'ireo mpankafy ny ekipa Anglisy ny ho any Okraina tamin'ny Euro 2012, , (tonga ihany anefa ireo mpankafy ary taorian'izay dia nampahafantatra an'i Campbell, avy aminà sarintsarinà hetsi-panoherana tany Donetsk, fa “diso” izy):

ATT GB Kaomity Olaimpika: Okraina – dia tsy FARITR'i Rosia, fa FIRENENA. Miangavy anareo hanontany an'i Sol Campbell.

Nanonona ilay resabe momba an'i Rosia-Okraina miaraka amin'ireo roa hafa nandritra ny Lalao Olaimpika teo aloha i Joel Draper (@DraperMovies), isan'izany ny fanafangaroana ny sainam-pirenen'i Korea Avaratra/Atsimo (eto ny lahatsoratry ny GV):

Omaly ny fanafangaroana ny sainam-pirenena no olana, androany kosa dia ny mahalasa an'i Okraina ho ‘faritr'i Rosia sy ny mpilalao Gallois iray nosoratana ho Anglisy #London2012

Nanmpiasa ny tenifototra #olympicgeography i JaWill (@lgyyjaw) tao anatin'ny famintinany ilay raharaha:

Faritr'i Rosia i Okraina #olympicgeography #London2012

Nanoratra i @Voloschka :

Mba nianatra jeografia ve ireo olona ireo? Tsy misy dikany mihitsy ny vohikala ofisialin'ny Lalao Olaimpika 2012 ao Londona. http://www.kyivpost.com/content/sport/russian-olympic-committee-annexes-ukraine-region.html …

Nanoratra ity i Jonathan Campion (‏@jonathancampion), mampifandray amin'ny pejy mikasika ny mombamomban'i Karolina Sevastyanova izay mbola tsy novaina:

Tsy nahafaly an'i Kyiv loatra izany: gymnaste Olaimpika avy any amin'ny “Faritr'i Okraina” ao anatin'ny federasiona Rosiana. http://www.london2012.com/athlete/sevastyanova-karolina-1013451/ …

Ary tahaka izany ihany koa no nataon'i Nikolaus von Twickel (‏@niktwick):

Tsy misy ady tokony hatahoran'izy ireo noho ny sportsmenka iray tsara tarehy ve [mpifaninana vehivavy]? MT @jearlemsk gymnaste Rosiana #Olympics avy any amin'ny faritr'i “Okraina” http://www.london2012.com/athlete/sevastyanova-karolina-1013451/ …

Ary i Edward Lucas, avy amin'ny The Economist (‏@edwardlucas):

Okraina dia “faritra” iray eo imason'ireo Rosiana (araka ny mombamombanà mpifaninana Olaimpika iray) http://l2012.cm/QD92zX

Ao amin'ny Facebook, namoaka sary iray avy ao amin'ny pejy mikasika ny mombamomba an'i Karolina Sevastyanova ihany koa ilay Okrainiana mpanao gazety,  Vakhtang Kipiani, miaraka amin'ireo teny fanokafana [ru] ny hiram-pirenena Sovietika:

“Firaisana tsy mety ravàna…” Dain.

Niteraka tsikera teo amin'ny 70 teo ny lahatsorat'i Kipiani; ireto ambany ireto misy vitsivitsy amin'izy ireo[uk; ru].

Yuri Beresten:

Nanomboka nanangatra ao Eoropa indray ny angatry ny Firaisana Sovietika!

Oksana Stebelska :

Tsy azo ekena tsotra izao ity…

Vlodko Tomash:

Loza… oy-oh… tsy azo ekena… raha zavatra afaka hikipiantsika maso ny [fangalaran'ireo] [mpitondra fanjakana Okrainiana] lavitrisa sy mandetika ny firenena amin'ny fahalevonana tanteraka… […]

Oleh Pastukhov:

Famadihana amin'ny fanatanjahantena tsotra izay efa tsy mahagaga ny tsirairay fotsiny ihany. […] Efa nivarotra ny tanindrazany ho anà volamena sy sakafo mandritra ny arivo taona vitsy ny vahoaka.

Victoria Veremiienko (ho famaliana an'i Oleh Pastukhov):

[…] Tsy hiantso izany ho famadihana aho – raha manome fepetra tsara hiasàna ny firenena […], nahoana no handà izany ny [mpifaninana iray]? (ary ho anà mpifaninana dia asa io). Mitovy amin'izany ihany, afaka mandray ny fandehanan'ireo Okrainiana an'arivony any ivelany hahazoam-bola ho famadihana ny olona iray.

Karolina Sevastyanova, ilay Rosiana gymnaste rhythmic teraka tany Okraina – sy ny “endrik'ity” resabe ity, dia toa tsy tonga saina amin'ny fahasarotan'ity raharaha ity. Tao anatin'ny pejiny Vkontakte [ru], nisy namany namoaka fanamarihana[ru] momba ilay hadisoana, nefa tanatin'ireo tsikera amin'ity lahatsoratra ity dia tsy nisy fanononana ilay fanentanana hanao taratasy fanoherana na ny mahavoarohirohy ny mpitondra avo Okrainiana iray. Nirary soa ho an'i Sevastyanova ireo mpankafy azy sy ireo namany, namaly azy ireo izy, ary amin'ny ankapobeny dia resaka[ru] feno finamanana sy tsy nahitàna loko politika no natao:

Zlatoslav Kalinich:

Raiso ny fiarahabanay! Tretrika i Okraina fa manana mpifaninana tahaka anao amin'izao fotoana izao)))

Maxim Sedoplatov:

Ny azo heverina kokoa, teraka tany Okraina i Karolina, ary Okrainiana, nefa mipetraka sy misolo tena an'i Rosia. Ary mety nieritreritra ireo mpikarakara fa ampahany amin'i Rosia ilay faritra nahaterahan'i Karolina (Okraina). Marina ve izany?

[…]

[Marina ny vinavinako!] Ary koa, teraka tao Kiev i Karolina! Ie, ie, tsy misy zava-mahagaga ahy intsony izao! Fantatra noho ny hatsarany foana ireo vehivavy avy ao Kiev!

Karolina Sevastyanova:

Fisaorana mitafotafo) mankasitraka tanteraka aho! Eny, teraka tany Kiev aho. Nefa hatramin'ny fahakeliko dia niaina tany Moskoa aho. Ary, araka izany, Rosia no tanindrazako)

Natasha Kosinova:

Karolina, pasipaoro inona no eo am-pelatananao? Rosiana sa Okrainiana?

Karolina Sevastyanova:

 Tsy mbola niaina tany Okraina aho! Teraka tany fotsiny. […] Rosiana ny pasipaoroko.

Ao amin'ny Twitter, izay ananan'i Sevastyanova (@Karolisha_S) mpanaraka eo amin'ny manodidina ny 850 eo, nanoratra izy:

Taorian'ny nitateran'izy ireo teny rehetra teny fa teraka tany Kiev aho, mahazo fangatahana ho mpinamana avy any amin'ireo Okrainiana manokana fotsiny aho!

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Lalao Olaimpika 2012 ao Londona ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.