Etiopia: Nalaza Vetivety Ny Hafatra Firaisan-kina Nataon'ny Kristianina ho an'ny Silamo

Raha mbola manohy fihetsiketsehana milamina entina hampitsahatra ny governemanta etiopiana amin'ny fitsabahany ny raharaham-pivavahany ireo etiopiana -silamo, nalaza vetivety kosa tany Etiopia ilay hafatra firaisan-kina avy amin'ireo kristiana mpiray tanindrazana.

Maro ireo etiopiana kristiana no nanova ny satany pejy Facebook mba haneho ny tokimpanoavany amin'ny etiopiana silamo.

Tsy misy tsara tahaka ny hafatra firaisankina nataon'i Abiye Teklemariam:

Tsy tiako rehefa  ny zoko fototra  amin'ny fivavahana no hitsahin-tongotrao. Tsy tiako ny fomba filazanao amin'ny fivavahako ao amin'ny tendako. Tsy tiako rehefa mandrahona, misambotra ary managadra ireo mpitarika ahy tsy misy antony ara-dalàna na fandehan-draharaham-pitsarana manaraka fitsipika. Tsy tiako rehefa andehandehananao ny toeram-pivavahako. Tsy tiako rehefa mampiredareda ny afon'ny ahiahy sy ny tahotra eo amin'ny kristianina sy ny silamo eto amin'ity fireneko mahafinaritra. Afaka mamitaka olona sasantsasany isan'andro ianao, ary ny vahoaka rehetra tsindraindray, fa tsy azonao fitahina amin'ny fotoana rehetra ny vahoaka manontolo. Abiye Teklemariam aho. Ary ankehitriny, SILAMO AHO!

Hafatra Firaisan-kina: [amh] Tsy ho voasaraky ny governemanta marary izahay propagandy! Saripika avy amin'ny GetyNigussie tao amin'ny Pejiny Facebook.

Jawar Mohammed nanoratra hoe:

“We have other more important issues to deal with now in Ethiopia,” “Manaja ny Kristianina rahalahintsika sy anabavintsika  ny Silamo eto Etiopia, ary manantena isika fa tsy hitondra ady maharitra eo amin'ny Silamo sy ny Kristianina ny fifandirana sy herisetra farany teo.”

Azoko ampiana fa na dia ny firariandratsin'ireo mpihatsaravelatsihy “iraisam-pirenena” sy ny fihantsiana nataon'ny mpanao jadona ratsy,isika, izay olom-pirenena eto amin'ity firenena ity dia tsy hamela mihitsy ny hisian'ny fifandirana eo amin'ny fiaraha-monina silamo sy kristianina. Indrindra moa fa manana zavatra tsara azo atao isika, toy ny manala ireo mpanao didy jadona sy amin'ny fitarihana ny firenentsika hiala amin'ny fahantrana, fa tsy ady amintsika samy isika.

Nampiditra andininy tao amin'ny Korany ao amin'ny antso firaisankina i Obang Metho

Miandrakandrana hangalatra ny Etiopia tena izy amintsika sy hampisara-bazana antsika i Meles sy ny TPLF. Ahoana no hisakanantsika azy tsy hanimba ny fianakaviantsika sy hitazomana ny taranaka hoavy amin'ny fanandevozana? Afaka mampitsahatra azy isika amin'ny fitiavana ny namantsika tahaka antsika. Azontsika atao izany amin'ny fandavana ny fankalahana, ny kolikoly, ny tsy rariny, ny fandripahan'olona, ny fimatimatesan-karena, ny lainga na ny tsy fanaovanana inona na inona. Araka ny voalaza ao amin'ny Kôrany,[2:263]”Ny teny am-pitiavana dia famelan-keloka tsara kokoa noho ny fiantràna arahin-kadisoana, ary Allah dia Mahavita tena, Hendry.”

Ao amin'ny Twitter, nanoro hevitra ny silamo mpiray tanindrazana aminy i Welansa Asrat hitozoan'izy ireo ny fihetsiketsehany. Nisioka izy hoe:

@Dr_Asrat: Ethiopia #EthioMuslims Tohizo ny fihetsiketsehana ary fantaro fa Manohana Anao ny Kristianina manerana izao Tontolo izao – Taonjatom-Pitiavana sy Fifanajana eo amintsika.

Nampiasa ny HashTracking i Mohammed Ademo mba handrefesana ny fiantraikan'ny tenifototra silamo etiopiana:

@OPride sioka tagy #EthioMuslims 323 niteraka hevitra 140000 ary nahatratra mpanaraka 50671 ao anatin'ny 24ora amin'ny alalan'ny @hashtracking

Mihoatra ny tapa-taona ankehitriny ny fihetsiketsehan'ny silamo etiopiana ary tsy mitsahatra.

Islamo no fivavahana faharoa be mpanaraka ao Etiopia aorian'ny Kristianisma. Eo amin'ny tantaran'ny Silamo sy ny fombafomba, Etiopia dia fantatra ho toy ny “Toera-pifindra-monina voalohany  na “Hijra”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.