Bahrain: Tsy Mandray Anjara Amin'ny Lalao Olaimpika

Ny zanaka lahin'i Mpanjaka ao Barhain, ny Printsy Nasser Bin Hamad Al Khalifa no mpitarika voalohany momba ny fanatanjahatena ao Bahrain; tsy nofidiana ara-demokratika fa notendrena tahaka ireo fianakaviany, izay eo amin'ny fahefana.

Nahazo laza ity tovolahy ity taorian'ny fikomiana tamin'ny 14 Febroary tamin'ny taon-dasa, raha nampijaly mafy ireo mpanao fanatanjahatena Bahrainita nanatevin-daharana ireo mpanao fihetsiketsehana nandritra ny fitokonana goavana tamin'ny fitakiana ho amin'ny fiovana tao amin'ny firenena.

Nampiasa Twitter i Nasser nandritra ny fitokonana, ary nisioka tamin'ny anarany manokana, nandrahona ny hamaly faty ireo izay manohitra ny fitondrana izy. Raha nanomboka nitaky ny fanesorana azy tsy handray anjara amin'ny Lalao Olaimpika ny hetsika, nofafany avokoa ny siokany avy eo.

66,254 no mpanaraka azy ary aotra ny tweet-ny. Nofafany avokoa ny siokany rehetra tamin'ny volana lasa teo raha natahotra ny ho voaraoka any Londra izy noho ny filazana fampijaliana nataony.

Tamin'ny volana Novambra lasa teo, namorona hetsika lehibe ny ESPN mba hijerena indray ny olana mikasika ireo mpanao fanatanjahatena nogadraina sy nampijaliana ao Bahrain. Amin'ity lahatsary ity, nilaza ireto atleta fa tsy manana anjara toerana ao amin'ny ekipany intsony izy, noho ny fanagadrana azy, sy ny fanalàna baraka azy ireo ho toy ny mpamadika, noharatsiana ny finoan'ny Shiita, ary nampijalian'ilay printsy mafy izy ireo.

Sambory ny mpampijaly

Tamin'ny fety fanokafana ny Olaimpika, nisioka ity sarin'i Nasser Bin Hamad  miaraka amin'ny minisitry ny Raharaham-bahiny ao Barhain ity ilay mpikatroka Jamila Hanan (@JamilaHanan):

@JamilaHanan: The guy front right with the red tie. VIP at the #Olympics. He's a torturer. Of athletes. Prince Nasser of #Bahrain.

Tsy tononina anarana: Ity lehilahy miaraka amin'ny kravaty mena ity. VIP ao amin'ny #Olympics. Mpampijaly olona izy. Anisan'ireo atleta. Printsy Nasser ao #Bahrain.

Naneho hevitra ny  olom-pirenena Bahrainita:

@Bahrainycitizen: Voarohirohy aminà fampijaliana ireo gadra i Nasser Bin Hamad kanefa navela hanatrika ny fety fanokafana ny  #Olympics izy

Mpisiokantserasera Kenneth Lipp nanamarika hoe:

@kennethlipp: Reko fa nanatrika ny Olaimpika ny fianakavian'ny mpanjaka ao Bahrain. Misy firenena mandroso afaka misambotra azy ireo izao dieny izao .

Mpikatroka Iraniana Khalid Ibrahim nisioka hoe:

@khalidibrahim12: Tsy misy isalasalana fa manohitra ny etika sy ny fitsipika rehetra napetraka amin'ny  #Olympics ny fanasana ilay mpampijaly olona ao #Bahrain izay nasain'ny governemantan'i #Uk.

Solon'izany, Bahrainita mpikatroka ny zon'olombelona Maryam Alkhawaja (zanaka vavin'ilay mpanohitra gadra politika Abdulhadi Alkhawaja) niantso ho amin'ny tsy fankasitrahana ny Olaimpika:

@MARYAMALKHAWAJA: RT raha manaiky ianao: Tsy mankasitraka ny lalao #olympics2012 aho satria na dia eo aza ny zava-misy, dia mbola navelan'ny fanjakana #UK hanatrika ny #Olympics ihany ilay mpampijaly olona ao #Bahrain

Tsy misolotena anay ireo mpanao fanatanjahatena

 

Only three of Bahrain Olympic athletes are born to Bahraini parents. Image by @Ali_Milanello on Twitter.

Telo amin ‘ireo atleta solotena avy ao Bahrain mandray anjara amin'ny Olaimpika  ihany no tena teratany Bahrainita. Sary!: @Ali_Milanello tao amin'ny Twitter.

Antony iray hiantsoana amin'ny tsy hankatòavana ny Lalao Olaimpika ihany koa ny isan'ireo atleta tsy teratany Barhainita. Nandritra ny fanokafana ny lalao, marobe ireo Bahrainita nisioka momba ireo atleta tsy teratany sy tsy manana fifandraisana amin'i Bahrain ankoatra ireo izay tena olom-pirenena Bahrainita  misolotena ny firenena amin'ny lalao sy nokaramaina amin'izany.

Miteraka adihevitra ao Bahrain ny olana momba ny hoe nahoana ireto atleta ireto no nasolo ireo atleta Bahrainita “tsy tiana” sy ny momba ny ” politika fanomezana fizakana ho olom-pirenena” izay efa fanaon'ny governemanta hatrizay mba hampitombo ny mpanohana azy sy ny hampiasa azy ireo ho ao anatin'ny mpitandro ny filaminana.

Taminà fanehoan-kevitra, Bahrainita Ala'a Al Shehabi nisioka hoe:

@alaashehabi: Tsy misy fifaliana raha ny fahitantsika ny ekipan'i #Bahrain #Olympics miaraka amin'ireto Bahrainita hafa (tsy tena Bahrainita)-malahelo ny fontsika noho ireo atleta 20 nogadraina

Bilaogera Bahrainita Amira Al-Hussaini nanoratra feno esoeso hoe:

@JustAmira: Teraka tao Ethiopia sy Kenya avokoa ny ankamaroan'ireo ekipa avy ao #Bahrain #Olympics. Tsy fantany fa manana fiarahamonina Bahrainita midadasika izahay any.

Hoy ihany koa izy nanoratra:

@JustAmira: Mahafinaritra ho an'i #Bahrain raha misy fifaninanana #teargassing (fandefasana baomba mandatsa-dranomaso) ao amin'ny #Olympics

Mpisiokantserasera mpanohana ny fitondrana @ATEEKSTER nitsikera ireo mpanohitra ny fitondrana:

حسافة والله الأولمبياد ماعندهم لعبة “رمي المولوتوف” جان عن خاطرنا ضمنا الميداليه الذهبيه
@ATEEKSTER: Tsy misy fanatanjahatena ho an'ny “fitorahana Molotov” ny Lalao Olaimpika ratsy loatra, raha tsy izany tokony ho azontsika ny medaly volamena amin'izany.

Tala namaly azy ka nilaza hoe:

@Taltool11: ahoana indray ny momba ilay lalao mampiasa bala tena izy mba hijerena raha maty ianao rehefa mitifitra aho

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.