Maoritania: Diplaomaty Nandoro Tena

Minitra vitsy nialoha ny Iftar (fotoana fampitsaharan'ny Miozolmana ny fifadian-kanina fanao rehefa Ramadany ), Hassan Ould Abba [ar], Maoritaniana iray diplaomaty izay niasa amin'ny maha-mpanolotsaina azy tao amin'ny Masoivoho Maoritaniana ao Koety, dia nandoro tena [ar] tao amin'ny distrikan'i Ksar, any Avaratr'i Nouakchott, renivohitra Maoritaniana. Nihazakazaka hamonjy azy ihany ny fiaran'ny mpamonjy voina, saingy maty talohan'ny nahatongavany tany amin'ny toeram-pitsaboana izy.

Ilaina ny manamarika fa tsy  io no tranga voalohany amin'ny fandoroana tena tany Maoritania. Roa taona lasa izay, taorian'ny fandoroana tena nataon'i Bouazizi, Yacoub Ould Dahoud [ar], olom-pirenana Maoritaniana, dia nandoro tena ho fanoherana ny tsy rariny, taorian'ny namelany hafatra tao amin'ny bilaoginy nanakianany  ny toe-javatra misy ao Maoritania.

Nitatitra irny loharanom-pampahalalam-baovao fa tezitra ilay diplaomaty satria ny fitondràna Maoritaniana dia nandrara azy tsy hamonjy ny toeram-piasàny, ary nanolo [ar] azy taminà diplaomaty hafa izay tsy manana mari-pahaizana na fahaiza-manao akory. Kanefa, ny loharano sasany, hoy ny tatitry ny fianakavian'ilay diplaomaty dia nilaza fa nandalo fikorontanan-tsaina [ar] tena sarotra izy.

Mandritra izany, naneho ny hatairany ny vondronà diplaomaty Maoritaniana iray mikasika ny volavolan-dalàna iray momba ny rafitra diplaomasia tsy miankina amin'ny fanjakana, izay eritreretina hapetraka tsy ho ela. Ampangain-dry zareo ny fanilikilihana, ary ny fanaovana an-jorom-bala ny mpiasan'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny, sy ny làlana diso arahan'ny ministera. Ampangain-dry zareo ihany koa ny manampahefana ao amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny ho manao ‘kolikoly sy kiantranoantrano’ rehefa manendry mpiasan'ny ministera.

Ilay tranganà fandoroana tena dia nisarika ny sain'ireo Maoritaniana mpamiasa Twitter, izay nasiatsiaka tamin'ny fanehoan-keviny mikasika azy io.

Majdi Ahmed nanoratra hoe [ar]:

@mejdmr شياب تويتر الليلة أفطرو علي إشعال ديبلوماسي للنار في نفسه وبعض فضائح الحكومة التي لاتنتهي… الحمد لله الذي هداهم فصامو ورزقهم فأفطرو

@mejdmr: Namarana ny fifadian-kaniny ireo mpampiasa Twitter tamin'ity alina ity tamin'ny alàlan'ny vaovao mikasia diplaomaty iray nandoro tena, ary ny tantara ratsy sasany tsy misy fiafaràny ataon'ny governemanta… Voninahitra ho an'i Allah tamin'ny nitarihany azy ireny hifady hanina, sy nanome azy ireny ny sakafo hanapahany ny fifadian-kanina.

Nanampy izy :

‏‏@mejdmr رغم الزيادة المتواصلة في أسعار المحروقات، إلا أن ذالك لم يمنع بعض المواطنين من إضرام النار في أنفسهم !!

‏‏@mejdmr: Ny fiakaran'ny vidin-tsolika amin'izao fotoana, dia tsy manakana velively ny olom-pirenena sasany tsy handoro ny tenany.

Nanao sarinteny amin'ny kabary iray ihany koa izy, izay nilazan'ny Filoha Maoritaniana, Mohamed Ould Abdel Aziz, fa vonona ny hanome solika ho an'izay tanora tsirairay maniry handoro ny tenany izy.

@mejdmr ولد عبد العزيز كان قد قطع وعدا علي نفسه بتوفير المواد المشتعلة اللازمة لأي مواطن يرغب في إشعال نفسه!

@mejdmr: Nampanantena i Ould Abd Aziz fa hanome izay fitaovana rehetra azo arehitra no an'ireo olom-pirenena te-handoro tena!

Ny Hetsiky ny 25 Febroary dia niady hevitra momba ny tranganà fandoroana tena ao Maoritania:

@m25fev وفاة موريتاني أحرق نفسه في مسلسل الاحتراق الذاتي جراء البؤس أو اليأس أو هما معا رجاءا أحرقوا الظالمين بدل احراق انفسكم

@m25fev: Vokatra iray ateraky ny fahantrana na fahadisoam-panantenana na izy roa mitambatra, Maoritaniana iray hafa no maty tanatin'ny andiam-pandoroana tena. Miangavy mba ho ireo mpamoritra no hodorana fa tsy ny tenanareo indray.

Mohamed Ould Sid'Ahmed dia nangataka mba tsy hararaotina ho lasa politika ilay trangan-javatra :

‏@med_sidahmed اذا كان الرجل اضرم النار في نفسه نتيجة اضطرابات نفسية فالمرجو احترام شعور عائلته بعدم توظيف الحادثة سياسيا. انا لله وانا اليه راجعون.

‏@med_sidahmed: Miangavy mba hajaina ny fianakaviany ary tsy hampiasa ity tranga nandoroany ny tenany ity ho vokatry ny fikorontanan-tsaina. An'Andriamanitra isika ary hiverina Aminy daholo.

Sidi Ould Mohamed, mfaàna fo iray, dia niteny fa tsy nino ny maha-tratry ny fikorontanan-tsaina an'ilay diplaomaty izy :

@sidimedlemin لا أثق أن ولد آبيه بالأمس لم يكن في كامل قواه العقلية.. لقد وجدت شابا كلمه قبل قليل من إضرام النار في نفسه

@sidimedlemin: Tsy inoako ireo tatitra milaza fa Ould Abba dia tao anatin'ny tsy fahasalamana ara-tsaina omaly. Nifanena tamin'ny lehilahy iray izay vao avy niresaka taminy fotoana fohy talohan'ny nandoroany tena aho

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.