Hong Kong: Fihaonamben'olona An'Aliny Manohitra Ny Fanabeazam-Pirenena

Ilay fandaharam-pianarana vaovaon'ny fanabeazana fototra “mena” nahabe resaka dia mitohy niotrika tamin'ny herinandro lasa ary nanatevin-daharana ireo vondronà mpianatra sy mpampianatra voakasik'izany ireo fikambanan'ny ray aman-dreny mba hanakana ny governemanta amin'ny fampidirana ilay fandaharam-pianarana amin'ity Septambra ity.

Omaly 29 Jolay 2012, an'aliny ireo olona tao Hong Kong no nirotsaka an-dalambe hanao hetsi-panoherana ny endrika fanasàna atidoha ananan'ilay fandaharam-pianarana. Na teo aza ny filazana fa hafana be ny toetrandro, marobe ireo ray aman-dreny nitondra ny zazany niaraka taminy. Ireto ambany ireto ny sary voafantina momba ny fifamoriana omaly, nampiasaina miaraka amin'ny fahazoan-dàlana daholo :

Ny sora-baventy dia nivaky hoe : “Dada Neny mivoaka ny trano. Ndeha atsahatra ny fanabeazam-pirenena.” Sary nalain'i  Joséphine Tsang.

Ny sorabaventy an'ny iray amin'ireo mpikarakara isan'ny goavana, Scholarism. Mivaky hoe : “Esory ny fandaharam-pianarana mena, fanasàna atidoha; Tsy ny mpikambana ao amin'ny Antoko Kaominista Shinoa no tokony hanoratra azy io”. Sary nalain'i Joséphine Tsang.

Mpanao hetsi-panoherana nifamory teo anoloan'ny foiben'ny governemanta miaraka amin'ny sorabaventin-dry zareo manohitra ny fandaharam-pianarana kaominista fanasàna atidoha. Sary nalain'i Joséphine Tsang.

Raim-pianakaviana miara-mirona amin-janany vavy. Sary nalain'i Tigerątko Kao

Raim-pianakaviana iray manahana ny zanany menavava nandritra ilay fihaonambe. Sary nalain'i Benson Tsang.

Nilaza ireo mpikarakara ilay fihaonambe fa eo amin'ny 90.000 eo ny olom-pirenena nandray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana. Ny sary dia maneho ny fifamoriana tao amin'ny kiho irain'ny Kianja Victoria. Sary nalain'i Benson Tsang

Takelaka vita hazo milaza hoe : matanjaka be ny revolisionan'ny fanabeazana. Ny antoko no dadabe sy renibenareo. Atolotrareo ny antoko ny zavatra rehetra. Ny antoko mandefa ny zanany ho any Etazonia sy Kanada. Sary nalain'i Benson Tsang.

Ilay balaonin'ny fanoherana dia mivaky hoe “fanantenana ho an'ny hoavy” teny anatin'ilay fihaonambe. Sary nalain'i Benson Tsang.

Nitondra milina fanasàna ireo mpanao hetsi-panoherana, nataony teny an-tampon-doha miaraka amin'ny tapa-bamba maneho ny sainam-pirenena Shinoa eny amin'ny tanany. Sary avy amin'i JaJia, mpampiasa  Twitter.

Mpianatry ny fanabeazana fototra manao hetsi-panoherana , milaza hoe : “Tsy milà fanasàna atidoha intsony. Simba ny atidoha. Sary nalain'ny   inmediahk.net

Ny vondrom-piarahamonina Indiana ao Hong Kong miteny hoe : “Fifangaroana no tadiavina fa tsy ny maha-ranoiray. Miangavy, mba omeo ahy ny fanabeazana amin'ny teny Shinoa, fa tsy ny fanabeazana manasa atidoha!”  Sary nalain'ny inmediahk.net

Rakotra mpanao hetsi-panoherana ny teoram-piasan'ny governemanta, olona maro izay mampifanapaka ny tanany roa ho fihetsika hanamarihana y hoe atsaharo ny fametrahana ilay fandaharam-panabeazam-pirenena. Sary nalain'ny inmediahk.net

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.