Maneran-tany: Hazakazaka Handikàna teny ny Fahalalahan'ny Aterineto

Mety miraikitra eo anoloan'ny fahitalavitra izao tontolo izao hijery ny fiatombohan'ny Lalao Olaimpika any Londra, fa ireo mpandika tenin'ny Global Voices Lingua kosa dia mientanentana amina fanamby hafa: ny Internet Freedom Translathon, hazakazaka handikàna teny ny Fanambaràna ny Fahalalahan'ny Aterineto amin'ny tenim-pirenena sy tenim-paritra maro araka izay vita anatin'ny 24 ora ny Zoma 3 Aogositra. Afaka mandray anjara ny rehetra: tsy voatery ho atletan'ny Lalao Olaimpika ianao na mpandika teny be traikefa izao vao afaka manampy!

Image by Juan Osborne using the word ‘freedom’ in about fifty languages. Publish under Creative Commons license (CC BY-NC-ND 3.0)

Freedom!: Fanoezana endrika an'i Juan Osborne nampiasàna ny teny  ‘freedom’ aminà tenim-pirenena efa ho dimampolo. Navoaka eo ambanin'ny lisansa Creative Commons (CC BY-NC-ND 3.0)

Lingua dia miara-miasa amin'ny New American Foundation sy ny Free Press mba hanomezana ireo dika ofisialin'ilay fanambaràna ho amin'ny tenim-pirenena maro. Hatramin'ny namoahana ny Fanambaràna tao amin'ny Global Voices Advocacy tamin'ny faran'ny herinandro teo, navoakan'ireo mpandika teninay tamin'ny tenim-pirenena 20 izany lahatsoratra izany. Ny votoatin'ny Global Voices amin'izao dia adika amin'ny tenim-pirenena efa ho 30 ataon'ireo mpirotsaka an-tsitrapo, asa goavana nefa ampahany bitika amin'ireo tenim-pirenena 6 909 fantatra, noraketin'ny Ethnologue.

Izany dia midika fa misy tenim-pirenena iray ho an'ny olona 862 000 ambonin'ny tany: Eoropa fotsiny dia efa manana 234 amin'izy ireo, ary any Azia dia tenim-pirenena 2 322 no iresahana isanandro. Manantena izahay fa hanome ny fanambaràna amin'ny tenim-pirenena maro araka izay vita, na amin'ireo tenim-pirenena noforonina aza: manomboka amin'ny Solresol hatramin'ny Esperanto, misy fiteny noforonina 200 izay mety hahadika tsara ny fanambaràna ihany koa! Ary miaraka amin'ny fanampianao sy ny vintana, afaka manantena isika fa hahazo mpandika teny avy amin'ireo tenim-pirenena 46 izay tokana ihany ny olona miteny azy.

Ny Internet Freedom Translathon dia ampahany amin'ny Lohataonan'ny Fahalalahan'ny Aterineto, andianà hetsika karakaraina amin'ity volana Aogositra ity mba hanentanana ireo mpampiasa aterineto hanohy ny adihevitra maneran-tany momba ny andraikitry ny aterineto amin'ny fiainantsika, sy ny fomba hitandrovana azy halalaka sy hisokatra foana. Izany koa dia fomba hanekena ny fanambaràna sy hanehoana ny fanohanan'ny vahoaka ny fahalalahan'ny aterineto. Na iza na iza dia afaka mampiantrano hetsika na amin'ny aterineto na ivelany, na aiza na aiza manerana izao tontolo izao.

Afaka miombon-kery ny rehetra ao anatin'ny Internet Freedom Translathon: afaka mampiseho ny traikefanao ianao amin'ny fandikàna na fitsaràna ny fanambaràna amin'ny tenim-pirenenao na tenim-paritrao. Na, raha tsy miteny tenim-pirenena hafa ianao dia afaka manoratra blaogy momba ny Translathon, mamerina mamoaka ireo dikanteny, mizara ity lahatsoratra ity, mampahafantatra azy any amin'ny tambajotra sosialinao, mandray anjara amin'ny hetsika ataonay, na manely ny hafatra. Miaraha amin'ny Lingua amin'ity hazakazaka ho an'ny fahalalahana, freedom, libertà, liberté, libertad, llibertat, liberdade, свобода, özgürlük, szabadság, uhuru, свобода, Ελευθερία, Hettagol, Freiheit, wolność, Yɛrɛmahɔrɔnya, آزادی,  স্বাধীনতা, 자유, आज़ादी, 自由, حرية.

Summer of Internet FreedomTadidio ny vaninandro – Internet Freedom Translathon
Oviana: Manomboka amin'ny misasakalina GMT amin'ny Zoma 3 Aogositra, mandritra ny 24 ora
Rohy: http://bit.ly/Translathon (mikatona ny fisoratana anarana ary hisokatra mialohan'ny misasakalina amin'ny 3 Aogositra 2012)
Fifandraisana: misorata ao amin'ny pejin'ny hetsika Translathon ao amin'ny vohikalan'ny Lohataonan'ny Fahalalahan'ny Aterineto.
Asandrato malalaka ny tenim-pirenenao!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.