Syria: Fampianarana An-tserasera Momba Ny Ady Sy Ny Fampiasana Fitaovam-piadiana

 

Mitodika amin’ny tranokala momba ny fampianarana  ady ireo mpikomy Syriana. Ity no andraikitra farany narakitra  tao amin’ny fampahalalam-baovao sosialy, izay efa nahazo hoby lehibe noho ny andraikitra nosahaniny amin’ny fanaparitahana vaovao sy ny fanentanana ny olom-pirenena mandritra ity Lohataona Arabo ity

Fantsona YouTube amin’ny anarana hoe FSAHelp (Fanampian'ny Tafika Syriana Afaka) namoaka lahatsary maherin’ny 80 izay mikendry  hanampy ny mpanohitra Syriana hianatra karazana fahalalana –manomboka amin’ny ady amin’ny Tànana hatramin’ny fanipazana afo  amin’ny basy hikendrena ireo fahavalo miafina aminà toerana mangina.

Tao amin’ny bilaoginy, mpanoratra ny Fijerin’I  Gary nanoratra hoe:

 Inoako fa tsy azo ialàna izany. “Mariky ny fotoana” niainantsika. Nampiasa ny  YouTube sy ny Facebook ny  Tafika Syriana Afaka (FSA) mba hanofanana ireo mpanohitra. Miravaka fitaovam-piadiana ireo mpikomy, tsy manao fanamiana ary ny ankamaroany tsy miaramila za-draharaha. Nahita fomba vaovao hitarihana ny mpiserasera ho mpiady  amin’ny alalan’ny fampiofanana amin’ny  fampahalalam-baovao sosialy momba ny fomba fampiasana fitaovam-piadiana.

Ity lahatsary iray mampiseho ny mpijery ny fomba fanangonana sy fanadiovana ny karazana basy Belza:

Fanohanana ny FSA avokoa ireo fanehoan-kevitra nalefa tao amin'ny lahatsary, ary nahitana tolona manohitra ny didy jadona tao Syria ihany koa, tahaka ity fanehoan-kevitra ity:

الله يعينكم وينصركم على أعدائكم الأنجاس
salooooooo7y: Ho aminareo anie ny Tompo, ka hanampy anareo hiady amin'ny fahavalonareo.

Ny hafa kosa nanome torohevitra azy ireo, sy nanitsy ny vaovao sasany tamin'ny lahatsary:

وضعية الأنبطاح من أخطر الوضعيات خاصةً فالشوارع
أذا حد رمى عليك قنبلة يدوية ما تقدر تهرب بسرعة
sa3ood16: Atahorana ny fihetsika matory, indrindra rehefa amin'ny ady eny an-dalambe.
Raha misy olona mitoraka grenady ianao, manjary tsy afaka mandositra haingana

Toa hita ihany koa fa manana traikefa amin'izany ny mpijery sasany avy ao Libya sy Yemen. Ny sasany amin'izany dia  ireo efa mpilalao jeux vidéo (lalao an-dahatsary) tahaka an'i Metal Gear.

Raha toa sondriana  amin'ny ady amin'ny  lalao an-dahatsary ny olona, misy fiantraikany amin'ny ankizy Syriana kosa ny zavatra hitany manodidina azy, ao amin'ny araben'i Taftanaz ohatra, milalao “FSA vs. Assad”, amin'ny alalan'ny kobay hazo sy bazy ireo ankizy, araka ny hita amin'ity lahatsary ity :

Ara-dalàna ve ny fandefasana lahatsary tahaka izany?

Maro ireo mametra-panontaniana mikasika ny maha ara-dalàna ny lahatsary na tsia.

Araka ny lahatsoratra tao amin'ny Wired, mety notontosaina tao Etazonia (na Kanada) ireo lahatsary ireo, ary avy eo nampiana sombiny momba ny Arabo.

Tao amin'ny bilaoginy mikasika ny fiadiana mipoaka afo (basy, tafondro), Steve Johnson nanontany raha ara-dalàna ireo lahatsary, na mifanaraka amin'ny lalàna ao Etazonia:

Ara-dalàna ho an'ny olom-pirenena Amerikana ve ny manampy ny tafika vahiny na vondrona mpikomy? Tsy mino aho. Fahalalahana maneho hevitra matetika, raha ny tena izy no miafara amin'ny sisintany. Ara-dalàna tanteraka raha toa ka lahatsary fampianarana fiadiana mipoaka afo no vokarina ary mandrakitra izany ao amin'ny Youtube ho ampiasaina ao anatin'i Etazonia, saingy nilaza ireo mpamokatra za-draharaha amin'ny fampiofanana lahatsary tahaka an'i Magpul fa ny ITAR no mpandrindra amin'ny fampiofanana lahatsary ary mitaky fahazoan-dalana avy amin'ny Departemantam-panjakana ny fanondranana izany ivelan'i Etazonia

Evakatrina nampitaha izany lahatsary izany amin'ny raharaha Bradley Manning, miaramila tao amin'ny tafika Amerikana izay nosamborina tamin'ny volana Mey 2010 tao Irak, voarohirohy no nanome antonta-taratasy tsy ambara-telo tamin'ny mpitsikilo mpiampanga ao amin'ny tranokala WikiLeaks izy.

@evakatrina: #Manning “nanampy ny fahavalo” saingy tsy noporofoin'izy ireo fa nanao ny tsy nety izy. Kanefa kosa tsy misy olana ny fampiofanana ady ho an'ny vahoaka ivelany?

Manao ahoana kosa ny fitondran-tena fiarovana ao amin'ny YouTube?

Tao amin'ny “Fitondran-tena manimba sy mampidi-doza“, nilaza toy izao tao amin'ny sampana Amerikana amin'izany ny YouTube (Hafatra mitovy amin'izany ihany koa no napetraka tao amin'ny sampana Kanadiana):

Nosoritanay tao amin'ny votoaty ny andalana izay mikendry hitarika herisetra, sy mamporisika ary mampiseho zavatra mampidi-doza na tsy ara-dalàna ka mety hitera-doza eo amin'ny fahasalaman'ny vatana na mety hahafaty koa aza. Tsy midika izany hoe alefaso ny lahatsary misy fampianarana fanamboarana baomba, fampianarana fampiasana zava-mahadomelina, ny fanafihana amin'ny fitifirana mahomby, na koa toro-hevitra amin'ny fifaninana an-dalambe tsy ara-dalàna.

Hita ao amin'ny Facebook sy Twitter ihany koa ny Fanampiana avy amin'ny FSA; na dia izany aza, efa voafafa ny pejy Facebook-n'izy ireo voalohany indrindra, ka efa misy solony hafa natsangana vao haingana indray. Miahiahy ireo olona nanangana ny pejy vaovao fa mety ho voafafa foana ny pejy, ary angamba koa ny fantsona YouTube.  Hoy izy ireo nanamarika:

بعد اعلان القناة الروسية عن صفحتنا، تم اغلاقها و لا نستبعد اغلاق قناة اليوتوب. نرجو من الجميع تنزيل الفيديوهات في حال تم ذلك.
Taoriana ny fanamarihana nataon'ny fahitalavitra Rosiana mikasika ny pejinay, voafafa ny pejy avy eo, nieritreritra izahay fa azo fafana foana ny zavatra hita ao amin'ny fantsona YouTube, koa mamporisika anareo izahay handrakitra ny lahatsary hatrany raha ilaina.

Farany, ny fanontaniana apetraka dia zava-dehibe tokoa ve ny tokony hanohanana ny mpikomy Syriana amin'ny tolona ataon'izy ireo ho fanoherana ny fitondrana Syriana mpampijaly? Sa tokony mbola hijanona hitondra ny fitondrana ao an-toerana, satria eo ny ahiahy amin'ireo lahatsary, mety ampiasan'izay vondrona mpampihorohoro manerana izao tontolo izao? Ary koa, tokony hampahafantarin'i Alemana ve ny vaovao momba ny fisian'ny Al-Qaida ao Syria izay mampitombo ny ahiahy sy ny tahotra?

Pikan-tsary tao amin'ny lahatsary nalefan'ny FSAHelp tao amin'ny Youtube ny hajia-tsary hita ato amin'ity lahatsoratra ity, izay mampiseho ireo mpijery ny fomba fanadiovana sy fanangonana basy.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.