Venezoelà: Mpanatontosa Sarimihetsika Mandalina An-dahatsary ny Zavamisy An-Tanàndehibe

Fakàn'ny mpanatontosa sarimihetsika maro aingam-panahy i Caracas, ao anatin'ny korontana mahavalalanina. Amin'ny alalan'ny asany ireo mpanatontosa sarimihetsika ireo no manipika ny hatsaran'ny fiainana an-drenivohitra amin'ny antsipiriany izay korontana sy fifangaroana no iheveran'ny olona maro azy. Avy amin'izany ny mpanankato telo no mizara ny asany amin'ny fampiasana ny fitaovana 2.0 ahafahan'ny mpiserasera anaty sy ivelan'i Venezoelà fomba fijery isan-karazany an'i Caracas.

Avy tamin'ny aingam-panahin'ny filma fohy nataon'i Jorgen Leth “The Perfect Human” (Ny Olombelona Lavorary), mampiseho ny zoro sy sombi-toeran'i Caracas ny “La ciudad perfecta” (Ny Tanàna Lavorary). Nahazo ny loka fanome isaky ny roa taonan'i Cadiz ity filma noforonin'i Sven Methling, Ricardo Bombín, Claudio Cenedese, Ángel Antúnez, Alfredo Castillo ary José Ignacio Benitez ity.

Sarimihetsika fohy hafa ny “Transgresiones” (Fihoara-Pefy) ahitana ny zotra andehanan'ny olona ao an-tanàna izay manova hatrany hatrany ny endriky ny toerana. Ahitana sehatra miserana ny fiainana andavanandron'ny olona monina amin'ny fanorenana lehibe manan-tompo efa haolo, ary tsipihiny amin'ny alalan'ny sary fa efa lasa manome endrika (tsara) ny tanàna ireny sary ireny.

Mifantoka amin'izany trangam-piarahamonina izany ihany no izaran'i Cylixe ny asany miompana amin'ny Tilikambon'i Davida, fanorenana (building) haolo ahitana olona maro manorina ny tranony. Niadian-kevitra sy notaterina hatry ny ela ny tantaran'io fanorenana io. I Cylixe moa milazalaza ny Tilikambo ho “Tanàna ao anaty tanàna”:

[…] Efa 20 taona mahery izay raha naato ny fanorenana ity trano manaka-danitra ao [Sic] Caracas, Venezoelà, ity, tsy nisy nieritreritra fa io building io no squat (trano tsizarizary) avo indrindra manerantany.

Fijery niainana mahafanina ao anatin'ny [sic] fiainana andavanandro, rafitra sy fisainan'ny mponina [sic] izay mifampitafa mandrakariva amin'ny maritranon'ny tilikambo, izay naorina ho foibe ara-barotra tamin'ny voalohany saingy lasa mampiatrano fiaraha-monina mirazotra (mifanindran-dalana) amiin'izao fotoana izao.

Hajiantsary avy amin'ny mpisera Flickr Nicholas Laughlin, ao natin'ny alalana Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.