Bahamas: Fanamarihana Tamin'ny Fitifirana tao Colorado

Tsy dia nisy fanehoan-kevitra mivaingana loatra teny anivon'ny tontolon'ny bilaogy Caribbean mikasika ilay fifitirana tao aminà trano iray fandefasana sarimihetsika tany Colorado – izay lazaina ho ny tena nahafaty olona betsaka indrindra teo amin'ny tantaran'i Etazonia ankehitriny – notehirizin'ny bilaogera Bahamiana roa, izay ho azy ireo dia vaovao mahakasika akaiky ny taniny. Satria ny firenena Caribbean dia tsy lavitra an'i Etazonia (atsimo atsinanan'i Florida),  Bahamas, na eo aza ny maha ao anatin'ny Commonwealth azy, dia miankina betsaka amin'ny toekarena amerikana mba hampandeha tsara ny indostrian'ny fizahantaniny sy ny orinasa afaka haba ary mazàna no andairan'ny fampahalalam-baovao aby any Etazonia, ny kolontsaina ary ny politka.

Iray amin'ireo bilaogy isan'ny vaovao indrindra ao amin'ny firenena, ny Pure Fawkery dia nihevitra hoe ny  valintenin'ny fampahalalam-baovao mahazatra momba ireo vono olona dia mitanila ary dia namerina namoaka sary izay niparitaka be tao amin'ny Facebook ry zareo. (Ny fanazavana eo ambanin'ny sary dia mihevitra fa noho ny lokon'ny hoditr'ilay noahiahiana no vao mainka nanitrikitrihan'ny mpampahalala vaovao azy fatratra):

Hitako nivezivezy tany anatin'ny Facebook ity sary ity ary tsapako fa tsy maintsy nataoko ny nizara azy. Amin'ny fomba tena vofehy tsara mihitsy no anehoany ny fitanilàna mibaribarin'ireo mpampahalàla vaovao. Miteny ho azy ilay izy ary mahabadenina ny fahanginana nanoloana ity hafatra !

Kanefa ny olana maika indrindra naterak'ilay zava-nitranga, ho an'ny Blogworld, dia ny olan'ny fifehezana ny fitaovam-piadiana. Miresaka ilay lahatsoratra iray tao amin'ny The New Yorker, izay niresaka momba ny  “gun crazy” America, Nicolette Bethel, avy amin'ny Blogworld, dia nanamarika hoe:

Ary eto Bahamas, maro amintsika no miady hevitra, matotra be, fa hoe ny Bahamians dia tokony hahazo alàlana hitàna fitaovam-piadiana. Ny zava-misy dia miaina eto amin'ity ampahan-tany eto amin'izao tontolo izao ity isika, izay naorina tamin'ny foto-kevitra hoe zo nomen'Andriamanitra ny olona sasany ny ho afaka mitety ranomasina, hamaritra sarintany avy amin'ny tanin'ny hafa, manafongana ireny olona ireny, mambabo ireny tany ireny, mitondra olona hafa, ary mihary harena ivelan'ny rafitra. Isika no ireo lehilahy sy vehivavy nopotehana ary miady mba hanangana sivilizasiona miainga avy amin'izany tantara izany. Saingy tsy afaka isika, satria isika dia naorina avy amin'ny filaozofia izay mijery ny fiainan'ny olombelona ho tsy toy ny zavatra masina, fa toy ny zavatra azo jifaina—zavatra maivan-danja miohatra amin'ny tombom-barotra, na ny vonomoka. Ny famonoana andian-taranaka (genocide) sy ny fanandevozana ao anatin'ny tontolo iray ‘Vaovao’ dia tsikaritra ho namela lova, ka ao anatiny dia ampiharina hatrany hatrany ny famonoana, ary aseho an'izao tontolo izao ho toy ny fahalalahana.

Nanontany amin'ny fomba tsotra sy mazava ihany koa izy ny amin'ny fahendrena ara-pisainana:

Ary eto Bahamas, mino ny tsy misy dikany isika. Inoantsika fa ny fahalalahana dia mifamattra amin'ny zo ho afa-mamono ny hafa. Inoantsika fa ny olona sasany dia ‘ratsy’ ary ny hafa dia ‘tsara’ ary ny olona ‘tsara’ dia manana zo hitazona fitavam-piadiana sy hamongotra ny olona ‘ratsy’. Ny tenantsika hatrany no  ‘ny olona tsara’. Iza, ary, no ‘ratsy'?

Ny hajiantsary ampiasaina ato anatin'ity lahatsoratra ity, “No Guns”, dia an'ikrazydad / jbum, nampiasàna ny  Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY-NC-SA 2.0) Creative Commons license. Tsidiho ny sary mifandimbin'i krazydad / jbum ao amin'ny  flickr.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.