Pero: Miomana Ho Amin'ny Lalao Olaimpika 2012 Any Londona

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Lalao Olaimpika 2012 any Londona.

Amin'ny Zoma 27 Jolay  2012, andro iray monja alohan'ny Fialàn-tsasatra ho an'ny Fahaleovantenan'ny firenena Peroviana, no hanomboka amin'ny Fety Fanokafana ny Lalao Olaimpika 2012 any Londona. Mandritra ny fotoana fohy, hiala kely amin'ny Kabarin'ny Filoham-pirenena izay hatao ny ampitson'iny ny sain'ireo Peroviana, ka hitodika amin'ny fankalàzana alefa mivantana avy any Londona.

Noho izy firenena feno mpankafy fanatanjahantena, misarika ny sain'ireo Peroviana foana ny Lalao Olaimpika. Nandray anjara tamin'ireo Lalao Olaimpika rehetra afa-tsy iray ihany ny firenena (tsy nandray anjara tamin'ny Lalao Olaimpika tamin'ny 1952 tany Helsinki). Raha atambatra dia efatra ireo Peroviana nahazo medaly: iray volamena ary telo volafotsy.

Ny blaogy Londres 2012, tao amin'ny lahtsoratra Pero amin'ny Lalao Olaimpika Maoderina [es], dia mandinika:

Participar en los Juegos Olímpicos, es el sueño que tiene todo deportista, porque no solamente irá a competir por ganar una medalla, sino tambien, porque representará a su país e hicieron de todo para dejar el nombre del Perú, en este caso, en alto a nivel mundial.

- Con la participación que tendrá Perú en Londres 2012, será su participación 18, incluida los Juegos Olímpicos de Invierno. Pero a eso tambien se le tiene que agregar los Juegos Olímpicos de la Juventud. Sin embargo, eso no es reconocido por el Comité Olímpico Peruano.

Nofinofin'ny atleta rehetra ny handray anjara amin'ny Lalao Olaimpika, tsy noho izy fifaninanana hahazoana medaly ihany, fa satria koa izy ireo misolo tena ny fireneny ary manao izay ho afany mba hanandratana avo maneran-tany ny anaran'i Pero.

Ity fandraisan'anjaran'i Pero amin'ny Londona 2012 ity no fandraisan'anjarany faha-18, anisan”izany ny Lalaon-dririnina Olaimpika. Tokony ampidirina ao ihany koa ny Lalao Olaimpikan'ny Tanora. Na izany aza tsy eken'ny Kaomity Olaimpika Peroviana ry zareo ireo.

Amin'ity andiany ity, atleta Peroviana 17 no hisolo tena ny firenena any Londona, araka ny marihan'ny [es] blaogin'i Toustodo, izay nampîseho ny sarin'ny atleta tsirairay ihany koa:

[…] en los Juegos Olímpicos deLondres está representado en varias disciplinas deportivas, por los mejores
atletas del medio. Esta es la delegación peruana.

[…] amin'ny Lalao Olaimpika any Londona, ireo atleta mahay indrindra any amin'ny firenena no hisolo tena [an'i Pero] amin'ireo fanatanjahantena samihafa. Ity ny delegasiona Peroviana.

Tamin'ny Talata 17 Jolay no nanainga ho any Londona ny vondrona Peroviana, araka ny taterin'ny blaogy Offside [es] :

Nuestra delegación también ya partió hacia Londres, no obstante, el equipo no lo hizo sin antes reunirse con el primer mandatario y la primera dama en el Palacio de Gobierno. Allí la atleta Gladys Tejada, fue nombrada como la abanderada nacional de los Juegos Olímpicos.

“Para mí es un honor y una alegría enorme, representar por primera vez a mi país en estos Juegos Olímpicos”, dijo Tejada. “Haremos un gran papel allá. No los defraudaré y tengan en claro que llevaremos en nombre de nuestro país muy en alto “, agregó.

Nanainga ho any Londona ny delegasionantsika, na dia nivory niaraka tamin'ny Filoham-pirenena sy ny vadiny aza ny ekipa tao amin'ny Lapam-panjakàna. Tao no nanendrena ny atleta Gladys Tejada ho mpitondra ny fanevam-pirenena ho an'ny Lalao Olaimpika.

“Voninahitra sy hafaliana lehibe ho ahy ny sambany hisolo tena ny fireneko amin'itony Lalao Olaimpika itony”, hoy Tejada. “Hitàna andraikitra lehibe izahay any. Tsy hamela anareo rehetra aho, fa hanao izay ho afako mba hampirehareha ny firenentsika amin'ny fanoratana an'i Pero amin'izao tontolo izao“, hoy izy nanampy.

Ny blaogy Competencia [es] dia manasongadina ny ezaka nataon'ny delegasiona Peroviana:

“Es algo grande que el Perú, pese a las dificultades que se están dando, tenga logros deportivos”, dijo [Cristhian de la Torre, asesor técnico del Instituto Peruano del Deporte (IPD)]. Como ejemplo, señaló al número de participantes peruanos en los Juegos Olímpicos de Londres 2012. “Van a ser unos Juegos históricos porque tenemos 17 clasificados”, agregó.

Sobre este tema, el representante del IPD opinó que confía en los representantes peruanos realicen una buena presentación. “He visto el esfuerzo de los chicos para luchar por resultados. Desde ya me siento orgulloso”, afirmó.

“Mahafinaritra tokoa fa mahavita be i Pero eo amin'ny lafiny fanatanjahantena, na dia eo aza ireo olana samihafa”, hoy i Cristhian de la Torre, mpanolotsaina ara-teknika ao amin'ny Foiben'ny Fanatanjahantena Peroviana (IPD). Nolazainy ho ohatra ny isan'ireo Peroviana mandray anjara amin'ny Lalao Olaimpika 2012 any Londona. “Ho lalao manan-tantara ireo, satria 17 ireo atletantsika tafakatra”, hoy izy nanampy.

Momba izany, matoky ny solotenan'ny IPD fa ho tsara ny lalaon'ireo Peroviana. “Hitako ny ezaka nataon'ireo atleta ireo mba hikendrena vokatra tsara. Efa mirehareha sahady aho”, hoy izy.

Peroviana mpikorisa ambony rano,  Gabriel Villarán. Sary avy amin'i Ben Ellis (CC BY-NC-ND 2.0).

Tamin'ny 10 Jolay, nilanja ny afo Olaimpika teny an-dàlan'i Oxford i Kina Malpartida, vehivavy tompon-dakan'ny ady totohondry, sy i Gabriel Villarán [es] mpikorisa ambony rano. Nanoratra ny blaogy No apto para adultos (NAPA) [es] hoe :

Con mucha emoción y saludando a todos los presentes, nuestra campeona mundial Kina Malpartida corrió con la antorcha olímpica en la ciudad de Oxford, Gran Bretaña.

Nuestro tablista Gabriel Villarán también llevó la antorcha ayer. Y hoy le dio la posta a Kina Malpartida, quien recorrió los 300 metros que le correspondían en la ciudad de Oxford.

Mientanentana sady mikopakopaka ireo mpijery, nihazakazaka nilanja ny afo Olaimpika ny tompon-dakantsika Kina Malpartida tany Oxford,  Grande Bretagne.

Nilanja ny afo koa omaly ny mpikosira ambony ranontsika, Gabriel Villarán. Avy eo dia nomeny an'i Kina Malpartida izany, izay nanao ireo 300 metatra nomena azy tany an-tanànan'i Oxford.

Andro vitsivitsy monja no manasaraka antsika amin'ny fety fanokafana ny Londona 2012. Manantena isika fa hanao izay tratry ny heriny i Pero. Nefa, ankoatra ireo vokatra, dia ndeha hankafizina ny Lalao Olaimpika 2012.

Hanomboka ny Lalao!

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Lalao Olaimpika 2012 any Londra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.