Etazonia: Tononkalo Notenomina Tao New York

Amboaran-tonokalo mivenjivenjy vokarin'ny mpaka sary sy mpampiroborobo ny kolontsaina Juan J.Sanz Morera, sy ny trano famokarana mahaleotena La única Puerta a la Izquierda (LUPI) [naotin'ny mpandika: “Ny vavahady tokana eo an-kavia”) ny “El Tejedor en Nueva York” [Mpanenona ao New York-es]. Niantso ny mpivaro-boky McNally Jackson, Javier Molea, sy ny mpanoratra amin'ny teny espaniola Isabel Cadenas Cañon hifandrandrana ny asa-soratry ny poety 17 izay tonga sy miala avy ao New York i Sanz, izay nanomboka ny angona “Mpanenona ao New York” miaraka amin'i David Gonzalez ao Madrid, tamin'ity indray mitoraka ity. Manasongadina ny poeta avy any Amerika Latinina sy Karaiba ny amboaran-tononkalo.

Eto ambany eto ny tsy-fepetra nanaovana ity amboaran-tononkalo ity:

Quizás los criterios de selección que seguimos determinaron ese espíritu. Cansados de antologías cronológicas, correctas, apolilladas, decidimos aprovechar la ocasión y hacer un libro para textos que no tienen lugar: una antología de textos no antologables. Los autores que figuran aquí recibieron una única consigna: debían enviarnos textos que creyeran que un antólogo nunca seleccionaría. Así que esta antología es, para comenzar, un acto de desobediencia contra las antologías. Primera resistencia.

Izao angamba ny fepetra narahinay mamaritra ny nokasainay. Leon'ny amboara-tononkalo araka ny andro nanoratana azy, mahitsy ary mampilendalenda izahay ka nanapa-kevitra hanararaotra hamokatra boky ho ana lahatsoratra tsy manana ny anjara toerany na aiza na aiza: amboaran-tononkalo ho ana lahatsoratra tsy mety atao amina amboaran-tononkalo izy io izany. Ny fepetra tokana nomena ireo mpanoratra hitanao ao dia izao: ny handefasan'izy ireo lahatsoratra eritreretin-dry zareo fa tsy ho voafantina velively anaty amboaran-tononkalo izany. Noho izany io amboaran-tononkalo io, raha atomboka, dia asa tsy fankatoavana ny amboaran-tononkalo (mahazatra). Fijoroana voalohany.

Ho fananganana ity tetikasa ity, niara-nivenjivenjy tamin'ny poety nanerana ny tanàna i Sanz, nitafatafa tamin'izy ireo ny tranga samihafa, namaky teny an-kalamanjana, ary nametraka ireny rehetra ireny tao amin'ny vohikalany [es].  Ny tanjona: “ho anay dia ny hahita amin'ny alalan'izy ireo izay andrahoina any an-tanàna hafa rehetra mitsangatsangana izahay. Amin'izay fotoana izay tsy hoe mamaky sy mankafy fotsiny isika, fa mahalala ny tanàna, ny lalankeliny tsy hita maso, ny feelings (tsinapa), ny olona ao aminy.”

Indreto ny tafatafa telo hita ao amin'ny vohikala. ny voalohany, miaraka amin'ny mpanoratra Kolombiana Carlos Aguasaco, miresaka momba ny –ankoatra ny zavatra hafa–ny fipongaran'ny literatiora Karaiba sy Amerikana Latinina ao New York indray.

Mitantana ny Artepoética.com, [es] ihany koa i Aguasaco izay amelomany ny fandefasam-peo sy fahitalavitra, sy famoaham-baovao, tantara foronina sy vaovao momba ny fifaninanana literatiora.

Tohizantsika ny tafatafa ka iarahana amin'ny “Poeta Porto Rikana, mpihira, mpampianatra sy mpiady hevitra” Urayoan Noel Martínez, izay vao nahazo vatsy taorian'ny nahazoany mari-pahaizana dokotorà avy amin'ny Ford Foundation hamitany ny boky momba ny Nuyoricans [Porto Rikana monina ao New York] hatramin'ny taompolo 60 ka mandraka androany.

Hofaranantsika ny tafatafa ka iarahana amin'ny Soledad Marambio, mpanoratra sy mpanao gazety Shiliana:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.