Palestina: Mahatsiaro Ilay Mpanao Sariitatra Naji Al Ali

Marihana androany, [ 22 Jolay] ny faha-25 taona namonoana ilay mpanao sariitatra politika Palestianiana Naji Al Ali, malaza amin'ny tsikera ataony amin'ny fitondrana Arabo mpanao didy jadona sy i Isiraely izy.

” 25 taona mahery izay no namonoana an'i Naji Al Ali”
Sary: Pejy Facebook Handala

Teraka tao amin'ny tanàna kely Al-Shajara i Al Ali tamin'ny taona 1936 na ny taona 1937. Nandritra ny adin'i Arabo-Isiraely tamin'ny taona 1948, izay niafara tamin'ny fananganana ny Fanjakan'i Israely, anisan'ireo Palestiniana an'hetsiny noroahina tao amin'ny trano fonenany i Al Ali. Nafindra taminà toby fialofana ao Atsimon'i Liban niaraka tamin'ny fianakaviany izy.

Tamin'izany andro izany, ny taona 1987, naratra teo amin'ny tarehiny i Al Ali tany Londres. Vokatr'izany, tao anatin'ny tsy fahatsiarovan-tena tanteraka (coma) izy nandritra ny dimy herinandro alohan'ny nahafatesany .

Amin'ity fitsingeranan'ny faha-25 taona nahafatesany ity, nanome voninahitra an'i Al Ali ireo mpiserasera avy ao Palestina, sy ny faritra manontolo ao Arabo tamin'ny alalan'ny fizarana ireo sariitatrany sy ny fehezanteniny.

Handala:

Handala writing on the wall: "Revolution until Victory"

Handala manoratra amin'ny rindrina: “Revolisiona mandra-pahatonga ny Fandresena”
Caricature by Naji Al Ali

Tsy azo lavina fa i Handala no tena nampalaza an'i Naji Al Ali. Tamin'ny alalan'i Handala, notsikerain'i Al Ali sy nanaovany vazivazy ny mpitondra ao Arabo, sy ny fiaraha-monina, Isiraely, ary koa ny firotsahan'i Etazonia an-tsehatra ao amin'ny faritra Arabo.

Mpisera Twitter Yousef M. Aljamal nisioka ny fehezantenin'i Naji Al Ali momba an'i Handala. Indreto ny sombiny amin'izany sioka izany:

@YousefAljamal:
“Hitako toy ny ankizy tsy dia tsara izy; tahaka ny volonà sokina ny volony ka mampiasa ireo tsilony ho toy ny fitaovam-piadiana”, #Handala #NajiAlAli

@YousefAljamal: “Mikombona aoriana ao an-damosiny ny tanany tahaka ny marika tsy fankasitrahana rehefa amin'ny fotoana fanomezana vahaolana amin'ny fomba Amerikana.” #Handala

@YousefAljamal: “Tamin'ny faha-folo taonany no teraka i Handala, ary mbola ho folo taona hatrany izy.”

@YousefAljamal:
“Tamin'izany taona izany, nandao ny tanindrazako aho, ary raha tafaverina izy, mbola folo taona ihany i Handala, ary nanomboka nihalehibe izy”

@YousefAljamal:”Tsy mihatra aminy ny lalàn'ny natiora. Tsy manam-paharoa izy. Miverina amin'ny laoniny ny zavatra rehefa tafaverina ny tanindrazana.”

@YousefAljamal: “Nampahafantariko ireo mahantra izy ary nomeny anarana hoe Handala ho mariky ny alahelo.”

@YousefAljamal: “Tamin'ny voalohany, ankizy Palestiniana izy,  saingy nandroso ny fahatsiarovan-tenany mba hananany jery todika nasionaly, ankapobe ary ny maha-olona.”

Sariitatra tsy misy fitsaharany:

Handala manome ny lamosiny an'ireo mpijery.  Eo amin'ny vatom-pasana: ahitana soratra hoe “Mino aho fa Izaho no eto “. Sariitatra hafa tsy mety maty an'i Naji Al Ali- nozarain'ilay mpisera twitter @CultureofFear

Efa maty i Al Ali, saingy tsy maty kosa ary tsy mana-petra ny sariitatrany.

@iFalastenya: قتلوه ولكن حنظلة ما زال حيٌ يرزق. ‎‫#ناجي_العلي‬‏
Novonoin'izy ireo izy [Naji Al-Ali] saingy mbola velona i Handala
@ZahretTshreen ‪#‬‫ناجي_العلي‬ أصبح بتنبؤاته قائدا لكل شباب ‪#‬‫فلسطين‬ حتى بعد رحيله بربع قرن .. مازالت رسوماته تحكي واقعنا المرير pic.twitter.com/WO6C17WR
@ZahretTshreen: Tamin'ny faminaniany, nanjary lehiben'ny tanora Palestiniana  efa-polo taona i Naji Al Ali taoriana ny fahafatesany…Mbola milaza ny tantaran'ny zava-misy mangidy iainantsika hatrany ny sary nataony

Nandritra ny taona maro, nijoro ho toy ny mpanohitra Palestiniana sy ny zo hiverin-dàlana ny Handala.

@occupytheory: Mbola manohy manohitra i #Handala / حنظلة لا يزال يقاوم / #OWS #globalsolidarity #Syria #Egypt #Palestine #Bahrain #Yemen #Libya #Tunisia #Greece

@__Hossam: رحم الله من رسم حنظلة … حنظلة يا ‪#‬‫ناجي_العلي‬ مازال ينتظر العودة , ومازال ينتظر القدس , ومازال ينتظر وطن محرراً يحتضنه …
Mandria am-piadanana ianao ilay namorona ny Handala…O Naji Al Ali, mbola miandry ny fiverenana [an-trano] i Handala …mbola miandry an'i Jerosalema, ary mbola miandry ny trano hivoha izay mangeja

Miavaka amin'ireo Arabo mahazatra ihany koa ilay lehilahy 10 taona.

Mohamed Diaa avy any Ejypta nisioka hoe:

#Handala no nampita ary nampalaza ny fijalian'ny vahoaka Arabo teo ambanin'ny fitondrana didy jadona. RIP #NajiAlAli

Iza no namono an'i Naji Al Ali?

Mbola tsy fantatra hatramin'izao izay namono nahafaty an'i Al Ali, saingy nisy ny filazana fa tafiditra tamin'izany i Isiraely.

@NadeenR: nisioka hoe:

Tsy matahotra ireo izay mitondra fitaovam-piadiana i #Israel na ireo izay mitondra penina. RIP Naji Al Ali. #Palestine

Na dia izany aza, tsy nitsikera an'i Isiraely i Al Ali. Lohahevitra iombonana tamin'ny sariitatrany ny tsikera momba ny mpitondra Arabo mpanao didy jadona, sy ny Fikambanana ho Fanafahana an'i Palestina.

“Nitsikera ny rehetra izy, tao anatiny aho, ny Isiraeliana, ny OLP [Fikambanana ho Fanafahana an'i Palestina] , ary ny fitondrana Arabo. Tsy misy olona mahalala izay namono azy. Marina ny hevitry ny tsirairay”, hoy ilay mpanakanto mpanao hatsikana sy mpanao gazety tantara an-tsary Joe Sacco nilaza momba an'i Naji Al Ali tamin'ny teny fampidirana amin'ilay boky Ankizy ao Palestina.

Mety mbola tsy fantatr'izao tontolo izao ny olona ambadiky ny fahafatesan'i Naji Al Ali, saingy hotsarovan'izao tontolo izao foana izy sy ny toetrany tsy lany ritra, Handala.

Raha te ahafantatra bebe kokoa momba an'i Naji Al Ali, sy ny asany amin'ny teny Anglisy, tsidiho ity rohy ity taratasy PDF nokarakarain'ilay mpanankato Arabo Amerikana Fayeq Oweis.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.