“Aza Matahotra Ny Aterineto”: Fanentanana Vaovao Momba ny Fahalalahana Miteny Tanterahan'ilay ONG ‘Derechos Digitales’

Fanamarihana: tamin'ny teny Espaniola no navoaka ny lahatsoratra [es] tena izy, avy amin'ny Derechos Digitales, ary nadikan'i Silvia Viñas.

Anatinà vahaolana nofaritana  ho “voarakitry ny tantara”, ny Alakamisy lasa teo no fotoana voalohany indrindra naneken'ny ONU ny zon'olon-tsotra hiteny malalaka ao anaty Aterineto sy hiantso ny firenena rehetra hiaro izany zo izany. Mifototra amin'ny hafainganan'io orinasa eran-tany io, ny 11 Jolay 2012 dia nanomboka fanentanana ao anaty aterineto “No temas a Internet” [es] (“Aza matahotra ny Aterineto”) ny ONG “Derechos Digitales” (“Digital Rights”), hanairana ny olona momba ny lanja fototry ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto.

“Mifanohitra amin'ny finoan'ny vahoaka, tsy any amin'ireo firenena rehetra manana fitondrana iray tsy refesi-mandidy ihany no isian'ireo rahona amin'ny fahalalahana miteny. Ankehitriny dia zavatra iainan'ny demokrasia tahaka ny antsika ihany koa izany, izay iharan'ny fomba fameperana sy ny lalàna amin'ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto, indrindra ireo voakasiky ny tsiambarantelo sy ny copyrights,” hoy ny talen'ny ONG Derechos Digitales, Claudio Ruiz.

Ho an'ny ONG Derechos Digitales, ny fanentanana “Aza matahotra ny Aterineto” dia mikatsaka ny hamorona tsindrin'entana ho an'ireo fanambarana mibahan-toerana (eny fa na any amin'ireo firenena ao anatin'ny ONU aza) izay maneho ny Aterineto ho toy ny toerana anjakan'ny tsy fandriampahalemana sy ny fijirihana, mamorona tontolo tsy mahate-honina sy henjana. Araka ny voalazan'i Ruiz, “ny Aterineto dia fitaovana iray ho an'ny demokrasia, ary tsy maintsy miaro azy sy maka tombontsoa avy aminy isika, hanandratana ny fahafahana miditra sy ny fanapariahana ny fahalalana ary ny fanajana ny tsiambarantelontsika, izay fototra hijoroan'ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto. Lasa fehezanteny fanalahidy araka izany ny ‘Aza matahotra ny Aterineto’.”

Tsy misy dikany ny Aterineto tsy misy fahalalahana miteny. Ohatra, ny famerana ireo fitaovana fampiasan'ny olona ho anà tolotra tsy mampidi-bola na ny tsy fiarovana ny rakitra manokan'ireo mpampiasa, dia mahatonga ny Aterineto hanary ny heviny rehetra maha- demokratika azy. “Ankoatra ny  fanambarana mikasika ireo fikambanana iraisam-pirnena tahaka ny ONU, ilaina ny ahafantarantsika ny zontsika amin'ny maha-olom-pirenena antsika ary ny hiarovantsika ny Aterineto ho sehatra iray ho an'ny zon'olombelona,” hoy i Ruiz.

Mandritra ilay fanentanana, hamoaka lahatsary fanairana izahay, fijoroana vavolombelona avy amin'ny tranga izay voarahona ny fahalalahana miteny, vaovao an-tsary fampianarana, anivon'ny media hafa izay mikatsaka ny hanamafy ny fahatongavan-tsaina amin'ireo zo hanana fahalalana sy tsiambaratelon'ireo mpampiasa Aterineto, ho fiarovana ny fahalalahana miteny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.