Bangladesh: Lasa Renivohi-kolontsaina Islamika i Dhaka

Notokanana ho renivohi-kolontsaina Islamika ny renivohitr'i Bangladesh, Dhaka, miaraka amin'ireo tanàn-dehibe anankiroa hafa. Ny Fikambanana Islamika momba ny Fampianarana, ny Siantifika ary ny Kolontsaina (ISESCO), sy ny departemanta fanampiny an'ny Fikambanana Konferansa Islamika (OIC), no  nanambara izany vao haingana. Hatramin'ny taona 2004, efa nodinihan'ny ISESCO izany fandaharan'asa isan-taona izany mba hanajana ny politika Islamika, ny tantara, ny sivilizasiona sy ny lova ara-kolontsaina ao amin'ny firenena mpikambana. Tamin'ny taona 2012, nanjary renivohitry ny firenena Azia i Dhaka.

Taoriana ny fahatongavan'ny Islamo tao amin'ny kontinanta kely Indiana, nalaina avy tamin'ny haibikan'ny tranobe Islamika ny maritrano ao an-toerana. Mampiseho izany ireo moskea marobe (Masjids) naorina ao Dhaka. Natsangana nandritra ny vanim-potoana Sultan ny sasany tamin'ireo toeram-pivavahana ireo, ny sasany kosa nandritra ny vanim-potoana Mughal ary ny hafa sasany tamin'ny andron'ny Britanika. Misy ihany koa ireo maritrano maoderina marobe izay nalaina avy amin'ny haikanto sy haibika Islamika  ny ankamaroan'izany.

Hatramin'ny vanim-potoana Sultan, teo am-piorenana ny Masjids ny tao Dhaka. Natomboka tamin'ny fiafaran'ny moské an'i Binot Bibi ny taona 1457 AD ny fanorenana. Nantsoina ho toera-pivavahana voalohany ho an'ny Miosolmana ao Dhaka izany. Bilaogera Juthochari nampahafantatra fa nirodana ny trano tamin'ny taona 2006. Nitranga nandritra ny vanim-potoana Mughal ny tanjona lehibe amin'ny fananganana moské. Nomena anarana renivohitry Subeh Bengal i Dhaka. Naorina tsitokatokana ny moské mahafinaritra ahitana haibika Islamika. Zava-dehibe ho an'i Dhaka tokoa izany fotoana izany mba hampandroso azy amin'ny maha-renivohitra azy.

Mbola nanjaka hatramin'ny vanim-potoana Britanika ny fitiavana ny maritrano Mughal. Nanomboka niova tsikelikely izany tamin'ny andron'ny Pakistana. Nandritra izany fotoana izany, ho solon'ny maritrano, noraisina ho toy ny zava-dehibe ny tokony hanaovana fampiharana. Manana ireo rafitra maoderina amin'ny maritrano ny moskea namboarina ankehitriny. Saingy tsy ampy fahaizana kolontsaina sy maritrano ny rafitra. Mampiseho ny fitambaran'ny haibika Islamika miaraka amin'ny haibika noforonin'ny mpanao asa tanana ao an-toerana ireo moskea taloha ao Dhaka. Ka nampalaza ny sasany tamin'ireo maritrano ho toy ny haibika ao an-toerana.

Sasany amin'ireo moskea efa taloha be tao Dhaka:

Moskea Binot Bibi naorina tamin'ny taona 1457. Sary: Wikipedia.

Moské Tara , naorina nandritra ny taon-jato sivy ambinifolo. Sary courtesy Wikipedia.

Hazi Shahbaz's Mosque (1679). Image courtesy Wikipedia.

Moskea Khan Muhammad Mridha, naorina taimn'ny taona 1706. Sary tao amin'ny Wikipedia.

Moskea Musa Khan, maritrano mitovitovy ny haisoritrano Mughal. Sary tao amin'ny Wikipedia.

Fantatra amin'ny maha tanàn-dehiben'ny Moskea ihany koa i Dhaka. Saingy maro tamin'ireo tranobe mitondra ny riba sy kolontsaina Islamika no tsy nomena hasiny ary natao tsinotsinona ny fikarakarana na ny fanavaozana azy. Efa simba tanteraka ankehitriny ny sasany amin'izy ireo. Taminà lahatsoratra malaza nosoratan'i Ahmed Firoz, nasongadiny tamin'izany ny endrik'ireo tranobe anankiroa ankehitriny – Boror Katara & Choto Katara. Nanomboka ny taona 1643 hatramin'ny taona 1646 no nanamboarana ny moskea Bara Katara izay mitovy ny maritrano  Mughal. Navaozina ny rafitra tamin'izany moskea izany, ka nalàna taminy ny sasany tamin'ireo firafitra, izay nanimba ny haingo mahafinaritra nipetaka taminy. Azonao jerena ny marika famantarana eny amin'ireo magazay vaovao, tranom-barotra sns anatin'ny rafitra. Marobe tamin'ireo trano lehibe no nasaratsakaraka ho efi-trano kelikely. Eo andalam-pahasimbana koa ny choto Katara, izay naorina nandritra andron'ny Shaesta Khan (1664).

Bilaogera  Hompgro nandefa sary bilaogy tamin'ny faha-400 taonan'ny tanan-dehibe Dhaka, nisongadina tamin'izany sary izany ireo moské taloha maromaro. Iray amin'ireo sary ny Moskea Musa Khan naorina tamin'ny taona 1679. Iray hafa kosa ny Moskea Hazi Shahbaz izay naorina tamin'ny taona 1679. Ary ny Moskea Hazi Beg kosa tamin'ny taona 1683.  Eo andalam-paharavana ihany koa ireo  moské ireo.

Bilaogera Razib kosa naka ny sarin'ireo moskea maromaro mba hatsofoka ao amin'ny Wikipedia. Nalahelo mafy noho ny fahasimban'ireo moské taloha marobe ao Dhaka izy:

সেখানে পৌছাতেই মনটা খারাপ হয়ে গেলো। সেই প্রাচীন ভবনটির রক্ষণাবেক্ষণ একেবারেই নেই। কাটরার দেয়াল ঢেকে গায়ে জোড়া লাগিয়ে তৈরী হয়েছে ঘরবাড়ি আর দোকানপাট। কাটরার উপরের দিকটা মাদ্রাসার দখলে। আর ঠিক সামনেই পিডিবির বিশাল একটা ট্রান্সফর্মার ও তারের জট থাকায় পুরো ভবনটাই ঢেকে গেছে।

Mampalahelo ahy tokoa ny mahita ny fahasimban'ireo moskea. Tsy maharitra avokoa ny maritrano taloha. Nisy ireo trano naorina teo akaikin'ireo rindrin'i Katara, voarakitra ny rafitra niaviny voalohany. Ny Madrasah no mampiasa ny rihana farany ambony.  Ary manoloana izany ny toerana nafindran'ny  departemanta-pahefana (PDB) izay manimba ny fitazanana ny moskea.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.