Maoritania: Kolontsaina Manan-karena Lalao, Dihy ary Mozika

Maoritania dia mitoetra amin'ny toerana ifanenan'ny kolontsaina Arabo sy Afrikàna; izy no mampifandray ireo firenena any Avaratra sy Andrefan'i Afrika. Nanome azy endrika manokana izany, noho ny karazam-poko mahafinaritra hita taratra amin'ny kolontsainy tsy manam-paharoa. Hita mibaribary izany amin'ny fomban-drazana ao  Maoritania manan-karen-dalao, dihy ary mozika, tafiditra amin'izany ny fifanambadian'ny kolontsaina Arabo sy Afrikàna. Ato anatin'ity lahatsoratra ity dia omenay ohatra vitsivitsy ianao.

Ny lalaon'ny “Anigur”

Ny lalao “Anigur” na “lalaon-kakazo” dia iray amin'ireo lalao nentin-drazana Maoritaniana malaza indrindra, izay maka tàhaka ny fifanandrinana amin'ny sabatra, fa hazo no ampiasaina. Tsy misy maratra; tsy misy mpandresy na resy rehefa mifarana ny lalao, satria ny tanjona dia ny hiala voly ihany. Raha mifanandrina ireo “mpifaninana”, ny vehivavy kosa mively amponga ary mihorakoraka mampahery azy ireo.

Matetika ny lalao dia ataona mpifanandrina roa miaraka amin'ny hazo, nefa azo atao koa ny fifaninanana amin'ny olona roa na telo arakaraka ny fahaizana sy ny tanjaka. Ny mpilalao “Anigur” dia raisina ho olo-manan-kaja izay ifandrombahan'ny olona hasaina amina hetsika manokana, na dia tsy mahazo vola amin'izany aza izy.

Ity lalao ity koa dia tafiditra amin'ny fankalazana fanambadiana sy lanonana ofisialy Maoritaniana; tafiditra amin'ny foto-pîsainan'ny mponina izy ary maka toerana lehibe amin'ireo lalao Maoritaniana malaza.

Ity lahatsary ity dia mampiseho lehilahy manao “Anigur”, raha mitehaka kosa ireo vehivavy manodidina mankahery azy ireo:

Mandihy amin'ny “Nifara”

Ny “nifara” – sodina Maoritaniana – dia zava-maneno akaikin'ny fon'ny vahoaka; fanao matetika ny fandihizana amin'io ho an'ny tanora Maoritaniana. Mampiasa ny fahaizany ireo mpandihy hanarahana ny feony, ary mandihy aminà fomba toy ny eny an-tsehatra. Rehefa mitombo ny fahavitrihan'ny mpijery dia mihorakoraka sy mitehaka zy zareo.

Ao anatin'ity lahatsary ianao dia afaka mahita tanora  Maoritaniana vitsivitsy mandihy amin'ny feon'ny ‘nifara':

Dimi Mint Abba

Farany dia tonga amin'ny raindahin'ny mozika Maoritaniana isika, Dimi Mint Abba; ato amin'ity lahatsary manaraka ity izy dia mihira hiran-drazana iray arahan'ilay zava-maneno mahafinaritra, ny “ardin” [mitovy amin'ny “kora”].

Dima dia mpihira hiran-drazana Maoritaniana, teraka tany amin'ny faritr'i Tagant ary nalaza fatratra tamin'ny taona 1970. Ny feony dia nahavita nihoatra ny faritry ny fireneny ka niparitaka nanerana an'Afrika sy ireo firenena Arabo sasany. Loharanom-pahafinaretana ho an'ny Maoritaniana an-tapitrisany izany nandritra ny  am-polotaonany maro.

Nanomboka nihira tamin'ny voalohandohan'ny taona 1970 izy, ary nisolo tena ny fireneny tamina fifaninanana mihira Arabo tany Tunis tamin'ny 1976.

Dimi Mint Abba dia nodimandry tamin'ny 4 Jona 2011, ary tahaka ny kapo-baratra izany vaovao izany ho an'ireo Maoritaniana. Navesatra tokoa ny alahelo nanerana ny firenena.

Hajiantsary sy sary nasongadina mampiseho an'i Dimi Mint Abba tao amin'ny “Festival au Desert 2004″ tany Essakane, Mali. Sary avy amin'i CultrVultr ao amin'ny Flickr.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.