Venezoela, Japana: Mpitendry Japoney Roa Mahafehy Ny “Harpe” Venezoeliana

Ity lahatsoratra ity, niarahana nanoratra tamin'i Tomomi Sasaki, dia ampahany amin'ny andian-dahatsoratra momba ny mozika amin'ny maha-tetezana azy mampifandray an'i Venezoela sy Japana. Vakio ato ny lahatsoratra voalohany.

Ny “harpe” dia iray amin'ireo zava-maneno manamarika ny mozika Venezoeliana avy amin'ny lemaka. Noforonina tany amin'ny faritra andrefan'ny firenena ary avy eo netina tany Kolombia tany afovoan'ny taonjato faha-20, ny “harpe” Venezoeliana dia manana tady 32 na 33 samihafa ny savaivony ary tsy misy fanitsaka, na”pédales”. Araka i Gelimar Sanchez de Guerrero ao amin'ny Llanorecords [es], tsy mazava ny niavian'ny “harpe” noho ny tsy fahampian'ny rakitra ara-tantara.

Na izany aza, ny “harpe” dia iray amin'ireo fototry ny hiran-drazana Venezoeliana hatramin'ny nanombohan'ny tantaran'ny firenena; taona maro taty aoriana, niparitaka nanerana ny kaontinanta ny fitiavana ity zava-maneno ity, ka tonga tany Japana.

Amin'ireo mpanao mozika Japoney liana amin'ny mozika Venezoeliana, Yoko Yoshizawa sy Mika Agematsu dia miavaka amin'ny fitendrena ny “harpe” Venezoeliana.

Yoko Yoshizawa, iray amin'ireo Japoney mpitendry “harpe” voalohany nandalina manokana ny mozika Venezoeliana, dia lazaina fa “mpiahy ara-mozika” ao amin'ny Estudiantina Komaba. Nizara sy naneho hevitra tamin'ny lahatsary YouTube maro mampiseho ny fahaizan'i Yoshizawa ireo mpikambana ao amin'ny vondrona Facebook ho an'ny Komaba sy ireo mpankafy hafa any Japana.

Ato amin'ity lahatsary ity, mitendry ny Quirpa i Yoshizawa, mozikan-drazana avy amin'ny lemak'i Venezoela:

Mitatitra ny fampisehoan'i Yoshizawa ny blaogy Diary Note, na Raki-diary [jp].

日本で唯一のベネズエラ音楽を演奏するアルパ(ハープ)奏者である吉澤陽子を、ベネズエラ愛好家たちが囲む出し物。南青山・プラッサオンゼ、出演者/グループの数も多かったが、お店はフル・ハウス。クアトロやマラカスなんかが活躍し、伸びやかな歌が入ったりも。同国の一番知られる曲は「コーヒー・ルンバ」のようだが、前のめりに進んで行って、リズムが余りそうなところイン・タイムで終わるみたいな感覚を持つ曲が多いなあ、なんても、見てて思う。

Ity dia hetsika ho an'ireo mpankafy an'i Venezoela hankafizan'izy ireo ny mozikan'i Yoko Yoshizawa, hany mpitendry “harpe” Venezoeliana any Japana [Sic]. Natao tao Minami Aoyama tany Tokyo, nahitàna mpanakanto malaza maro ny hetsika ary feno hipoka ny trano! Nitàna toerana lehibe ny “quatro” sy ny “maracas”, ary maivamaivana mampitony ny gadon'ny hira sasany. Toa “Coffee Rumba” no hira Venezoeliana malaza indrindra any Japana… Tsapako fa nisy hira maro hafa nitovitovy gadona taminy; rehefa mieritreritra ianao hoe miha-milantolanto loatra ilay hira dia tonga ara-potoana ny mihetsiketsika.

José Francisco Romero [es] dia miantso an'i Mika Agematsu hoe “La japonesa llanera” na “ilay tovovavy Japoney avy eny amin'ny lemaka”, noho izy manan-talenta amin'ny fitendrena ny gadona avy eny amin'iny faritry ny firenena iny. Ato amin'ity lahatsary ity, Agematsu dia mitendry ilay hira “Moliendo Café” (Mitoto kafe) hiram-pitiavana mampalahelo hiran-drazana avy any Venezoela, izay nalaza dia nalaza   tany Japana nandritra ny taona 60, araka ny Wikipedia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.