Azerbaijan: Mirehitra Ny Foibe Ara-Kolontsaina Heydar Aliyev

Naharaisana tatitra ny hoe mirehitra ny Foibe ara-Kolotsaina Heydar Aliyev ao Baku, Azerbaijan. Ilay tranobe, nomena ny anaran'ny filoha teo alohan'ity repoblika manan-karena solika ity sy ny rain'ny filoha amperin'asa, Ilham Aliyev, dia nosokafana tamin'ny May 2012 ary rafi-tranon'ilay mpanao maritrano metisy iraniana-britanika Zaha Hadid. RFE/RL dia mametraka ny sandan'ilay foibe ho any amin'ny 250 tapitrisa dolara Amerikana.

Miaraka amin'ireo dolara be an-davitrsa avy amin'ny solika manosika ny firoboroboan'ny asa fanorenana izay tsy mbola nisy toy izany tao  Azerbaijan, ilay tranobe maoderna dia asongadin'ny Extreme Engineering, andiam-pandaharana fanadihadian'ny Discovery Channel. Miely amin'ny alalan'ireo tranonkalam-baovao  Twitter sy Facebook ny vaovao. Helicopters no voalaza ho isan'ny mandray anjara amin'ny famonoana ny afo.

@LvIsmylv: Heyder Aliyev center yanır pic.twitter.com/pNOEAAQ6

Mirehitra ny Foibe Heydar Aliyev.

@sakitoglu: Mirehitra ny Heydar Aliyev! #Baku #Azerbaijan pic.twitter.com/ZoKag7Kd

Nisy lahatsary nakarina ihany koa ao amin'ny  YouTube:

@nhacizade: Bakü'de yanan (http://bit.ly/NmuGHS) HA Kültür Merkezi inanılmaz güzel bir binaydı, üç hafta önce çektiğim hali: http://twitpic.com/a9m35m

Trano tsara tarehy tokoa ilay Foibe ara-Kolontsaina HA mirehitra ao Baku. Ity saripika iray nalaiko roatokom-bolana lasa izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.