Singapore: Law Society (Fikambanan'ny Mpisolovava) Miatrika Tsikera Avy Amin'ny Vondrom-piarahamonina Anaty Aterineto

Ao anaty ady mafana ny Fikambanan'ny mpisolovava (Law Society) any Singapore  ao amin'ny sehatry ny haino aman-jery sosialy taorian'ny fiampangana natao azy ireo ho  nikasa hanakanana an'i Madasamy Ravi mpisolovavan'ny zon'olombelona tsy  hanohy ny fiarovana teny amin'ny fitsarana.

Ny 16 Jolay 2012 Kenneth Jeyaretnam mpanao politika mpanohitra- izay teny amin'ny fitsarana niaraka tamin'i Atoa Ravi sy Rtoa Vellama olona arovany-  dia nibitsika hoe :

@KenJeyaretnam: Ny ezaky ny Law Society hanambara fa Atoa Ravi dia tsy afaka hampihatra lalàna sy  mitetika ny hanala azy araka ny Lalàna Mifehy Fahasalamana ara-tsaina.

Avy eo, nararaotiny ny fanaparitahana ny dika mitovin'ny taratasy izay nosoratan'ny mpitsabo an'Atoa Ravi  ho an'ny Law Society. Efa voafafa io lahasoratra io, nefa voapaingotry ny famoaham-baovao  hafa ety anaty aterineto toy ny   The Online Citizen.

Teny amin'ny fitsaràna Atoa Ravi io maraina io hiatrika  fifandaharana azon'ny daholobe atrehana momba ny fahefana tsy refesi-mandidin'ny Praiminisitra amin'ny fiantsoana fifidianana ampahany. Avy eo niseho teo amin'ny fitsarana ihany koa Atoa Wong Siew Hong izay  mpanolotsain'ny Law Society, naniry hiresaka tamin'ny mpitsara. Mitantara izay hitany ny mpisolovava Jeannette Chong-Aruldoss :

Nipetraka teny amin'ny fipetrahan'ny vahoaka aho, izay feno. Nisy mpanao gazety ihany koa teny. Ny fihainoana an'Atoa Ravi no natao aloha. Nanontany an'Atoa Ravi fanontaniana momba ny lalàna tena lalina ny mpitsara. Azon'Atoa Ravi tsara ny fanontanian'ny mpitsara ary dia novaliany tamin'ny fomba izay toa hahafapo ny mpitsara. Nahafinaritra ny fifanakalozana teo amin'Atoa Ravi sy ny mpitsara, mihaja sy mahalala fomba tsara.

Raha toa ka marary saina Atoa Ravi, tsy nitombina tamiko izany tamin'ity maraina ity. Tsy nahita zavatra hafa ny mpitsara Pillai tamin'Atoa Ravi afa-tsy ny hoe olona salama saina tsara.  Rehefa tapitra ny fitenenan'Atoa Ravi dia anjaran'ny mpisolovavan'ny Mpampanoa lalàna indray (izay hantsoiko hoe : “AG”).

Afaka kelikely Andrew Loh sy Richard Wan dia niresadresaka tamin'Atoa Ravi, izay niteny fa “kidaladala” iny taratasy iny. Notsindriany ihany koa fa ny datin'ilay taratasy dia ny andron'ny fitsaràna, raha efa roa andro talohan'io no nojeren'ny mpitsabo marina Atoa Ravi.

Efa niasa tamin'ny raharaha goavana maro  tany Singapore Atoa Ravi. Mpisolovavan'ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty sy solontenan’ ireo voaheloka ho faty marobe izy. Vao haingana teo, nisolotena an-dRtoa Vellama Marie Muthu izy tamin'ny fangatahany mba hamaritan'ny Fitsarana Ambony ny  fahefana tsy refesi-mandidin'ny Praiministra amin'ny fiantsoana fifidianana ampahany, tahaka izany ihany koa, ny tamin'Atoa Kenneth Jeyaretnam tamin'ny fangatahany ny hanakanana ny governemanta tsy handraisany 4 lavitrisa dolara Amerikana avy any amin'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena.

Taoriana kely dia namoaka fanambaràna ny Law Society nanazavana  fa tsy nanao fangatahana ny hanakanana an'Atoa Ravi tsy hiseho eo anatrehan'ny fitsarana tahaka ny nitateran'ny Temasek Review Emeritus azy ry zareo.

Ny vaovao momba ilay taratasin'ny mpitsabo aretin-tsaina dia nahatonga tombatombana sy tsikera marobe teny anivon'ny aterineto, toy ny fanahian'ny Singaporeana amin'ny fisian'ny ezaka atao ho fampanginana na fanaratsiana mpisolovava henjam-piteny .

Hendra Lee: Mikaroka izay antony hanakanana azy amin'ny asany izy ireo. Raha tadidiko tsara, niaky heloka sy matetika nandoa onitra  noho ny korontana niseho tao amin'ny Mosquée sy ny fiangonan'ny Hindo ary ny South Bridge Rd Atoa Ravi Saingy tsy midika izany fa mpisolovava  tsy mamiratra izany.

Luo Han: Fanamelohan-tena tsy marin'ny mpisolovava nahatsiaro ho irery tany Singapore io, izay nanampahasahiana niteny tamin'ny Fanjakana rehefa tsy marina na mamoritra ny olon-tsotra Singaporeana ny lalàna. Mahafantatra manokana an'Atoa Ravi aho. Izy no tompondakan'ny lehilahy sy vehivavy tsy mahaloa-peo, ireo atao an-jorom-bàla sy ireo sahirana. Raha vitan'ny Law Society io fanalàna an'Atoa Ravi amin'io asany io dia ho andro mampalahelo ho an'ny Singaporeana tsy mahaloa-peo sady TSY MISY hiantorahana na afaka handoa ny volan'ireo mpanampy araka ny lalàna, indrindra eo amin'ny resaka heloka bevava. Andro mampalahelo ho an'ny Law Society ihany koa io satria tsy hanana ny hajany intsony izy ary izay filazana rehetra  momba ny tsy fitanilàna dia ho toy ny rano atondraka an-damosin-gisa.

Maro ireo nanameloka ny mpitsabo, Dr Calvin Fones, ho nandrava ny tsiambaratelon'ny  mpitsabo-tsaboina tamin'ny fanoràtana tany amin'ny Law Society nnefa tsy nisy ny fahafantaran'ny olona tsaboiny na fanekeny akory.

Betty Teo: Nahoana no any amin'ny Law Society no anoratan'ny mpitsabo voalohany ny momba ny olona tsaboiny, nefa tsy nisy nibaiko azy hanao izany ?

Balaji Narashimhan: Antenaiko  fa tsy marina iny taratasy iny fa raha izay no izy, tena mahasorena ny fahitàko azy. Fandikan-dalàna tsotra izao sy tena mifanohitra amin'ny foto-pisainana sy ny fifampitokisana amin'ny mpitsabo sy ny tsaboiny. Ahoana no mbola hitokisan'ny olona ity mpitsabo ity amin'ny fahalalana fa raha tiany dia afaka mizaha  toe-pahasalamana maimaim-poana olona iray tsy ilàna dinidinika akory izy, tsy misy fanontaniana na fanadihadiana akory ny raki-tahiry tany aloha tany momba ny aretin-tsaina na fitamberenana? Tokony entina eo anatrehan'ny fikambanan'ny mpitsabo any Singapore izy ary ahantona ny fahazoan-dàlany hitsabo. TSY adala akory ny olona manana fisainana roa ary ny fananana olana tsotra amin'io dia tsy midika ho tsy fahafahanao  miasa.

Ny 18 Jolay 2012, nanaparitaka filazàna ny Law Society, manala ny ahiahy amin'ny firaisana tsikombakomba ary milaza fa tamin'ny nahim-pony irery ihany no nanaovan'i Wong Siew Hong iny hetsika iny :

LSS dia mino fa zava-dehibe raha toa ka matoky azy ny vahoaka amin'ny maha-vondrona matihanina sy tsy miankina azy izay mandanjalanja mandrakariva ny tombontsoan'ny daholobe sy  ny an'ny mpisolovava tsirairay. Tst rariny ny tsikera atao amin'ny LSS ho an'ireo mpirotsaka an-tsitrapo ao aminy ary mahatonga tolotra ratsy be ho an'ny vahoaka. Izay eritreritre firaisana tsikombakomba mahavoarohirohy ny LSS dia tsy marina sy tsy amim-piheverana.

Ny bilaogera sasany dia nahita ny filazàn'ny Law Society ho tsy nahafa-po. Ng E-Jay dia nanontany  raha toa ka tena tamin'ny “nahim-pony” marina no nanaovan'Atoa Wong iny. Bertha Henson  mihevitra fa tokony ho nikarakara izay azy aloha ny Law Society vao manivana ny hafa :

Karazam-piaraha-mitanta fikambanana toy ny inona ny LawSoc raha toa ka ny iray ao aminy afaka mihazakazaka mankany amin'ny fitsarana mitondra taratasy avy any amin'ny LawSoc ? Tena adala ve ny “solontena” Wong Siew Hong izay tsy nampahafantatra n'inon'inona  akory ny lehiben'ny Law society fa hanao izany izy ?  Raha ny marina dia misy lalàna arahana ao amin'ny LawSoc alohan'ny handehanan'ny mpisolovava mankany amin'ny fitsarana na manao fanambaràna amin'ny anaran'ny LawSoc ?  Noho izany, miteny aminao aho Atoa Wong Meng Meng : Ndeha tifiro ny mpitondra hafatrao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.