Puerto Rico: Tohana Mafonja Ho An'ny Tany Sy Ny Fambolena

[Mankany aminà pejy amin'ny fiteny Espaniola ny rohy rehetra, raha tsy misy fanamarihana hafa.]

Olona am-polony no nitangorona teo anoloan'ny La Fortaleza [lapan'ny governora] ao  San Juan tamin'ny 11 Jolay mba haneho fanohanana ireo tanin'ny Foibem-Pikarohana ara-Pambolena izay an'ny Kolejin'ny Siansan'ny Fambolena ao amin'ny Anjerimanontolon'i Puerto Rico (UPR), tafiditra ao anatin'ny faritry ny ‘campus’ Mayagüez. Ilay fihetsiketsehana nokarakarain'ny Fiaraha-mientana ho Fanohanana ny Foibem-Pikarohana ara-Pambolena (CODERA) sy ny Mandatehezana ho Fiarovana ny Fambolena (FRA), dia nitaky tamin'ny governora , Luis Fortuño, mba hampiasany ny vatony tsy azo ivalozana amin'ilay volavolan-dalàna lany tsy ela akory izay, manome baiko ny UPR mba hamindra, tsy misy tambiny, ampahan-tany manodidina  ny 50 acres (20 hektara mahery)  amin'ny tanin'ny Foibem-Pikarohana ara-Pambolena ho an'ny kaominina ao Gurabp, toerana misy azy.

Ny tanin'ny UPR nodidiana hafindra amin'ny kaominina ao Gurabo dia voasokajy ho ao anatin'ireo ampahan-tany isan'ny mamokatra indrindra ao Puerto Rico. Ny toeram-pambolena organika voalohany indrindra napetraka tao amin'ny firenena sady nahazo fankatoavana tamin'ny Departemanta momba ny Fambolena any Etazonia (USDA) dia ao anatin'io tany io, toerana izay mbola misy fikarohana mandeha amin'izao fotoana izao,  mikasika ny fomba tsara indrindra ho fambolena sy fiarovana ny areti-mifindra. Ho takalon'ny fanomezana tany ny kaominina ao Gurabo, tany tsy misy ilàna azy any amin'ny tany lemaka tratry ny tondra-drano lava no hafindra ho an'ilay Foibem-Pikarohana momba ny Fambolena. Ny Ben'ny tanànan'i Gurabo, Víctor M. Díaz, dia maniry ny hampiasa ilay tanin'ny foibem-pikarohana ho aminà tetikasam-panorenana foto-drafitrasa maro, isan'ireny ny hopitaly, toeram-ponenana ho an'ny sarambabem-bahoaka ary sekoly.

Ilay fihetsiketsehana dia natao tao Old San Juan teo anoloan'ny La Fortaleza, Lapan'ny mpanatanteraka ao Puerto Rico. Sary : Christopher Torres Lugo. Fanomezan-dàlan'ireo mpianatra UPR nanao tatitra. Nampiasaina rehefa nahazoana alàlana.

Mivondrona ao an-damosin'ireo fitakian'ny CODERA ireo fikambanana sivily samihafa, toy ny  Sierra Club, ny Filankevitra Jeneralin'ireo Mpianatra ao amin'ny  Campus Río Piedras, ary ny Antokom-Bahoaka Mpiasa izay vao haingana no niforona.

Amin'izao fotoana, kely monja amin'ireo sakafo jifaina ao Puerto Rico no vokarina ihany koa ao an-toerana. Maherin'ny 85% amin'ny sakafo no afarana, izay midika fa azo ambara ho miankin-doha tanteraka ilay nosy ho an'ny sakafo ilainy. Mifanindran-dàlana amin'io, tsy maintsy ambara ny hoe teo anelanelan'ny 2002 sy 2005 dia very 20 % amin'ireo tany famboleny efa zara raha misy i Puerto Rico. Ny manampahaizana sasany, tahaka ilay mpahay ny ara-pambolena, Ián Pagán Roig, dia  nampitandrina ny ho vokatr'izany ho an'ilay firenena :

Los precios de alimentos han alcanzado picos históricos en los últimos 2 años. Tan reciente como en abril, el Banco Mundial reportó un aumento de 8% de los precios de los alimentos. La crisis alimentaria mundial está causando hambre y estragos en el planeta. Tan solo en la región Sahel en África alrededor de 17 millones de personas están sufriendo de hambruna a causa de la crisis alimentaria desencadenada por los altos precios de los alimentos y el cambio climático, según informa el Banco Mundial. Este panorama pone en especial peligro a Puerto Rico de sufrir de los estragos de la crisis alimentaria si no actuamos y defendemos las tierras agrícolas que quedan y potenciamos la agricultura local. La posibilidad de sufrir hambre en Puerto Rico es real y más probable de lo que todos creemos cuando dependemos de más de un 85% de importaciones del extranjero para nuestro sustento alimentario. No estamos en posición de perder ni una cuerda más de terreno agrícola. Cada espacio protegido para la agricultura representa la seguridad de un plato de comida para nuestro pueblo y las futuras generaciones.

Tato anatin'ny roa taona farany dia nahatratra ny fetrany farany avo teo amin'ny tantara ny vidin-kanina. Tsy ela akory fa tamin'ny Aprily, nitatitra ny Banky Iraisam-pirenena fa niakatra 8% ny vidin-tsakafo. Ny olana ara-tsakafo eran-tany dia niteraka hanoanana sy korontana ambony ambany teto amin'ny planeta. Tany amin'ny faritr'i Sahara any Afrika fotsiny dia nanodidina ny 17 tapitrisa ireo olona niaina ny kere noho ny olana ara-tsakafo nateraky ny fiakaran'ny vidin-kanina sy ny fiovan'ny toetrandro, araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena. Ity vinavina ity dia mametraka an'i Puerto Rico ho tandindonin'ny loza mahatsiravin'ny tsy fahampian-tsakafo raha toa isika tsy miasa miaro ny tany fambolena izay sisa tavela ary manome tanjaka ny fambolena anatiny. Ny mety hiainana kere ato Puerto Rico dia tena zava-misy ary tena mety hitranga tsy arakaraky ny hiheverantsika azy, rehefa miankina amin'ny fanafarana avy any ivelany ny  85% mahery amin'ny sakafontsika sy ny filàntsika isika. Tsy tokony hamotsotra isika na dia iray ‘acre’ monja amin'ny tany fambolena aza. Ny sombin-tany tsirairay voaaro hanaovana fambolena dia endriky ny antoka ara-tsakafo  iray vilia ho an'ny vahoakantsika sy ny taranaka ho avy.

Mba hanairana ny fahatsiarovantenan'ny olona mikasika ny lanjan'ny tany ao amin'ny Foibem-Pikarohana Ara-Pambolena, tamin'ny taona lasa ny vondrona Facebook UPR Students Reporting dia nikarakara fivahinianana iray nankany amin'ilay foibem-pikarohana. Ny gazetiboky Diálogo Digital dia nampakatra lahatsary iray momba ilay fivahinianana ho ao amin'ny YouTube:

CODERA sy ny FRA dia nanomboka fanentanana mafonja mba hisakanana ny governora tsy hanasonia ilay lalàna fanakalozana tany, amin'ny fanaingàna ireo olom-pirenena haneho ny fandavany ilay fifanakalozana amin'ny alàlan'ny fiantsoana ny La Fortaleza, fandefasana hafatra amin'ny kaonty Twitter an'ny governora, ary hanao sonia ny fanangonan-tsonia iray ao amin'ny change.org.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.