Bahrain: Mibitsika Ireo Fepetra Tsizarizary Ao Amin'ny Fonjaben'i Jaw

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fanadihadihana nataonay manokana momba ny fihetsiketsehana tao Bahrain 2011.

Miara-mivondrona ao amin'ny aterineto ireo mpampiasa aterineto Bahraini mba hisarihana ny saina amin'ireo fepetra tsizarizary ao amin'ny fonjaben'i Jaw, izay ahitàna mpanao politika voafonja, ankoatra ireo hafa.

Taorian'ny fanampenam-bava ny hetsi-panoherana tao Bahrain ny 14 Febroary 2011, dia olona anjatony no voasambotra, notsaraina sy naiditra am-ponja noho ny fandraisana anjara tamin'ny fihetsiketsehana nanoherana ny governemanta.

Mampiasa Twitter ny mpisolovava Reem Khalaf  hizaràna ny hirifirin'ireo voafonja tamin'ity lohataona ity ary ny fahafaham-baraka nahazo azy ireo.

Mibitsika izy manao hoe:

المعتقلين في البحرين يتم سجنهم في سجن جو حيث يفتشون في كل مرة ينقلون فيها للمحكمة بتعريتهم وتفتيش المناطق الحساسة ‎‪#Bahrain‬ ‎‫#سجن_جو
@lawyerreemkhalaf: Ireo voafonja ao Bahrain dia tànana ao amin'ny fonjan'i Jaw , izay savaina foana isaky ny hoentina eny amin'ny fitsarana ka esorina daholo ny akanjon-dry zareo ary voasava hatramin'ny toerana mahamenatra amin'ny vatana.

Manampy izy fa:

المعتقلين في البحرين يتم سجنهم في سجن جو مبنى ٤ حيث ماء الاستحمام يغلي من حرارته و درجة حرارة الجو تفوق ال٥٠ درجة ‎‪#Bahrain‬ ‎‫#سجن_جو

@lawyerreemkhalaf: Ireo voafonja ao Bahrain dia voatàna ao amin'ny fonjan'i Jaw Prison, ao amin'ny Tranobe faha-4, izay hanerena azy ireo handro ao anaty rano mahamay amin'ny hafanana mihoatra ny 50 Degres Celsius

Manamarika i Khalaf ao anaty bitsika hafa fa:

المعتقلين في البحرين يتم سجنهم في سجن جو مبنى ٤ حيث لا يوجد ماء صالح للشرب ‎‪#Bahrain‬ ‎‫#سجن_جو‬

@lawyerreemkhalaf: Ireo voafonja ao Bahrain dia voatàna ao amin'ny Tranobe faha-4, izay tsy ahitàna rano madio azo hosotroina

Ary manohy izy fa:

المعتقلين في البحرين يتم سجنهم في سجن جو حيث احد المباني بلا تكييف و تصل درجة الحرارة لدينا لما فوق ال٥٠ ‎‪#Bahrain‬ ‎‫#سجن_جو

@lawyerreemkhalaf: Ireo voafonja ao Bahrain dia voatàna ao amin'ny fonjan'i Jaw Prison, ahitàna tranobe iray tsy misy rivotra azo hiainana. Mihoatra ny 50 Degres Celsius ny maripàna eto

Manampy i Sayed Hassan fa:

@WLEXT:  Ity hafanana & toetr'andro ity dia mampahatsiahy ny hamaroan'ny fampijaliana faobe atao amin'ireo #mpanao politika voafonja ao Bahrain ‪#JawPrison‬ izay tsy misy fandrindràna ny rivotra iainana (AirConditioning) ‪#JawPrison_tsy misy_AC

Raha te hahita fihetsehana hafa, dia jereo ity tenifototra ity[Ar].

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fanadihadihana nataonay manokana momba ny fihetsiketsehana tao Bahrain 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.