Maoritania: Fahatsiarovana Ny Fanonganam-panjakana Voalohany Nataon'ny Miaramila Teo Amin'ny Firenena

Nanamarika ny faha-34 taonan'ny fanonganam-panjakana voalohany nataon'ny miaramila tany Maoritania ny 10 Jolay 2012. Nanongana ny filoha Moktar Ould Daddah, filoha voalohan'i Maoritania taorian'ny nahazoana ny fahaleovantena tamin'i Frantsa tamin'ny 1960, ny miaramila tamin'ny 1978.

Niatrika ny fanafihan'ny miaramila foana ny firenena nanomboka teo, ny farany izao dia notarihan'ny Brigadier General Mohamed Ould Abdel Aziz, izay nanongana ny Filoha Sidi Ould Cheikh Abdallahi, filoha sivily voalohany voafidy tany Maoritania, tamin'ny  6 aogositra 2008.

Nahatsiaro ny tsingerin-taona ireo Maoritaniana mafana fo tamin'ny alalan'ny fitorahana bilaogy sy ny fandefasana bitsika mikasika izany, ary nanakiana ny fitondra-miaramila any Maoritania.

Moktar Ould Daddah, 1977. Sary avy amin'ny Tahirin-tSary anaty Aterineton'ny Romanian Communism, avy amin'ny Wikimedia Commons.

Mampatsiahy ny niseho taorian'ny fanonganana [ar] ny mpitoraka bilaogy ao amin'ny bilaogy Boutilimit Today (izay naka ny anarany avy amin'ny tanàna niavian’ ilay filoha voaongana tamin'ny 1978):

بدأت السلطات سياسة الإقصاء الممنهجة ضد ولاية الترارزة بشكل خاص، وضد مدينة بوتلميت بشكل أخص فقد قررت النخبة العسكرية الجديدة، تحويل تلك المدينة إلى ” معتقل لأبنائهما كان إخوة الرئيس ولد داداه، وأقاربه إضافة إلى الأطر والمثقفين المنحدرين من ولايته أول المستهدفين، وتواصلت الاعتقالات لتشمل كثيرا من الموريتانيين، فيما كان الأستاذ أحمد ولد داداه يقضي إقامته الجبرية في بوتلميت والتي مكنته من حفظ القرآن الكريم، كان الأمير احبيب ولد أحمد سالم يعلك لجام الأسى وهو سجين محمول في مؤخرة 404 تشق به وهاد المذرذرة إلى نواكشوط.
Nanomboka nanilika tsikelikely ny Faritra Trarza ireo manam-pahefana ara-politika, ary indrindra fa i Boutilimit manokana. Nanapa-kevitra ireo miaramila tampom-pahaizana vaovao ny hanova ilay tanàna ho fonjan'ireo zazalahy taranany, izay ahitana ny rahalahy sy havan'ny Filoha Ould Daddah. Anisan'ireo lasibatra voalohany ihany koa ireo manam-pahaizana avy eo amin'ny faritra. Giazana tsy hahazo hivoaka ny tranony any Boutilimit i Ahmed Ould Daddah [rahalahy tsy iray kobo amin'i Moktar Ould Daddah], izay nahafahany nitadidy ny Korany Masina. Naneho ny alahelony ny Emir Habib Ould Ahmed Salem [emiran'i Trarza] noho izy nentna tanaty kamiao tamin'ny lalana nihazo an'i Nouakchott namakivaky ny lemak'i  Mederdra.

Nanoratra mikasika ny tsingerenantaona ilay mafana fo Baba Ould Brahim eo amin'ny bilaoginy Surakh Al Watan (“Ny Hiakan'ny Tanindrazana”):

إن الحديث عن الانقلابات في موريتانيا يعني الحديث عن خمسة عشر انقلاب وجد البعض منها سبيله في الاستيلاء على السلطة بينما فشل الآخر في ذلك ,بدأت بانقلاب 1978م وظلت مستمرة ومحكوم بها كقدر محتوم أعناق الشعب الموريتاني حتى اليوم.ويمكن اختزالها عموما ,و تقسيما إلى ثلاث مراحل أساسية تبدأ أولاها من 1978م حتى 1991م حيث بداية المرحلة الثانية التي انتهت بانقلاب 2005 الذي شكل هو الآخر بداية للمرحلة الثالثة التي لم تنتهي بعد.لولا الاختلاف في الأشخاص والأسماء لقيل أن موريتانيا عرفت انقلابا واحدا ,وذلك لاتحاد جميع الانقلابات في الأسباب , والتشابه في المسار ,والوصول إلى نفس النتائج.
كان العاشر من يوليو 1978 موعد موريتانيا مع أول انقلاب من طرف مجموعة من ضباط جيشها , دوافعهم في ذلك كما قالوا الحرب التي يخوضها الجيش ضد البوليساريو في ظروف وصفوها بالصعبة , فهو غير مؤهل لذلك من حيث السلاح والمئونة والتدريب…
لقد تلازم مع هذا الانقلاب ,القضاء على جميع المظاهر المدنية في الدولة , وهو ما اتضح جليا من خلال الميثاق الذي يمنع التعددية السياسية , ويحرم على المدنيين ممارسة السياسة.
Ny fanafihana dimy ambinifolo no resahana raha vao miresaka ny fanafihana tany Maoritania, ny sasany amin'ireo no nahita làlana haka ny fahefana, ny sasany kosa tsy nahavoa. Nanomboka tamin'ny fanafihana tamin'ny 1978 izany ary mbola mitohy, ary dia nijanona ho toy izany hatrany ny fitantanana ny fiainan'ireo Maoritanina mandrak'androany. Azo fehezina izy ireo, ary zaraina anaty dingana lehibe telo. Ny voalohany nanomboka ny 1978-1991, ny andiany faharoa  naharitra hatramin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2005, ary ny fahatelo izay mbola tsy tapitra hatramin'izao. Azontsika lazaina hoe fanafihana iray ihany no natrehan'i Maoritania raha tsy singanina amin'ny olona sy ny anarana, satria antony iray ihany no tena fototry ny fanonganana hatrizay, ary nitovy avokoa ny fomba nanaovana azy ireo, ary nitovy ihany koa ny vokatra naterany.
Ny 10 Jolay 1978 no fotoanan'ny Maoritania tamin'ny fanonganana voalohany nataon'andiana manampahefana avy amin'ny tafika, izay nilaza fa ny manosika azy ireo dia ny ady ataon'ny tafika amin'ny Polisario izay nolazain'izy ireo hoe toe-draharaha sarotra, tsy misy irika ahitana fitaovam-piadiana, tsy misy vatsy, na fanofanana.
Ny zavatra iraisan'ny fanonganana tsirairay dia ny fanafoanana ny endrika siviliy ananan'ny fitondrana, natao mazava tsara ao anatin'ny satan'ny lalam-panorenana, izay mandrara ny fahamaroana ara-politika ary manakana ny sivily tsy handray anjara amin'ny resa-politika.

Fisamborana ireo mahery fon'ny hetsika 25 Febroary. Avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Hetsiky ny 25 Febroary.

Mibitsika mikasika ilay tsingerintaona ny mafana fon'ny hetsiky ny 25 Febroary,  Med Lemine Echvagha:

@eddennine: بعد ايام تكمل ‎‫#موريتانيا‬ سنتها الرابعة والثلاثين تحت حكم العسكر، يسقط…يسقط حكم العسكر ‎‫#ارحل_عزيز‬
Ato anatin'ny andro vitsy dia ho feno 34 taona ny naha-teo ambany fitondrana miaramila an'i Maoritania. Aongano ny fitondrana m,iaramila, [Jeneraly] Aziz mialà teo

Nanoratra ilay bilaogera Sidi Al Tib Ould Mojteba hoe:

@mojteba: تؤلمني ذكرى هذا اليوم المشؤوم، ويحز في النفس أن نخبة بلادي لا تدرك جسامة الخطب وهول الكارثة.. يسقط يسقط حكم العسكر ‎‫#موريتاني‬
Mahatohina ahy ny tsingerintaonan'ity andro ratsy ity, ary mampalahelo ny mahita hoe tsy tonga saina amin'ny halalin'ity zavatra ity sy ny haratsian'ity loza ity ireo tampom-pahaizana eto amin'ny fireneko… Aongano ny fitondràna miaramila Maoritaniana.

Nanakiana ny famelomana indray ny tsingerintaonan'ny 10 Jolay nataon'ny hetsiky ny 25 Febroary ny mafana fo Baba Ould Hourma:

@hourmababa: وقفة حركة ٢٥ فبراير في ذكرى أول انقلاب عسكري يعكس وعيا شموليا بجذور المعضلة السياسية في ‎‫#موريتانيا‬ وتجاوزا لأطروحات القوى التقليدية في البلد
Maneho ny fahatsiarovantenan'ny eny ifotony momba ny olana ara-politika any Maoritania ny toerana noraisin'ny hetsiky ny 25 Febroary mikasika ny tsingerintaonan'ny fanonganam-panjakana voalohany natan'ny tafika sy fanaovana tsinontsinona ny fahefana nentim-paharazana teo an-toerana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.