Libanona: Fifantohan-tsaina Ho Amin'ireo Olona Tsy Hita Sy Nalaina An-keriny

Vitsy ny olona no mihevitra fa ny Ady an-trano Libaney, tamin'ny 1975 taorian'ny Vonomoka tao Ain el-Rammaneh ary nihitatra hatramin'ny Oktobra 1990 rehefa noraisin'ny Tafika Syriana ny fitantanana an'i Baabda Palace, no niteraka ny fahafatesan'olona maherin'ny 150.000, ny fanjavonan'olona 20.000 ary ny famindràna toerana ireo Libaney aman'hetsiny avy amin'ireo sekta sy tontolo samihafa.

Ireo fianakaviana sisa tavela mitady vaovao manerana ny firenena mikasika izay mety nanjo ny zanany. Natsangana ny komity taorian'ny ady hanao ny fanadihadiana  mikasika ny fototry ny fanjavoanana, izay mifantoka amin'ny fanairana ny governemanta sy ny rafi-piarahamonina sivily mikasika ny olan'ireo olona nanjavona sy nalaina an-keriny olona ny ezaka ataony, amin'ny alàlan'ny hetsi-panoherana nanoloana ny biraon'ny Firenena Mikambana  sy ny Fikambanana miaro ny Zon'Olombelona.

Ireo fakàna an-keriny tato ho ato, natao hatramin'ny nipoahan'ny Revolisiona Syriana dia nampimpongatra indray ny horohoro tsy miato sy nisarika indray ny saina ho amin'ny olan'ireo olona nanjavona tao Libanona.

Hita ao amin'ireo fakana an-keriny tato ho ato : ny an'ilay Syriana Shably al-Aisee avy ao Aley any Libanona tamin'ny herintaona (mbola tsy fantatra ny misy azy amin'izao); ny an'ireo mafàna fo Syriana telo izay nitlo-batana tamin'ireo manam-pahefana Syriana; ary ny an'ireo Libaney 11 tany avaratr'i Syria tamin'ny faran'ny volana May 2012.

Namaly ireny trangan-javatra ireny ireo mafàna fo mpiaro zon'olombelona tamin'ny alalan'ny fanoratana lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy manokana sy ireo tranonkalan'ny tambajotra sosialy mba hanome  tara-pahazavana vaovao mikasika ny olana ary miaraka miasa amin'ny komity misahana ireo olona tsy hita izay manao fampielezan-kevitra miaraka amin'ny fitaovana sy teknika vaovao eny amin'ny araben'i Libanona sy Syria ary koa eo amin'ny aterineto.

The missing: their fates depend on the proposed law.  <a href="http://www.almuhasaba.com/" target="_blank">"Accountability"</a>. Used with permission

Tsy hita: miankina amin'ny lalàna natolotra ny hoavin'izy ireo. “Accountability”. Nahazoana alàlana ny nampiasana azy

Ampahany amin'ny fandraisana anjara ho firaisankina amin'ilay fanentanana dia  nanoratra [ar] ny fianakavian'ireo olona tsy hita sy nalaina an-keriny manao hoe: ‘hafatra ho an'i Widad Halmani  : miaritra ny lelam-pintana ny maso‘ eo amin'ny bilaogin'ny “Accountability“, na ‘Fandraisana andraikitra’,  gazetiboky anaty aterineto an'ny fampielezan-kevitra nasionaly ho fanenjehana ireo mpamono olona tamin'ny ady an-trano:

بعد خطف زوجها عدنان حلواني في أيلول عام 1982، لم تستسلم وداد للواقع. وضعت اعلاناً في صحيفة، طالبة اجتماعاً لأهالي المخطوفين أمام مسجد عبد الناصر في كورنيش المزرعة. وإذ بالشارع مملوء بنسوة بعضهن يحمل أطفالهن الرضع. مشهد أظهر حجم الكارثة التي أحلت بلبنان، ووضعها في مساحة صغيرة. عندها بدأت مسيرة وداد للمطالبة بحقوق ذوي المخطوفين والمخفيين قسراً في معرفة الحقيقة: ماذا حلّ بأزواجنا وزوجاتنا وأبنائنا وبناتنا وأطفالنا؟
Tsy nety nitolo-batana i Widad taorian'ny nakàna an-keriny ny vadiny Adnan Halmani tamin'ny Septambra 1982. Nanisy soratra tany amin'ny gazety izy niantso fihaonan'ireo fianakavian'ny nalaina an-keriny teo anoloan'ny Maoske Abdel Nasser any  Corniche el-Mazraa (Beirut). Feno vehivavy ny làlana, ny sasany mitondra ankizy madinika, ary nazava tsara ny haben'ny loza niseho tany Libanona. Nitaky ny zon'ireo tsy hita sy nalaina an-keriny ary nangataka hahalala ny marina ireo mpanao diabe: inona no nahazo ireo vady sy zanakay?

Nandeha tamin'ny fandaharana “special visit / Fitsidihana manokana” nalefan'i Al Jazeera ny resadresaka nifanaovana tamin'i Widad Halmani, izay nandinika ny volavolan-“dalàna momba ireo olona tsy hita sy nalaina an-keriny” izay arafitra amin'izao fotoana miaraka amin'ny rafi-piarahamonina sivily izay manantena fa holanian'ny manam-panjakana Libaney izy io.

Nanoratra toy izao i Nadine Bekdache eo amin'ny Twitter-ny [ar]:

العفو العام لازم مراجعته فهو إجراء يبرئ المسؤول ويدين الشعب #Lebanon #Amnesty
@NadineBek: Mila averina jerena indray ny fanafoanan-tsazy faobe: manadio ny olo-meloka fotsiny izy ity ary manasazy ny vahoaka #Lebanon #Amnesty
The general amnesty: it absolves the perpetrators and condemns the people. Nadine Bekdache on Twitter @NadineBek. Used with permission

Ny fanafoanan-tsazy faobe: manadio ny olo-meloka fotsiny izy ity ary manasazy ny vahoaka. Nadine Bekdache eo amin'ny Twitter @NadineBek. Nahazoan-dàlana ny fampiasana azy

Manohy miady ny zo hahafantatra ny nanjo ny zanany ireo fianakavian'ny niharam-boina, tsy ho an'ireo izay mbola velona fotsiny fa ihany koa ireo efa maty. Manohy miady ho fankatoavana ireo sisam-paty tamin'ny ady eny anivon'ny fiarahamonina  amin'ny ankapobeny ihany koa izy ireo.

Nanoratra toy izao ny bilaogy “walls of Beirut” [ar]:

إنّ حقّ المعرفة، الّذي أصبح مبدءًا عامًّا مكرّسًا في الاتفاقيات الدوليّة والقانون الإنساني، هو حقّ جماعي وفرديّ في آن. فلكلّ ضحيّة الحقّ بمعرفة الحقيقة حول الانتهاكات الّتي طاولتها، لكنّ يجب إعلان الحقيقة أيضًا على صعيد المجتمع كضمانة تحول دون تكرار هذه الانتهاكات.
Sady zom-bahoaka no zon'olon-tokana ny zo hahafantatra, izay amin'ny ankapobeny dia foto-kevitra sady eken'ny iraisam-pirenena no an'ny tsirairay koa. Manana zo ny niharam-boina isan'isany ny hahalala ny voina nahazo azy, nefa ny marina koa tokony ho fantatra mba hahafahana miantoka fa tsy hiverina intsony ireny zava-doza ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.