Espaina: Tsy Fifanarahana Taorian'ny Fanafoanan'ny Fitsarana Tampony Ny Fampidirana Ny Catalan

Protest in Barcelona against the Supreme Court Ruling. Image uploaded by Twitter user @jordiborras

Fihetsiketsehana ao Barcelone manohitra ny fanapahan-kevitry  ny Fitsarana Tampony. Sary avy amin'ny mpampiasa Twitter @jordiborras

Fanamarihana: Ireo tenifototra mifandraika amin'ny amin'ity lahatsoratra ity dia ireto avy #somescola sy #ANCat. #somescola mandika ny hoe #WeAreSchool, raha #ANCat kosa ho an'ny bitsika manohana ny fahaleovan-tena Catalan ao Espaina.

Indray mandeha indray, nibahan-toerana tanteraka tao amin'ny tontolon'ny bilaogy ny adihevitra momba ny fiteny Catalogne, taorian'ny didy noraisin'ny Fitsarana Tampony Espaniola tsy ela akory izay [cat] manafoana ny fampilonana fiteny ho an'ny ankizy eo anelanelan'ny telo ka hatramin'ny enin-taona. Lasi-panabeazana miantoka ny fifehezana ny teny Catalan ho an'ireo miteny tenin-dreny hafa ny fampilonana fiteny Catalan .

Mampiharihary ny fihetseham-po mavesatr'ireo olom-pirenena Catalogne avy aminà sehatra isan-karazany ny fanehoan-kevitra sasantsasany tamin'ny aterineto, ka naneho fa ny farany indrindra amin'ireo andianà tsikera nataon'ny Governemanta Espaniola ny fiteny Catalan ilay didy fanapahana, izay azo lazaina tena nanampy tokoa tamin'ny fiakaran'ny fanohanana ny fisintahana teny anivonon'ireo mpifidy. Tsindrin'i Querbosch tsara, ao amin'ny bilaoginy El Mont [cat], fa ny didin'ny Fitsarana Tampony dia tsy hanao afa tsy ny hanamafy ny mety hisian'ny fahaleovan-tena:

Així que ja poden començar a prohibir el Català, que així començarem  més aviat a costruir l'Estat català.

Raha mbola afaka miatrika ny ho avy izy ireo ary hanakana ny Catalan, dia afaka miatrika ny ho avy koa isika ary manangana ny fanjakana Catalan.

Nanoratra ihany koa mikasika ilay raharaha i Ramon Farré, ao amin'ny bilaoginy, Coca de recapte [cat]:

Altre cop el Suprem torna a sentenciar en contra del català. Així de clar. Sense subterfugis. La sentència afegeix una nova càrrega a l’ús normal del català a l’aula. I de l’aula, a la societat.

Dia mbola nanapa-kevitra indray mandeha indray ny Fitsarana Tampony momba ny fiteny Catalan. Tena mbola tsy mazava mihitsy ny aminy. Tetika iray iny hamongorana ny fampiasàna matetika ny fiteny any an-tsekoly, ary mifamadika amin'izany,  any amin'ny fiaraha-monina.

Ankoatry ny bilaogy, dia nanokatra làlana hampitombo ny fahalinana tao amin'ny Twitter ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana, miaraka amin'ny tenifototra vaovao #somescola (#WeAreSchool), miaro ny fampiasàna ny fiteny any amin'ny sekoly Catalan:

@PerLaGarrotxa Recordem que la comunitat educativa està organitzada entorn a #SomEscola per defensar l'escola catalana. Més info: http://www.somescola.cat

@PerLaGarrotxa Aza adino fa mifandamina manodidina ny  #SomeEscola ireo mpampianatra mba hiarovana ny sekoly ao Catalan. Fanazavàna fanampiny: http://www.somescola.cat

@Nuriastorch Els resultats de les PAU demostren la igualtat de condicions en què hi arriben alumnes catalanoparlants i castellanoparlants #somescola

@Nuriastorch Ny vokatry ny fitsapàna manara-penitra dia maneho fitovian'ny fanabeazana eo amin'ny mpianatra miteny ny Catalan sy Espaniola #somescola

‏@assemblea No acatem la sentència!! No és el nostre tribunal, no és la nostra constitució! http://www.assemblea.cat #ANCat #somescola

@assemblea Ataovy ankivy Ilay fanapahan-kevitra!! Tsy ny Fitsarana Tampony aty amintsika, tsy ny lalàm-panorenantsika! http://www.assemblea.cat #ANCat #somescola

@cupnacional “Només amb la independència dels Països Catalans podrem garantir el futur per la nostra llengua” http://ow.ly/bRwFn #somescola

@cupnacional “Ny fahaleovan-tena ihany no hiantoka ny ho avin'ny fitenintsika.” http://ow.ly/bRwFn #somescola

Toa miara-dàlana amin'ny bilaogera Catalan sy mpibitsika maro ny hevitry ny vahoaka izay nampiseho hatezerana tamin'ilay didy. Ny fakàna ny fanehoan-kevitry ny vahoaka isan'ny akaiky indrindra [cat] nataon'ny Centre d'Estudis d'Opinó's (Ivon-toerana Fandalinana Fanehoan-kevitra) manmbara fa 51% n'ireo namaly no manohana ny fahaleovan-tenan'i Catalan, voalohany tao anatin'ny am-polotaonany izao no toy izao ny valintenin'ireo mpifidy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.