Yemen: Ela Ny Ela, ao Sanaa ny TEDx !

Misy fientanentanana be ao Yemen sy eny anivon'ireo mpiondana aterineto fa tonga ao Sanaa ihany ny TEDx nony farany rehefa azo ny fahazoan-dàlana hanao ilay hetsika ny 13 Jolay 2012. “Ny fandaharanasa  TEDx dia natao mba hanomzeana ireo vondrom-piarahamonina, fikambanana ary ny isam-batan'olona fahafahana mifampiresaka amin'ny alalan'ireo traikefa miendrika TED eo an-toerana ihany,” hoy ny filazan'ilay fandaharan'asa. Noho izany, marobe ireo  Yemenis hanam-bintana hizara n y nofinofin-dry zareo, n y traikefany ary ny heviny, izy samy izy sy amin'izao tontolo izao amin'ny Desambra 2012.

Ity lahatsary nakarina ao amin'ny TedxTalks ity dia manazava amin'ny teny fohifohy nefa mafonja ny rehetra mikasika ny Tedx.

Indreto misy fanehoan-kevitry ny Yemeni tao amin'ny Twitter:

@Dhman_1: Ela ny ela #TEDxSanaa‬ ‪#Yemen‬ SoOn ^__^ https://www.facebook.com/pages/TEDxSana

@Ghatis: efa niteny foana ahofa hoe ny tsy faharaisam-baovao dia vaovao tsara, indrindra tamin'ny taona lasa manokana, saingy ela ny ela naheno zavatra tsara momba an'i #Yemen‬ ‪#TEDxSanaa‬ aho

TEDx Sanaa

Manomboka ny isa miverina ho an'ny  TEDx Sanaa

@Afrahnasser: Iray amin'ireo “hevitra malaza indrindra mikasika hetsika mila aparitaka” manerana izao tontolo izao no mitranga ao #Yemen‬ – ‪#TedxSanaa‬ ao amin'ny  http://instagr.am/p/NCTUOWKDE5/

@Sarah_Sanaa: Antony mampientanentana ahy mikasika ny #TEDxSanaa‬ dia làlana goavana iray io ahafahana miady amin'ireo ideolojian'ny tafahoatra, amin'ny alàlan'ny sehatry ny fahalalàna monja ihany ‪#Yemen‬

@A4Mai: hatao ao Sanaa ny voalohany amin'ny Tedx @tedxsanaa  mba hanasongadinana ireo hevitra mitondra fiovàna sy ireo mpandraharaha. Mandraisa anjara mba hampiranty ireo hevitra goavana any aminao.

@almuraisy: من أسعد الأخبار الأخيرة عن اليمن.. قريبًا سيكون لنا نسختنا الخاصة من تيدكس ‎@TedxSanaa متفائل كثيرًا بهذه الفعالية.. ترقبوا التفاصيل تباعًا
Iray amin'ireo vaovao mahafaly farany momba an'i Yemen ..atsy ho atsy isika dia hanana ny TEDx antsika manokana @TEDxSanaa Tena velom-bolo amin'io hetsika io aho.. Araho ny fanavaozam-baovao amin'ny antsipirihany.

@WomanfromYemen: Tohano ny @tedxsanaa amin'ny fanolorana hevitra hakàna aingam-panahy, fisaina & tohana. ‪#Yemen‬ ‪#tedxsanaa‬

@tedxsanaa: Nanomboka ny isa miverina ho an'ny fanomanana ny kaonferana voalohany  ‪#TedxSanaa‬ ao ‪#Yemen‬. Tsidiho ny pejinay ao amin'ny Facebook http://on.fb.me/LVv2AX

Raha mila fanavaozam-baovao misimisy kokoa dia azona arahana ny  TEDxSanaa ao amin'ny Twitter ary amin'ity tenifototra ity #TedxSanaa ary araho ny pejy Facebookn-dry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.