Seho Youtube Mitondra Ny Haino Aman-jery Sosialy Ho An'ireo Mpijery Miteny Anglisy

Te-hahalala ny zava-miseho ao amin'ny haino aman-jery sosialy any Shina nefa tsy mahay miteny Shinoa ve ianao ? Tohizo ary ny vakiteny. Efa efa-bolana izay no nanokafan'i Elle Lee (@ElleIconLee) sy Casey Lau (@hypercasey) Youtube mba hanaparitahana  ny  Weibo Today izay fandaharana isan-kerinandro ao anaty aterineto  manasongadina ireo lohateny malaza avy amin'ireo tambajotra sosialy any Shina amin'ny teny Anglisy.

Elle Lee no manoratra ny fandaharana sady mpanolotra, Casey Lau kosa no mpamokatra sady miasa any ambadiky ny sehatra. Niresaka tamin'ny Elle Lee izahay mikasika ny fandaharan-dry zareo.

An image of the online show Weibo Today

Sarin'ny seho anaty aterineto an'ny Weibo today

Global Voices (GV)- Ahoana no nahitanareo hevitra hamokatra seho anaty aterineto amin'ny Weibo?

Elle Lee (EL): Miha-mivelatra hatrany hatrany ny fahalinana amin'i Shina sy ny fampahalalam-baovaon'oln-tsotra ao aminy. Matetika ny mpijery iraisam-pirenena sy ireo orinasa dia tsy mahalala ny tontolon'ny haino aman-jery sosialy any Shina. Amin'ny maha-mpiara-mamorona ny #HKSocial ( haino aman-jery sosialy miorina any Hong Kong) dia tiako ny mizara ny fahalalàna momba ny haino aman-jery sosialy. Sady niaina tany Shina aho no  niaina tany Andrefana, ankehitriny aty Hong Kong izay manana kolontsaina marolafy. Noho izany, mino aho fa afaka mitondra teny tsy miandany. Tsy mikasika ny haino aman-jery sosialy ihany ny fandaharako fa mahakasika ny vaovao misy marina any Shina ihany koa, tsy misy sivana nasionaly.

Sina Weibo foana no haino aman-jery sosialy Shinoa ” Laharana voalohany” atolotro. Tsy mitovy amin'ny Twitter izy io fa fikambanan'ny Twitter, Facebook, Tumblr sy ny Instragam. Foibem-baovao io ary ao no itrandrahan'ny olona vaovao. Ny votoatin'ny Weibo dia tena manakaiky marina ny feom-bahoaka any Shina

GV: Inona ary no tanjon'ny Weibo Today ?

EL: Voalohany indrindra ary mialoha ny rehetra, tianay ho fantatry ny olona fa tsy sivana sy adi-hevitra politika fotsiny i Shina. Miresaka sarimihetsika ny olona, olo-malaza, olana ara-tsosialy ary vaovao iraisam-pirenena. Hazavainay ihany koa ahoana ny fampiasana ny Weibo amin'ny zavatra maro hafa fa tsy hiresaka fotsiny izay hohanin'ny olona na ny ataony, ahoana no hanampiany ny olona, ahoana ny fiantraikany amin'ny fiainany, ahoana ny hadalany ary ahoana no tsy maha-samy hafa azy amin'ny tambajotra sosialy Tandrefana.

GV: Indraindray mety ho sarotra ny manakatra ny fifandraisana noho ny fahasamihafan'ny kolontsaina na ny tsy fahampian'ny fahalalàna. Ahoana no hivoahanareo amin'io ?

EL:Io no iray amin'ny tanjonay voalohany amin'ny fanaovana ny Weibo Today. Tsy  mikasika sivana sy kaominisma fotsiny ihany no resahana. Ohatra, ny tantaran'ny Titanic 3D dia iray amin'ireo karazan-javatra izay hitanay fa hiantsapazan'ny haino aman-jery Tandrefana mba hanaovana an'i Shina ho tahaka ny mbola tamin'ny taonjaton'ny paibato. Tsy hiady hevitra aho fa misy zavatra be dia be  mila fanovàna any Shina mba ahafahany milahatra amin'izao tontolo izao, nefa tsy maintsy jerenareo ireo olona 1 lavitrisa sy ny mety ho vokatry ny vaovao maro tafahoatra raha tsy aparitaka tsara amin'ny tokony ho izy.

Izany no mahatonga ny sehatra weibo ho sady mahaliana no mampientana – amin'izao fotoana izao izahay dia mitsinjo avo sy lavidavitra kokoa mba hanandrana hampihena ny hantsan'ny tsy fahalalana, amin'ny famokarana tantara tsy mahazatra na mampihomehy mora takatr'ireo mpijery Tandrefana kokoa.

GV: Ahoana ny fandehany amin'izao fotoana izao ?

EL: Mandeha tsara, mahazo tamberina tsara avy any amin'ny mpijery izahay ary mitombo avo roa heny ny mpijery isaky ny misy andiany vaovao, satria mahazo  mpijery misimisy kokoa avy any Hong Kong, Etazonia, Kanada, Angletera ary Aostralia ihany koa izahay. Izay no iray amin'ireo zavatra goavana amin'ny fanaovana seho anaty tranonkala : mila manana iPhone sy iMovie dia afaka manomboka ny fandaharanao anao manokana ianao. Fa ny tena lafatra, miketrika izay hahitàna mpanohana sady miketrika izay hivarotana ilay seho amin'ireo tranonkala fizaràna lahatsary .

GV: Manana vinavinan'asa ho an'ny Weibo Today ve ianareo ?

EL: Ny lahatsary amin'ny tranonkala dia fomba fiseraserana iray tena matanjaka, noho izany tianay ny hamokatra seho tsara sy avo lenta kokoa tahaka ny Revision3, hany vondrona mpamokatra seho anaty aterineto fotsiny any San Fracisco. Mihevitra ny handray ireo talenta liana amin'ny haino aman-jery sosialy, mpampiantrano sy mpamokatra izahay. Efa mandray an-tsary sahady ny fandaharana vaovao iray amin'ny teny Shinoa antsoina hoe : ” Twitter Today, na Twitter Ankehitriny” izahay, ikendrena ny vahoaka Shinoa ary manomana seho momba ny fomba fiaina sasantsasany ao Hong Kong sy Shina, Araho tsy miato!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.