Ejipta: Naka ny Pop Corn-ny Ny Farao Lehibe

Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, tsy nankasitrahan'ny Ejipsiana loatra ireo nosafidiany tamin'ny fiodinana farany; nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin'ny fifidianana ny sasany raha nifidy ny kandidà iray noho ny tahotra ilay kandidà hafa kosa maro hafa.

Ankehitriny efa i Mohamed Morsi, kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana, no lasa filoha [mg], ary na dia resy tamin'ny fifidianana aza i Ahmed Shafiq, izay notohanan'ny Filan-kevitra Faratampon'ny Tafika (SCAF), mbola manana vatom-panorona maro azony ampiasaina ny miaramila [mg].

Tonga tamin'izay nantsoin'ny bilaogin'i Big Pharaoh [Farao Lehibe] hoe “Fifandonan'ny Jiolahim-boto“, tolona eo amin'ny SCAF sy ny Mpirahalahy Miozolomana amin'izay hitana ny fahefana ambony ao Ejipta ny raharaha.

@NPSusa: SCAF & MB, 2 autocratic organizations are in battle, “each side trying to frame the debate as a contest for ideals, legitimacy and democracy”.

Mifampitolona ny SCAF sy ny MB, fikambanana roa samy jadona [mitari-tokana], “samy mitondra ny adihevitra ho ady ho amina idealy, ara-drariny sy demokrasia ny andaniny sy ny ankilany”

Mandritra izany fotoana izany, ny fahefana mpanao lalàna no fiadiana ifampitoloman'ny roa tonta amin'izao fotoana izao:

@ZaouguiChams: Egyptian politics are not a 2 party game (MB vs Scaf): the judiciary plays a vital part in Post-Mubarak Egypt.

Tsy lalaon'antoko roa (MB # SCAF) ny politika ejipsiana: Manana anjara toerana fototra amin'ny vanim-potoana aorian'i nitondran'i Mubarak ny [fahefana] mpanao lalàna

@Cairo67Unedited: Situation best described as ‘Warm’ war between #SCAF #HCC on 1 hand and #Mursi #MB on other.

Voatantara tsara kokoa amin'ny maha- ady ‘Mafana’ eo amin'ny #SCAF sy #HCC andaniny ary eo amin'i #Mursi sy #MB ankilany ny toe-draharaha.

Ary ny fanontaniana am-bavan'ny Ejipsiana maro amin'izao fotoana dia hoe, “Tsy Maintsy Miandany Ve Isika?”

Namaly Ny Farao:

While some revolutionaries chose to side with the elected MB against SCAF, I made up my mind to grab the pop corn and watch the dogfight. As far as I am concerned, SCAF and the MB are exactly like two thugs fighting each other and the revolution is caught in the middle. Neither thug gives a hoot about the revolution. Why would I support a side while I know beyond a shadow of doubt that the winner will evetually turn against me.

Raha naka andaniny tamin'ny MB ho fanoherana ny SCAF ny revolisionera sasany, Izaho kosa nanapa-kevitra haka pop corn dia hijery ilay adin'alika. Eo amin'izay maha-tafiditra ahy amin'ity raharaha ity, tena tahaka nyjiolahimboto miady ny SCAF sy ny MB ary tery eo afovoany ny revolisiona. Tsy misy mihorakoraka momba ny revolisiona ireo jiolahimboto ireo. Nahoana aho no hiandany raha fantatro tsy misy fisalasalana fa hivadika amiko izay mandresy?

Saingy nampiany avy eo izay tokony ataon'ny revolisionera ankoatra ny fijerena ity adim-pahefana tsy mitsahatra ity:

Egypt needs an alternative to the MB and the army generals. There must be a third option provided to the people in the upcoming elections. If that third option did not arise, we’ll remain enslaved to the outcome of the MB and SCAF dogfight.

Mila safidy hafa noho ny MB sy ny jeneralin'ny tafika i Ejipta.Tokony hisy safidy fahatelo atolotra ny vahoaka amin'ny fifidianana ho avy. Raha tsy mitsangana io safidy fahatelo, mbola hoandevozin'izay mandresy amin'ny adin'ny MB sy ny SCAF isika
SCAF: Filankevitra Faratampon'ny Tafika
MB: Mpirahalahy Miozolomana
HCC: Fitsarana Avo Momba ny Lala-panorenana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.