India: Miparitaka Ny Lahatsary Mampiseho Herisetra Sy Vetaveta, Mampieritreritra Ny Fitsipiky Ny Fampielezam-baovao

Tsy ela akory izay dia nisy lahatsary iray ahitàna tovovavy Indiana 16 taona nanaovan'ny andiana lehilahy manodidina ny 20 vetaveta teo ivelan'ny toeram-pisotroan-toaka iray tany Guwahati, niparitaka be rehefa navoaka tamin'ny YouTube tamin'ny 10 Jolay 2012. Nalefan'ny fahitalavitra tany an-toerana ihany koa izy io ary nampanontany tena ireo mpampiasa aterineto izany momba ny fitsipiky ny fampielezam-baovao, indrindra ny fomba niparitahan'ity vaovao ity. Simantik Dowerah dia mihevitra fa tokony nandray andraikitra bebe kokoa ny fampielezam-baovao sy ny manampahefana nefa tsy nahavita ny adidiny. Sharmila Ravinder dia milaza fa henatry ny firenena izao. Niteraka fanehoan-kevitra maro koa ity vaovao ity tao amin'ny Twitter.

Ny Fiainana sy Fotoanan'ny Vehivavy Indiana Mpikarakara Tokatrano dia manoratra:

Tohina loatra ka tsy mahalaza firy, mba jereo ity lahatsary ity (Ao amin'ny NDTV) – mety hahatsapa ianao hoe tsy tokony naseho vahoaka io lahatsary io – na tokony namboarina nialohan'ny namoahana azy tamin'ny You Tube, nefa satria efa miparitaka ihany izy dia tokony hojerena mba ahafahantsika mandinika ny tarehin'ireo mpanao vetaveta na mpanolana – tokony hofantarina ireo lehilahy ireo, tadiavina sy samborina ary omena sazy ho anatra amin'ny sisa.

Namoaka sary vitsivitsy mampiseho ireo mpanao ratsy ihany koa ilay mpitoraka blaogy.

Ny tena manorisory ny maro dia nisy ireo nanatri-maso ny loza saingy tsy nisy namonjy azy. Ny mpitsikera sasany dia nanontany tena raha lasa firenen'olona mpitazam-potsiny i India.

Sary avy amin'i Blanknoise. CC BY-NC-SA

Vidyut dia mametraka fanontaniana goavana vitsivitsy:

* Nahoana ilay “cameraman” no nandrakitra lahatsary fa tsy namonjy azy?

* Inona no nataon'ilay “cameraman” teny an-dàlana, vonona handrakitra lahatsary tsara kalitao miaraka amina kamera fakana sary ho an'ny fahitalavitra sy ilay mpanao gazety mpiara-miasa aminy tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza? “Sendra” mba nandalo teny fotsiny ve?

* Nahoana amin'ny voalohandohan'ilay lahatsary misy an'ireo tovovavy mifamaly? Angaha ireo mpanao gazety miala sasatra makamaka sary olona mifamaly?

Milaza ny tatitra fa avy amina fiaraha-monina zanatany ilay niharan-doza ary tsy vao izao no nisy herisetra fanavakavaham-bolonkoditra atao amin-dry zareo. Betsaka ny fitarainana avy amin'ny vahoaka izay nanery ireo mpitandro filaminana hihetsika, ka taorian'izay dia nisy fisamborana vitsivitsy natao. Nametra-pialàna ilay mpanao gazety nomelohina ho nitarika ny loza.

Ritu Lalit dia miantso ireo vehivavin'i India ho saro-piaro amin'ny zony ary tokony hiato tsy handefitra ny fanararaotana ry zareo  mba hisorohana ny tranga tahaka itony.

Vidyut ao amin'ny AamJanata dia milaza fa ny toe-tsain-tarika eny amin'ny vahoaka, na amin'ny aterineto na tsia, dia karazana herisetra ara-tsaina izay manimba ny fiaraha-monina. Milaza ilay mpitoraka blaogy hoe:

Raha fintinana, fotoanany izao hanekentsika fa miaina anatinà tontolo noforonintsika isika. Isika ihany no lasibatra, isika no mpanao vetaveta, isika no mpanao tahirin-tsary manala voly.

Miteny i Greatbong ao amin'ny Eritreritra Kisendrasendran'ny Saina Adala (Random Thoughts Of A Demented Mind) hoe:

Ny tokony atao dia tokony hosamborina araka ny hery ananan'ny lalàna ireo mpanao ratsy ary haingana (tahaka ny nitrangàn'izany tamin'ny korontana tany Londona) ary izany, izany irery ihany no hanana akony matanjaka hisorohana ny tranga tahaka itony amin'ny hoavy. Tsy misy ankoatr'izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.