Ozbekistana: Tambajotra Sosialy ‘Nasionaly’ Hala Tàhaka Tamin'ny Facebook

Mety ho efa afa-po amin'ny kaontinao Facebook ve ianao ka hikisaka mankaminà sehatra tambajotra sosialy “nasionaly”?  Eny , izay mihitsy no tahaka ny safidy antenain'ireo manampahefana any Ozbekistana hataon'ireo mpampiasa aterineto. Manao fanamby ry zareo manoloana ny lazan'ny Facebook sy ny tambajotra sosialy amin'ny fiteny Rosiana Odnoklassniki [MpirayKilasy] ao amin'ny firenena, amin'ny alàlan'ny fampahafantarana ny Youface, sehatra iray vaovao ao an-toerana.

Mahaliana, tsy ity no andrana voalohany tahaka izao. Ny Muloqot.uz, tolotra tambajotra sosialy amin'ny fiteny Uzbek,  dia tamin'ny 2011 no napetraka. Kanefa, tsy nety nalaza ilay sehatra, angamba noho ny olona tsy maintsy mametraka ny laharan'ny findainy mba hahafahana misoratra ao amin'ilay tranonkala. Ny fanolorana ny Youface, noho izany, dia andrana iray hafa ataon'ny manampahefana mba hakàna ny fon'ireo mpampiasa aterineto hisafidy sehatra iray “nasionaly” fa tsy ho iray hafa “vahiny”.

Ilay tambajotra vaovao dia ahitàna fitoviana betsaka amin'ny Facebook – amin'ny anarana, fa koa amin'ny bika aman-endrika sy ny fomba fiasany.

Pejy fandraisan'ny youface.uz

Ny anaran-tsehatra dia fananan'ny teratany Uzbek iray antsoina hoe Ayubhon Abdullaev.  Niaiky izy [ru] fa vao “jerena voalohany” dia mitovy amin'ny Facebook ilay tolotra tambajotra sosialy vaovao. Na izany aza, araka ny lazain'i  Abdullaev, ny fanomezana endrika ilay tolotra “dia hiova” arakaraky ny fanampian'io endriny toa Facebook io hisarika mpampiasa maro. Nanambara ihany koa izy fa ny tanjon'ny Youface dia ny “hampitombo ny fitiavana ny an'ny tena eny anivon'ireo tanora ao Ozbekistana”. Tsy mahagaga araka izany raha toa ny pejy fandraisan'ilay tranonkala mitanisa ny tenin'ny Filohan'i Ozbekistana Islam Karimov: “Tsy maintsy matanjaka ny tanorantsika, marani-tsaina, ary sambatra kokoa noho isika izao”

Sahala amin'ny tian'ny sasany amin'ireo mpiondana aterneto ilay hevitra hoe hanana tambajotra sosialy  “nasionaly” sady velom-panantenana amin'ny ho avin'ny Youface ry zareo. Ohatra, Black_A manoratra hoe [ru]:

Prajevyov uvidem. Nu zato o nix uje uznala ves MIR! eto vam ne kakoyto MALAkot.uz 😀 ili SET.uz! etot sayt budet kak VK.ru v Rossiyi. Unas budet YouFace.uz…….. Ya registrirovalsya tam i ya etogo gorda skaju!!

Hahita isika. Ny hita aloha izao dia efa fantatr'izao tontolo izao ny mikasika azy [Youface]. Tsy zavatra tahaka ny [muloqot.uz] na ny  set.uz io!  Ho tahaka ny VK.ru any Rosia ity tranonkala ity [VK.ru na Vkontakte.ru – ilay tambajotra sosialy malaza indrindra ao Rosia]! Ary dia hànana ny YouFace.uz antsika isika…. Efa nisoratra ao aho ary mirehareha milaza izany.

Kanefa maro ihany ireo mpampiasa aterineto ao Ozbekistana no mbola tsy taitra amin'ilay tambajotra sosialy vaovao.  Efa ho roa volana taorian'ny nampahafantarana azy voalohany,  mbola zara raha 1.500 ireo mpampiasa nisoratra ao amin'ny Youface (hatramin'ny 7 Jolay 2012). Sahala amin'ny tsy dia miraharaha loatra ilay tolotra vaovao ny ankamaroan'ireo mpampiasa aterineto ao Ozbekistana.  Na izany aza, ny sasany amin'ireo mpiondana aterineto dia manakiana ilay tolotra ho hala tàhaka tamin'ny Facebook.

Hushnud, ohatra, mibitsika hoe [ru]:

youface.uz плохая копия FB очень даже. дизайн детское и вообще…

hala tàhaka ratsy, faran'izay ratsy tamin'ny Facebook ny youface.uz. An-jaza be loatra ny fanomezana endrika, sy ny zavatra rehetra…

Oybek miaiky hoe [ru]:

я вообще в шоке такого плагиата никто не видел, просто нереально стыдно за то что это у нас… http://youface.uz 

Tohina aho, tsy mbola nisy nahita fakàn-tàhaka tahàka ity hatrizay. Henatra tsy mampino ny fananantsika an’ ity… http://youface.uz 

Na izany aza, vantany vao misoratra sy mampiasa ilay tolotra ireo mpampiasa, dia afaka mahita fa misy mahasamihafa azy amin'ny Facebook ilay tranonkala. Ohatra, ireo mpampiasa ny Youface dia afaka hahita hoe iza no nijery ny mombamomba azy ireo. Tsy misy ao amin'ny Facebook io safidy io, saingy malaza be kosa ao amin'ny  Odnoklassniki. Youface koa dia mamela ireo mpampiasa azy hikaroka nàmana vaovao, tsy amin'ny alàlan'ny anarana fotsiny fa koa amin'ny maha lahy na vavy, taona, toerana, mahatonga ilay tranonkala ho toy ny tolotra fitadiavana silam-panahy. Manana faritra iray natao ho an'ny “Tsenam-barotra” ihany koa ilay tranonkala, toerana izay ahafahan'ireo mpampiasa azy mametraka dokambarotra. Etsy ankilany, asongadin'ny Youface ny safidy iray “Youmoney” izay tsy mbola miasa aloha, saingy heverina fa hahafahan'ireo mpampiasa azy miantsena eo anatin'ilay tranonkala.

Araka izany, ireo mpandrafitra ny Youface dia manantena hahasarika mpanjifa avy ao Ozbekistana amin'ny alàlan'ny fanomezana azy ireny tolotra bebe kokoa miohatra amin'izay azon'ny Facebook na Odnoklassniki aroso.

Olona iray manampahaizana manokana amin'ny resaka fiarovana, izay tsy nety hitonona anarana, no  mandroso ny hevitra hoe [ru] mety ho noforonina ny Youface mba hanampy ireo manampahefana amin'ny fanaraha-maso ireo mpampiasa Facebook ao amin'ny firenena ary “hanisàhana” azy ireny ho any amin'ilay tolotra sosialy vaovao ao an-toerana. Araka io manampahaizana manokana io, mety tsy ho tsikaritry ny sasany amin'ireo mpampiasa akory fa raha tokony ho ny pejy Facebook tena izy no sokafany dia ny an'ny Youface no hosokafan'ny fitetin-dry zareo. Ny anarana sy tenimiafina tendrena ho amin'ilay tranonkala avy eo dia hovoapaingotra sy ampiasain'ireo manampahefana hidirany amin'ny mombamomba an'ireo teratany Uzbek mpampiasa Facebook. Etsy ankilany, araka io manampahaizana io, ireo mpandrafitra ny Youface dia mety hanao azy hitovy tanteraka amin'ny an'ny Facebook ary handika mihitsy aza ny angona sasantsasany avy amin'ito farany. Amin'ny tranga toy izany, ireo Uzbek mpanjifa dia mety ho tafiditra any amin'ireo tolotra hala tàhaka fa tsy any amin'ny tena Facebook, nefa tsy hahatsikaritra izany akory.

Tsy mbola vita aloha hatreto ny hilaza na marina na tsia ireny vinavina ireny. Na izany aza, ny politikan'ny Youface dia efa manambara [ru] sahady ankehitriny fa, “rehefa mampakatra votoaty ao amin'ny tranonkala, dia efa fanomezan-dàlan'ilay mpampiasa izany hahafahan'ny mpitantana ny tranonkala handika azy io […]” ary na dia nofafan'ilay mpampiasa aza ny kaontiny, “dia manan-jo hatrany ny mpitantana ilay tranonkala hitazona dika avy amin'ireo votoaty an'ny mpampiasa azy …”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.