Siria: Mahatonga Hatezerana Sy Alahelo Ny Famonoana olona Tany Traymseh

Tamin'ny herintaona, ny alina nialoha ny volana masin'ny Ramadany, ireo mpitandro filaminana Siriana izay tokam-po amin'ny fitondràn'i Bashar al-Assad dia namono olom-pirenena manodidina ny 45 tany amin'ny renivohitr'i Hama.

Tamin'ity taona ity, tany amin'ny tanàna kely, Traymseh, tsy lavitra an'i Hama no niraraka ny rà, nefa inoana fa maro lavitra noho iny ny isan'ny maty.

Araka ireo mahery fo, manodidina ny 220 ireo olom-pirenena maty novonoina tao an-tanàna tamin'ny 12 Jolay, anisan'izany ny fianakaviana iray manontolo miisa telo be izao. Manoratra ilay mpanoratra sy mpitoraka blaogy Siriana, Rime Allaf:

@rallaf: Vaovao momba ny vono-olona hafa indray tany #Siria, faritanin'i ‪#Hama‬ : 220 no maty, maro ireo voatsatoky ny antsy, na zaza aza, fianakaviana iray manontolo miisa telo.

Nizarazara ireo hevitra tamin'ny hatezerana tsy hay fehezina sy ny alahelo noho ny tsy fahafaha-manoatra. Namintina ny fihetseham-pony tato ilay Siriana mafana fo, Shakeeb Al-Jabri:

@LeShaque: Tsy haiko na mampalahelo na mahakivy na inona rehefa “efa fahita” no havalin'ny olona iray amin'ilay vono-olona. ‪#Syria‬

I Kareem Lailah kosa mibitsika hoe:

@KareemLailah: صار في سوريين تحت الأرض أكتر من عليها #Syria
@KareemLailah: Hatramin'izao dia mbola betsaka ny Siriana any milevina mitaha amin'ny ety ambonin'ny tany. #Syria

Shakeeb al-Jabri koa dia mitaraina noho ny fahanginan'ireo fikambanana iraisam-pirenena manoloana izao famonoana Siriana izao, indrindra moa fa tsy voalohany no misy famonoan'olona tahaka izao amin'ny hetsiky ny fivoriana lehibe an'ny UNSC any Siria:

@LeShaque: Mood, Annan, Ban, ny UNSC dia samy hanameloka ilay vono-olona fa tsy ny nanao azy, tahaka ny hoe maty tampoka teo fotsiny ireo olona ireo. #Syria

Ary arak'izany tokoa, fotoana fohy taorian’ ilay vono-olona , nivoaka mba hanameloka ilay famonoana olona ny masoivohon'ny Etazonia ao amin'ny Firenena Mikambana, Susan Rice:

@AmbassadorRice: Mampanonofy ratsy ny tatitra momba ny #TraymsehMassacre  – mampiseho tsara ny tokony hisian'ny fepetra hentitra avy amin'ny #UNSC ho an'i #Siria.

“Mijery fotsiny izao tontolo izao nefa izahay voatsatoka antsy.  Vono-olona tao Traymseh, tsy hohadinonay”, avy amin'ny Fikambanan'ireo Pejy Facebook ho an'ny Revolisiona Siriana

NuffSilence dia sady maneso no mampahatsiahy ireo mpamaky azy ny momba ilay Ministeran'ny Fampihavanam-pirenena vao natsangana:

@NuffSilence: Tsara ny manamarika fa ity no famonoan'olona voalohany tahaka izao teo ambanin'ny Ministeran'ny Fampihavanam-pirenena (izay nireharehan'i Bashar tamin'i Annan)

I Safaa Sankari kosa mampiseho fihetseham-po iraisan'ireo Siriana izay sambany vao nahafantatra ny fisian'ireo tanàna kely any ambanivohitry ny fireneny tamin'ny alalan'ireny loza ireny :

@SafaaSankari: Maherin'ny 200 ireo olona novonoina tamin'ny #TraymsehMassacre #Siria androany; tanàna izay tsy fantatro akory hoe nisy taty Siria nefa fantatro izao noho ireo vono-olona ireo 🙁

Ugariti Homsi dia maneso ny fanambaran'ireo manampahefana Siriana fa hoe ora vitsy taorian'ny famonoan'olona, nosamboriny ireo “mpanatanteraka” :

@Ugariti_Homsi: Fahitalavi-panjakàna Siriana: “nosamborina ireo mampihorohoro nanatanteraka ny  #TraymsehMasscare” Andriamanitra ô, tapaka lalàn-dra izao dieny izao eto aho!! #Liars

Ary farany, Sami al-Hamwi dia mizara ny sarin'ireo fihetsiketsehana samihafa manerana ny firenena, manameloka ilayvono-olona :

@HamaEcho: AJM mampiseho lahatsary dimy samihafa an'ireo tolona hanohanana an'i Treimseh androany alina. ‪#Syria‬

AJM showing 5 different streams of protests in support of Treimseh tonight.

AJM mampiseho lahatsary dimy samihafa an'ireo tolona hanohanana an'i Treimseh androany alina. Nakarin'i @HamaEcho, mpampiasa Twitter

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.