Afganistana: Resabe Nateraky Ny Lahatsarim-Pamonoana Noho Ny Fijangajangana

Tany ampiandohan'ny Jolay dia vehivavy Afgana iray no novonoina imasom-bahoaka tao aminà tanàna kely any amin'ny faritanin'i Parwan, làlana tokony ho ora iray miala an'i Kabul renivohitra. Nolazaina fa novonoina ilay vehivavy 22 taona taorian'ny filazan'ny lehilahy Taliban roa manana ny maha-izy azy ao an-toerana fa hoe samy nanana fifandraisana tamin-dravehivavy ry zareo ary niampanga azy ho nampirafy. Lahatsary iray nalain'olon-tsotra [tandremo: sary maherisetra] tamin'ilay famonoana, azon'ny Reuters, no mampiseho lehilahy lehibe iray mitafy “turban” mitanisa ny andininy avy ao amin'ny Korany sady manambara hoe : “Tsy afaka hamela azy izahay, Andriamanitra no miteny aminay hamarana ny aminy. Juma Khan, vadin-dravehivavy, no manan-jo hanapitra ny ainy.” Avy eo dia notifirana ho faty, tena akaiky kely ilay vehivavy mitafy “burqa”, raha ireo lehilahy 150 be volombava nanatrika ilay famonoana kosa nitehaka ny fahafatesany sy nihaka hoe  “Lehibe Andriamanitra,” “Ho Ela velona ny mujahideen” [fomba fiantsoan-dry zareo Taliban ny tenany ]

Najiba, vehivavy Afgana 22 taona, novonoin'ny vadiny. Dikasary avy aminà lahatsary, ‘Famonoana niteraka hatezerana tao Afghanistan’, nakarina Youtube ny 9 Jolay 2012, avy amin'ny mpampiasa CNN

Lehilahy eo amin'ny 150 eo no nanatrika ilay famonoana, nitehatehaka ny fahafatesan'ilay vehivavy. Dikasary avy aminà lahatsary, ‘Famonoana niteraka hatezerana tao Afghanistan’, nakarina Youtube ny 9 Jolay 2012, avy amin'ny mpampiasa  CNN.

Nanakiana ny  Taliban noho ilay famonoana ireo manampahefana Afgana. Fony teo amin'ny fitondrana ny ‘fondamentalistes’ teo anelanelan'ny 1996-2001, dia zava-nahazatra teo amin'ny firenena ny famonoana imasom-bahoaka noho ny fijangajangana. Ny Taliban, na izany aza, dia nandà ny mahavoarohirohy azy tamin'ilay famonoana.

Niteraka fampiakaram-peo nanerana ny tany ny famonoana ilay vehivavy. Any Afganistana, ny Filoha Hamid Karzai dia nanameloka ilay famonoana ho mifanohitra amin'ny “maha-Islamika sy ny maha-olona,”  ary nanome baiko ny polisy mba hitady ireo meloka sy hitondra azy ireny eny amin'ny fitsaràna. Fawzia Koofi, vehivavy iray parlemantera  Afgana, taorian'ny nijereny ilay lahatsary dia niteny hoe:

Taorian'ny 10 taona (nisian'ny fitsabahan'ny vahiny), ary kilaometatra vitsy monja miala an'i Kabul… ahoana no hisian'izany eo anatrehan'ireo olona marobe ireo? Tena fiolahana faran'izay goavana ity, ary (dingana) goavana mitondra mihemotra.

Frogh Wazhma, Afgana manampahaizana momba ny fahasamihafàn'ny lahy sy vavy ary mafàna fo mpiaro zon'olombelona dia nibitsika [fa] tamin'ny 9 Jolay hoe :

وقت اینست که ما زنان نیز به تهدیدی مسلحانه تبدیل شویم.حادثه پروان نشانه دیگر از منافقت اجتماعی ماست -کسی در آن جمع در مقابل ظلم ایستاده نشد

Fotoana izao ho antsika, vehivavy, mba hanjary ho horohoro mitam-piadiana. Ny zava-nitranga tao Parwan dia soritr'aretina iray amin'ny fihatsaram-belatsihin'ny fiarahamonintsika. Tsy nisy na iray aza [nanatri-maso ilay zava-nitranga] mba nijoro hanohitra ny tsy rariny.

Ny hatezerana naterak'ilay famonoana dia nametraka ho eo ambanin'ny mason'ny maro ny zavatra iainan'ireo vehivavy sy ankizivavy ao Afganistana. Ao amin'ny Daily Outlook Afghanistan, Dilawar Sherzai manazava hoe :

Ny rafitra sosialy Afgana dia nogiazan'ny fivavahana extremiste sy ny kiantranoantrano ara-poko, tamin'ny fomba feno herisetra. Na dia nanindry, saika ny tsirairay mihitsy, aza ireny, ny vehivavy no tena niharany betsaka indrindra noho izy ireo tafiditra ao anatin'ny rantsana marefon'ny fiarahamonina. Ny ankamaroan'ireo antokom-pivavahana niforona hoazy tetsy sy teroa ary ireo fepetran'ny foko dia manohintohina daholo ny vehivavy sy manavakavaka azy ireo tsy hahazo ny zony fototra. Indrisy, ireny fepetra sy foto-pinoana ireny dia nitatra hatrany amin'ny herisetra ary nampijaly ara-batana ny vehivavy – ny ankamaroany dia imasom-bahoaka. Ry zareo, amin'ny anaran'ny maha-olona ny vehivavy, raha ny marina dia tsy nanao afa-tsy ny nampitontongana azy. Ny foto-kevitra ijoroan'ilay ambara ho voninahitry ny foko dia tsy afaka akory hanome fiarovana sy haja ho an'ny vehivavy Afgana.

Any ivelan'i Afganistana, nahatezitra olona maro ilay lahatsary. Laurent Joncas, Kanadiana, nanoratra tao anatinà taratasy iray ho an'ny National Post tamin'ny 10 Jolay hoe:

Lehilahy 65 taona aho ary nidradradradra toy ny zazakely rehefa namaky mikasika ny famonoana ilay vehivavy tanora tao Afganistana. Tsy ho afaka amiko mandrakizay ny fieritreretana ny tahony sy ny fahafatesany samirery. Malahelo aho noho izao tontolo izao tsy afaka nanao na inona na inona ho azy akory. Tsy azoko antoka hoe ny fanomezana 250-tapitrisa dolara Amerikana ho fanampiana an'i Afganistana dia hampitsahatra an'izao. Ny faniriako dia ny mba hikiaka famaliana ho an'ireo Talibana ny Silamo rehetra manerana ny tany. Ny rariny aloha izao dia any am-Paradisa ity vehivavy tanora ity ary ireo mpamono azy kosa hijaly mandrakizay any amin'ny Helo, miaraka amin'ireo lehilahy 150 na mahery izay nitehatehaka ny famonoana azy iny. Ahoana no hahamarina fa hoe izany no sitrapon'i Allah, izy izay mpamela heloka sy be fitiavana?

Ny 11 Jolay, nitarika vehivavy Afgana sy lehilahy am-polony maro hidina an-dalambe ihany koa ilay lahatsarin'ny famonoana. Ho fanamelohana ilay famonoana sy nitakiana tamin'ny governemanta mba hihetsika bebe kokoa hiaro ny zon'ny vehivavy eo amin'ny firenena, ireo mpanao hetsi-panoherana dia niventy koa ny hoe “Vonoy ireo lehilahy namono ny rahavavy/anabavinay!”

Vehivavy Afgana nanao hetsi-panoherana tao Kabul taorian'ilay famonoana. Sary : Frogh Wazhma, nampiasaina niaraka amin'ny fanomezan-dàlany

Ilay hetsi-panoherana dia notarihan'i Mumtaz Bibi, vehivavy Afgana 16 taona izay sisam-paty tamin'ny fanondrahana asidra azy. Namindra teo anilan'i Sahar Gul izy, tovovavy 15 taona izay niteraka hatezerana eran-tany ny nanjo azy taorian'ny namonjena azy avy eny an-tànan'ny vadiny sy ny havany izay tsy nanome hanina sy nampijaly azy mba hanerena azy hivaro-tena. Sima Samar, iray tamin'ireo nahazo ny loka Nobel momba ny Fandriampahalemana ary mpitarika  ny  Kaomisiona mahaleotena Afghan miaro ny Zon'olombelona, dia nanatevin-daharana ihany koa ilay hetsi-panoherana tao Kaboul.

Sahar Gul sy Mumtaz Bibi miaraka amin'ireo mpanao hetsi-panoherana tao Kabul. Saryu : Frogh Wazhma, nampiasaina niaraka tamin'ny fanomezan-dàlany

Ny olona sasany nanararaotra ilay famonoana ho fotoana iray hitsikeràna ny firenena Tandrefana amin'ny tsy fahafahan-dry zareo mamaha ny olana marobe ao Afganistana na dia efa hatramin'ny 2001 aza no nirotsahany tao amin'ny firenena. Ny iraky ny  Euronews,Mustafa Bag, nibitsika tamin'ny 12 Jolay hoe :

Ny famonoana imasom-bahoaka vehivavy Afgana iray dia mampiseho ny hakelin'izay mba vitan'i “Eoropa mandroso” nandritra izay 10 taona nipetrahany tany Afganistana izay.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.