Maoritania: Hatezerana Amin'ny Fanohanan'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny an'i Assad

Nahatezitra ireo mafana fo Maoritaniana ny kabary nataon'ny minisitry ny raharaham-bahiny Maoritaniana Hamadi Ould Hamadi [fr] nandritra ny fivoriana farany an'ny Naman'i Siria. Tamin'ny kabariny tao aamin'io fivoriana io, izay natao tany Paris tamin'ny 6 Jolay, nilaza ny minisitra fa “herisetra sy valin-kerisetra” no zava-niseho tany Siria.

Maro ny nandray izany ho fanohanana ny fitondràn'i Bashar Al Assad, ary niparitaka ny bitska tezitra, ny lahatsary manesoeso, mitsikera ny minisitra sy miala tsiny amin'ireo vahoaka Siriana ary ny revolisiona Siriana.

Tsara homarihina fa tsy vaovao izao toetran'ny fitondràna Maoritaniana manohana ireo fitondràna hafa miatrika fitakiana fanonganana izao. Teo aloha ny fitondràna Maoritaniana dia nanohana ny fitondràna Ivoariana notarihin'ny filoha Laurent Gbagbo sy ilay filoha Libiana voaongana  Muammar Gaddafi, ary fanampiny koa ny fitondràn'i Zine El Abidine Ben Ali sy Hosni Mubarak.

Fihetsiketsehana maro no efa natao tany Maoritania mangataka ny fandroahana ny masoivoho Siriana avy any Nouakchott sy ny fampiatoana ny fifandraisana diplomatika amin'ny fitondràn'i Bashar Al Assad.

“Maoritaniana aho ary ity olona ity tsy misolo tena ahy.” Sary namboarina mampiseho ny minisitry ny raharaham-bahiny Maoritaniana, navoakan'ny mpampiasa  Twitter @moctarmm.

Ny pejy Mauritanie Demain dia nanao lahatsary manesoeso ka nampiasa ny kabarin'ny minisitra, nanimba ny lahatsary tam-boalohany ka nanova ny tenin'ny minisitra. Ao anatin'izany ny minisitra dia milaza fa ny antony nanohanan'ny Maoritania ny fitondràna Siriana dia satria nokaraman'Iran ny filoha Maoritaniana Brigadie Jeneraly Mohammed Ould Abdel Aziz hanohana an'i Bashar Al Assad.

Tah Ould Habib, Maoritaniana mafana fo dia nitsikera ny kabarin'ny minisitry ny raharaham-bahiny:

‏@tahabib حمادي ولد حمادي لا يمثل حتى نفسه،‏ لا يمثل إلا الجنرال عزيز.‏ ‏‎‫‎‫‬
Tsy mahasolo ny tenany akory aza i Hamadi Ould Hamadi, fa misolo tena fotsiny ny Jeneraly Aziz.

Naneho hevitra tsy mifanalavitra amin'izany ilay mafana fo, Ahmed Abdallah:

@ahmedbah أنا موريتاني وأدعم الثورة السورية العظيمة.. وهذا القبيح لايمثلني.. لايمثل إلا جنراله المستبد
Maoritaniana aho ary manohana ny revolisiona Siriana lehibe… Tsy misolo tena ahy io olona mahatsiravina io… Fa misolo tena ilay jeneraly mpampijaly

Ary i Elghoutoub Ould Mohammed Moloud dia nanoratra hoe:

‏@Elghoutoub اللهم إني أبرأ إليك مما قاله وزير الخارجية..الإستبداد ملة واحدة..يسقط الجنرال.. يسقط بشار
Tsy misy idirako amin'ny zavatra nolazain'ny minisitry ny raharaham-bahiny… Iray tarika ihany ireo mpampijaly… Aongàny ny jeneraly… Aongàny Bashar…

Tsy very anjara koa Jamal Khashoggi, mpanao gazety Saodiana, fa naneho hevitra:

@JKhashoggi موريتانيا بلد غريب، في زمن ما قبل الربيع العربي تفتح مكتب ارتباط لإسرائيل، ما بعد الربيع تنحاز و”تتفهم ” موقف النظام السوري!
Firenena hafahafa i Maoritania. Tamin'ny fotoana nialoha ny Lohataona Arabo dia nahita làlana hiarahana amin'Isiraely izy, ary taorian'ny Lohataona Arabo dia nifindra toerana ka “mahatakatra” ny toerana misy ny fitondràna Siriana!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.