Madagasikara : Vita Hatreo Ve Ny Air Madagascar Rehefa Avy Nividy Airbus Tamin'ny Air France?

Voarara tsy mahazo mandia ny faritr'habakabaka eoropeana tamin'ny 2011 ny zotram-pitaterana an'habakabaka Air Madagascar noho ny tsy fanarahany ny fitsipi-piarovana mihatra. Ho fanohizana ny asany dia tsy maintsy niangavy ny Air Italy hanao ny fitaterana tsy azony atao intsony ny Air Madagascar. Nankalazain'ny fitondrana tetezamita malagasy nanetriketrika tokoa ny fividianana Airbus A340 roa an'ny Air France. Saingy, maro ny fanontaniana nipoitra amin'ny hoe sahaza antsika ve, manao ahoana ny fanomezam-bola sy ny fombafomba nividianana azy sy ny vokatra lavitr'ezaka sy ny faharetany eo amin'ny orinasa.

Ahiahy teo am-piaingana  

Andry Rajoelina teo anoloan'ny Airbus 340 an'ny Air Madagascar. Saripika nahazoana alalana avy amin'ny Tananews

Air Madagascar irery no orinasam-pitaterana misy eto an-tanindrazana. Ara-tantara, Ny Boeing ihany no mandrafitra ny zotram-pitanterana iraisampirenena. Tsy kisendrasendra izao fiovana izao satria mila fampianarana maharitra ho an'ny mpanamory malagasy.
Vokatr'izany, ny mpanamorin'ny Air France irery no afa-mitondra ny voromby novidian'ny Air Madagascar hatreto.

Fanolorana ny airbus tamin'i  Andry Rajoelina tao Toulouse

Tsy nialana maharary ihany koa ny fanombohan'asan'ireo fiaramanidiny. Nahitana tsy fetezana indroa tsy nahafahany mitatitra ny mpandeha efa miakatra amin'ny fametrahana ny orinasa anaty lisitra mainty noho ny fahabangana lehibe eo amin'ny fiarovana (ny mpandeha) ny Airbus A340 faharoa. Toy izao ny fanazavana amin'io tsi-fetezana io araka an'i Isabelle Blanco ao amin'ny Air Journal:

Nolazain'ny gazety fa olana eo amin'ny fivoahan'ny kodiarana “train d’atterrissage”, kojakoja « iankinan'ny aina » no nahatonga ny tsi-fetezana indroa. Nolazaina tamin'ny fomba ofisialy fa teo amin'ny milina miandry afo no nisy ny tsi-fetezana tamin'ilay voalohany. Tany Paris, ny rafitra manidy ny fivoahan'ny kodiarana no nanondrana : nivoaka ny kodiarana fa nirehitra ny jiro fampitandremana, ka nahatonga ny ekipa teknika hanao ny fanamarinana, izay naharitra ora telo. Na izany aza, tsy mbola resy lahatra tamin'ny nifidianan'ny orinasa ny Airbus ny Malagasy, nefa tsy nampiasa afa-tsy Boeing hatramin'izay. Mbola maka fotoana maharitra noho izany ny Air Madagascar hampiverina indray ny fitokisana very

Efa nandalo fotoan-tsarotra maro, tahaka ny ankamaroan'ny orinasam-pitaterana an-habakabaka manerantany, ny orinasa tao anatin'ny taona vitsivitsy. Hofaina ao anatin'ny enin-taona aloha ny Airbus ka rehefa vita izany dia tompony tanteraka ny orinasa. AD milaza ny antsipirian'ny fifampiraharahana:

Notapahina ho enin-taona ny fifanaraham-panofana iarahana amin'ny Air France. Ny A340 voalohany hofaina 350 000 dolara isam-bolana, ny faharoa 475 000 dolara. Manana A340 miisa 15 i Air France ka amin'ireo no misy manao zotra Paris-Antananarivo in'efatra isan-kerinandro. 14 taona ny A340 300 voalohany namidy tamin'ny Malagasy ary ny faharoa 12 taona.

Tsy hihena vetivety ihany koa ny sandam-pandaniana amin'ny fampiasana azy ireo ho an'ny Air Madagascar satria manampy ny fividianana ireo airbus ireo sy ny vola lany amin'ny fampiasana azy ny sandan'ny fampiasaina ny ekipa fanamorian'ny Air France eo am-piandrasana ny fahavitan'ny fiofanana ataon'ny mpanamorin'ny Air Madagascar. Tsy misy ifandraisany amin'ny karaman'ny mpanamorin'ny Air Madagascar velively manko ny karaman'ny mpanamorin'ny Air France.

Toherin'ny manampahaizana maro ny nifidianana ny Airbus. Indro i Mahefa Rakotomalala manazava ny antony :

 Maro ny tsikera azon'ny A 340-300 indrindra raha oharina amin'ny mpifaninana mivantana aminy, ny Boeing 777, ilay safidy azo natao ka nampisalasala ela ny Malagasy. Manana tombony ilay marika amerikana eo amin'ny lafiny maro. Eo aloha raha jerena ny isan'ny voromby novinidy satria nandritra ny nahalafosana  A 340 miisa 377 tamin'ny orinasa 48 nandritra ny 20 taona, dia 1295 kosa ny 777 novidian'ny orinasa 64. Amin'ireo voromby roa manana fahavitana mitovy ireo, nampitambesatra teo amin'ny safidin'ny zotram-pitaterana an'habakabaka ny ny fandaniana solika ataon'ny voalohany. Tamin'ny faran'ny taona 2011, teo am-pahitana ireo tranga ireo, nanapa-kevitra ny hampitsahatra ny famokarana A 340 ny Airbus, eny fa na dia notazonina ho 30 taona aza ny fikarakarana aorian'ny nividianana azy [service après vente] (..) Ankoatra izany, tsy maintsy misy indray ny fanamboaran-drafitra handraisana io karazana fiara vaovao io ao amin'ny andiam-piaramanidin'ny Air Madagascar : fanofanana ny ekipazy, fandaminana indray ny departemantan'ny fikojakojana sy ny indostrialy ary ny fampitaovana dia samy fanovana misy sandany avokoa.

Ny alok'i Frantsafrika

Tahaka ny tsy mahatezitra ny orinasa Air France ny fividianana ny vorombiny. Manana olana ara-bola goavana ihany koa ny Air France. Tsy nilain'ny Air France intsony ny Airbus namidy tamin'ny Air Madagascar satria efa kadraoka sy mandany solika (hita tokoa fa mandany solika kokoa noho ny Aibus vaovao ny Airbus motera efatra ka lafo loatra ny fampiasana azy ho an'ny Air France.) Mipoitra ary ny fanontaniana, raha mandany loatra ho an'ny Air France ireo voromby ireo, ahoana no hahafahan'ny Air Madagascar mandoa ny saram-pampiasana sy ny fikojakojana azy ireo ?

Manontany tena ny Madonline hoe tolotra tsara ho an'ny firenena sa ho an'ny mpitantana ny orinasa ireo Airbus ireo :

 Ety ankalamanjàna, tsy politika fa ara-barotra, eo amin'ny samy orinasa, no nifidianana ny mpandrafitra voromby frantsay. Ny tompon'andraikitra ara-politika sy ara-pitantanana avy ao amin'ny HAT, indrindra fa ny avy ao amin'ny minisiteran'ny vola, no mitondra ny orinasam-pitaterana an'habakabaka malagasy. Izay tsy manala velively ny hoe mety ho tsara ny aferany. Iza no Lehiben'ny orinasam-pitaterana Air Madagascar ? Hery Rajaonarimampianina, minisitry ny vola sy mpitahiry volan'ny HAT ary filohan'ny filakevi-pitantanan'ny orinasam-pitaterana an'habakabaka nasionaly. Miteronterona ao miaraka amin'ny lefiny mahatoky azy izay tompon'andraikitra ambony amin'ny fitantanana ny volam-panjakana ihany koa ny lehilahy. (..) Miezaka ny mandresy lahatra ny filakevi-pitantanan'ny Air Madagascar mampanadino ny safidy politika tanatin'ny fampisafidianana ny mpanao fiaramanidina frantsay. (..) Nety ve ny nataon'ny Air Madagascar tamin'ny nividianana fiara 12 sy 14 taona tamin'ny fanaovana varotra sy fanofana mandritra ny 6 taona. Mety hahatratra 150 tapitrisa dolara ny vidin'ny Airbus A340-300 vaovao iray. Hofaina 369 000 dolara sy 403 000 dolara isam-bolana izy roa ireo, izay manombe latsaky ny 60 tapitrisa dolara ho an'ny lafo indrindra. Mandeha ny tsikera satria ny sandan'ireo fiaramanidina voatonona ireo dia heverina ho 30 tapitrisa dolara.

Amin'izao fotoanan'ny krizy ara-toe-karena ho an'ny ankamaroan'ny orinasam-pitanterana an'habakabaka izao, maro ny mpanara-baovao manontany tena raha mbola mahaverin-trosa mandritra ny fotoana maharitra ihany ny Air Madagascar. Manamarika i Afrique Infos :

Araka ny fijerin'ny mpanara-baovao, manamarika sahady ny fiafaran'ny orinasam-pitaterana Air Madagascar, izay efa zatra Boeing ny mpiasa mpikarakara sy ny mpanamory ary ny misahana ny varotra ao aminy, ny fahazoana ireo Airbus ireo (..) Efa nilaozan'i Air France ireo voromby ireo satria lafo ny fikarakarana azy ary ho takalony nomen'ny Air Madagascar avokoa ny tombony rehetra ka tafiditra amin'izany ny zotra Eoropa-Oseana Indiana izay tena ankafizin'ny mpizahantany eoropeana tokoa (..) Raha eo amin'ny sehatry ny fitrohana kosa, tsy mitsitsy kerozenina araka ny fanazavan'ny tale jeneralin'ny kaompania ireo mampiasa maotera efatra ireo, ary izany no anisan'ny antony nanajanonan'ny Airbus ny famokarana  A340 (..) manazava ny mpiasan'ny Air Madagascar iray fa aleon'ny orinasam-pitaterana mividy Boeing 777 izay mahavita mitovy amin'ny A340, ary tao anatin'ny 20 taona, nahalafo voromby 1295 ny Boeing ary 377 kosa ny Airbus noho izay resaka fanjifan-tsolika izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.