#TwitterEnCatalà Miteraka Bitsi-Pifaliana Sy Fankahalàna

Ny 6 Jolay 2012, an'aliny ireo mpiondana aterineto miteny ny fiteny Catalan no nankalaza ny fahatongavan'ny fampiasana ny tenin'izy ireo eo amin'ny  Twitter. Vetivety dia nanjary lohahevitra noresahana be tao Espaina ny tenifototra  #twitterencatalà , ary ny  Data'n'Press dia nanokatra ny twitterencatala.org mba hanaraha-maso ny isan'ireo mpampiasa mamadika ny kaontiny ho any amin'ilay fiteny Catalan. Tanatin'ny 24 ora voalohany fotsiny, maherin'ny 10.000 ny olona nanao izany.

Marobe ireo mpampiasa Twitter no faly tamin'ireo famoahana vao haingana tamin'ny fiteniny tao amin'ilay tranonkala, nefa maro koa ireo hafa naneho ny hatezerany tamin'ilay fanambaràna, nibitsika fanamarihana somary manafintohina mikasika ny vahoaka sy ny fiteny Catalan .

Ny lafin-tsarany, betsaka ireo nisaotra mivantana an'i  Albert Cuesta, izay nikarakara ilay fanangonan-tsonia ho an'ny daholobe mba hisian'ny Twitter amin'ny fiteny Catalan, hatramin'ireo rehetra izay nanao sonia azy io :

Promotional image for #twitterencatala. Source: www.rogercasero.cat

Sary fanentanana #twitterencatala. Loharano: www.rogercasero.cat

@csolaniubo: Avui és el dia que hem de felicitar l’ @albertcuesta per ser tant tossut i fer que entre tots hàgim aconseguit el ‪#twitterencatala‬ Gràcies!

@csolaniubo: Ity no andro hiarahabantsika an'i @albertcuesta tamin'ny fikirizany & ny fanomezany antsika ny #twitterencatala Misaotra anao!

@jordiipa: El meu ‪#FF‬ és per als 7.383 signants de la petició i els 5.000 voluntaris que han traduït ‪#twitterencatala‬ < i el meu x @albertcuesta grcs!

@jordiipa: Ny #FF avy amiko dia ho an'ireo olona 7.383 izay nanao sonia ilay fanangonan-sonia & ireo mpirotsaka an-tsitrapo 5.000 nandika ny  #twitterencatala < misaotra anao ry @albertcuesta!…..

Nisy ihany koa ireo bitsika tsy tambo isaina nankalaza ny fandefasana voalohany ny Twitter amin'ny fiteny Catalan ho toy ny fandresen'ny maha Catalan ao anatin'ny tontolo politika sy sosialy Catalonia misy ankehitriny:

@sonrisadecolor: M'encanta tenir el ‪#Twitter‬ de l'ordinador en ‪#català‬. Només una mica més i ja tindrem la ‪#IndepedènciaperCatalunya‬! ‪#twitterencatala

@sonrisadecolor: Tiako ny manana #Twitter amin'ny fiteny #Catalan. Afaka fotoana fohy koa dia hananantsika ny  #IndependenceforCatalonia! (fahaleovantenaCatalonia) #twitterencatala

@quimtorra: Això del #twitterencatala és com ens passarà l'endemà de la independència: semblarà mentida que no hagués estat sempre així.

@quimtorra: tsapan'ny #twitterencatala hoe ny fahaleovantena dia ho : isika manontany tena ny amin'ny antony mbola tsy hisiany foana.

Izany eo ihany, ny fandefasana voalohany ny Twitter Catalan koa dia niteraka onjan-katezerana, ary anatin'ny tranga sasany dia bitsika mpanavakavaka ara-piaviana mamely ny fiteny sy ny vahoaka Catalan, ary mifamadika amin'izay, ny sasany dia valinteny tena faran'izay henjana sy manaraby

@xaviconde: Los que están detrás de ‪#twitterencatala quieren partir España. Además de ducharse poco, claro.

@xaviconde: Te-hitsinjarazara an'i Espana ny olona ao ambadiky ny  #twitterencatala.  Ankoatry ny fisafidianany ny tsy ho lena, mazava loatra.

@juanjo_R_G#twitterencatala Eso, eso, y yo quiero la versión en panocho, bable, andaluz y latín antiguo.

@juanjo_R_G#twitterencatala Milay! Ny Twitter amin'ny fiteny  Panocho, Bable, Andalusian ary ny fiteny Latina tranainy sisa izao no ilaintsika.

@somosloslocos: Ahora Twitter parecerá un huerto, todos hablando como si tuvieran un nabo en la boca. ‪#twitterencatala

@somosloslocos: Ho tahaka ny tany iray fambolena voankazo ny Twitter, izay rehetra miteny dia toy ny hoe misy ‘navet’ izany ao ambavany. #twitterencatala.

@mapumo21: La ràbia dels espanyols és directament proporcional a les meues ganes de parlar, escriure i pensar en català! ‪#twitterencatala#adeuespanya

@mapumo21: Mifanahantsahana avy hatrany amin'ny faniriako hiloa-bava, hanoratra ary hisaina amin'ny fiteny Catalan ny hadalàna Espaniôla!  #twitterencatala #adeuespanya (#goodbyeSpain).

@el_bocazas: Que los catalanes tengan ‪#twitterencatala‬ m parece tan reprobable como que los rusos tengan ‪#twitterenruso‬ o los franceses ‪#twitterenfrancés

@el_bocazas: Mahasorena ahy ny fanànan'ny Catalan ny #twitterencatala tahaka ny fanànan'ny Rosiana ny  #twitterinrussian na ny Frantsay  ny #twitterinfrench.

@Maltlatadol: tt ‪#twitterencatala‬ y la peña rajando. Jajajajaja maldita envidia. A min só me molesta que non hai ‪#twitterengalego

@Maltlatadol#twitterencatala tezitra sy vonon-kiady ny tsirairay, fa izaho kosa dia mialona fotsiny izao. Mahasorena ahy fotsiny ny hoe isika tsy mbola manana ny  #twitterengalego (#twitterinGalician).

Ny tranonkala Apuntem.cat, natokana hiampangana ny fanavakavahana ny Catalan ety anaty aterineto, dia nanangona ny sasany tamin'ireo bitsika tena mitratrevatreva (fanamarihana: amin'ny teny espaniôla, ny “catalufo” dia teny fanambaniana iantsoana ny Catalans):

Anti-Catalan tweets with the hashtag #twitterencatalà, curated by apuntem.cat

Bitsika fanavakavahana ny Catalan miaraka amin'ny tenifototra  #twitterencatalà, nangonin'ny apuntem.cat

@AdrianVic04: Catalans, iriko hahazo anareo ny aretina sy hirifiry faran'izay ratsy indrindra, ka hanjohy anareo mandritra ny androm-piainanareo ny fahafatesana, ianareo no vongan-diky ato ESPAINA.

@manuelrodrigue1: tairo e, te-hametraka ny #twitterencatalà izao ry lerony, fa rahoviana ihany itony catalufos vongan-diky mpangataka fizakan-tena itony  vao hiala e? Mankaloiloy ry lerony

@Ander89zgz: Mankaloiloy ahy ireto catalufos ireto. Tsy azontsika atao ve ny manafoana azy rehetra ireny tsotra izao e?

Nampiasa saina ireo Catalan mpiondana aterineto nandritra ny fotoana maharitra ireo bitsika mitratrevatreva manavakavaka ny Catalan. Ilay Parlemantera Eoropeana Ramon Tremosa dia nitondra ireny ahiahy ireny teo anoloan'ny Kaomisiona Eoropeana, tamin'ny filazàna fa ny karazana famabarana toy ireny dia tsy tokony ho arovana mihitsy ho toy ny fahalalahana miteny satria izy ireny “no mitondra ny voan'ny fankahalàna” [cat].

Herinandro latsaka taorian'ny fitsapan-kevi-bahoaka farany [cat] nataon'ny Centre d'Estudis d'Opinió's no nandefasana voalohany ny Twitter Catalan, fitsapan-kevitra izay nanasongadina fa maherin'ny  51% amin'ny Catalan mpifidy no mety hifidy ny fizakan-tena raha toa ka hisy fitsapan-kevi-bahoaka hatao rahampitso.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.